Toko faha 12

1 Dra tamizay, gny fa tafapetraky gny fazakan'i Rehoboama dra natazaky izy, dra nahafo gny lalan'i Yaveh__vo gny Israely aby niaraky taminazy izy. 2 Nitranga izay tamigny tao fahadimy nazakan'i Rehoboama pazaka, fa i Sisaka, pazakan'i Egypta, niakasy hanohisy an'i Jerosalema, akory namadiky an'i Yaveh gny vahoaky. 3 Avy niaraky tamigny kalesy ro-zato sy arivo vo pitikisy sovala eninaly izy. Maramila sy hita isa gny avy niaraky taminazy boak'agny Egypta: reo Lobita, sokita, dra reo Etiopiana. 4 Nalany reo tana voaaro fatrasy ze an'i Joda dra nagnagny Jerosalema. 5 Dra Semaia paminany avy tagny amin'i Rehoboama vo reo pitariky an'i Joda ze niara-nivondro tao Jerosalema noho i Sisaka. Hoy Semaia tamin'ereo ho: "Izao gny zakan'i Yaveh: Handrareo fa nahafo anahy, dra fa natoloso ho eo atagnan'i Sisaka avo koa handrareo." 6 Dra nanetry tegna reo zagnaharin'Israely vo gny pazaka dra nanao anizahoky ho: "Marina i Yaveh." 7 Dra gny fa hitan'i Yaveh fa nanetry tegna ereo, dra avy tamin'i Semaia gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: "Fa nanetry tegna ereo. Sy handringa anereo zaho; fa hamozy anereo amigny fandringa, dra sy hilasaky eo amin'i Jerosalema amigny alalanigny tagnan'i Sisaka gny hatezerako. 8 Na izay aza, dra ho panopony ereo, ba hahatakaran'ereo ho akory izay panopo anahy vo manopo reo pitondra reo firene-kafa izay." 9 Dra Sisaka, pazakan'i Egypta niakasy hanohisy an'i Jerosalema dra nangalaky reo harena tao atragnon'i Yaveh, vo reo harena tao atragnon'i Yaveh, vo reo harena tao atragnon'i pazaka. Nalany avokoa reo apinga volamena ze nataon'i Solomona. 10 Nanao apinga varahy teo atoeran'ireo i Rehoboama pazaka dra nagnaky anireo teo atagnan'ireo pifehy gny piamby, ze niamby reo vatrangaranigny tragnonigny pazaka. 11 Nitranga izay gny isika gny nilisy tao atragnon'i Yaveh gny pazaka, dra ninday anizay reo piamby; boak'eo ereo ninday anizay nihery tagny amigny tragno fiambena. 12 Gny fa nanetry tegna i Rehoboama, dra niala taminazy gny haorian'i Yaveh, ba sy handringa anazy tateraky; akoas'izay, bo nisy fahasoava hita avo tao amin'i Joda. 13 Dra Rehoboama pazaka ninday hery ho anigny fazakany tao Jerosalema, dra manahaky anizay gny nazakany. Raiky amby efa-polo tao i Rehoboama raha nanomboky nazaka, dra nazaka nandrisy gny fito ambiny folo tao taoJerosalema, gny tana ze nifilin'i Yaveh tamigny fokon'Israely aby izy ba hahafahany mametraky gny agnarany ao. Gny agnaran-dreniny dra i Nama, gny Amonita. 14 Nanao rasy izy, akory sy nanefy gny fony ba hitalia an'i Yaveh, 15 Dra gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Rehoboama, volohany sady farany, moa ra reo sy fa voasorasy ao amigny asa soras'i Semaia paminany vo Ido gny pahita, ze tetihara avo koa dra reo aly lava teo amin'i Rehoboama vo Jerosalema? 16 Nimaty tagny amireo razambeny i Rehoboama dra nalevy tao atanan'i Davida; Abia zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany.