Toko faha 22

1 Laha teo Davida nizaka ho:''Andeso gny hisy gny tragnon'i Yaveh Zagnahary, miaraky amy alitara ho agny fagnatisy oroan'Israely.'' 2 Koa nandidy reo mpanompony i Davida ba hisambory miaraky reo vahiny zay mony agny amy tanin'Israely. Nitendreny nereo ba ho mpamaky vato, ba hamaky reo vato hara, ba hanorena gny tragnon'Agnahary. 3 Nagnome vy maro be ho fasiky gny vatrangara ba ho eo amy fefy, dra amin'ereo vy fagnisian'i Davida . Nagnome vaeahina maro noho zay azo tarazo avo koa izy, 4 dra hazo sedera maro sy tambo isay .(Ninday hazo sedera maro be ho an'i Davida ba hisay reo Sidoniana vo reo Tyriana.) 5 Hoy Davida ho:''Solomona zanadahiko dra tanora sady sy manam-paheza , dra gny tragno ze tokony hamboary ho an'i Yaveh dra sy maisy mahatalazo, ba halaza vo ho voninahisy eo amin'ereo tany hafa aby. Koa hikarakara gny fagnavaha zay zaho.''Naho zay dra nanao fagnomana lahibe i Davida talohany nahafatesany. 6 Laha teo nitoka an'i Solomona zanany izy dra nandidy anazy hagnory tragno ho an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. 7 Hoy Davida tamin'i Solomona ho:''Ry zanako, fikasako gny hagnorenako tragno, ho agny agnaran'i Yaveh Zagnariko. 8 Kanefa Yaveh nagnato anahy dra nizaka ho:'Fa nandasaky lio maro dra fa nitalia aly maro ianao. Sy hagnory tragno ho agny agnarako ianao, satria fa nandasaky lio maro teto an-tany teo amasoko ianao. 9 Na dra zay avo, hana zanadahy raiky tia fihavana ianao. Hagnome anazy fiala-sasasy amin'ereo fahavalony aby amy lafiny aby zaho. Fa gny agnarany dra ho atao Solomona, dra hagnome anazy fiadana vo fahangina ho an'Israely amin'ereo androny zaho. 10 Hagnory tragno ho agny agnarako izy.Ho zanako izy, dra ho rany zaho. Hametraky gny seza fiandriany fazakany eo amin'Israely mandrakizay zaho.' 11 Amizao , ry zanako, homba anao se Yaveh dra hampahomby anao. 12 Hagnory gny tragnon'i Yaveh Zagnahariko se ianao, araky gny nizakany fa hataonao.Hagnome anao say vo fahazava-say avo koa se Yaveh, ba hankatoavinao gny lalan'i Yaveh Zagnaharinao, fa gny mametraky anao hiasa eo amin'Israely Izy. 13 Dra hahomby ianao, raha tia soa reo lalana vo reo didy zay nomen'i Yaveh tamin'i Mosesy mahakasiky gny Israely. Mahereza dra mana herim-po. Ka matahosy na kivy. 14 Dra m ingo, gny fihezahana lahibe zay fa nomaniko ho agny tragnon'i Yaveh zay taleta volamena 100.000. taleta volafosy raiky tapitisa, dra varahina vo vy maro be. Fa nagnome hazo vo vato avo koa zaho. Sy maisy hagnampy maromaro avo an'ereo aby reo ianao. 15 Mana mpiasa maro miaraky aminao ianao:Mpamaky vato, mpanao tragno, mpandrafisy , dra reo mpanoa asa-tagna mahay maro isan-karazany, 16 zay afaky miasa amy volamena, volafosy, varahina , dra vy.Ka atomboy gny asa, dra homba anao se Yaveh.'' 17 Nandidy reo mpitariky gny Israely aby avo koa Davida ba hagnampy an'i solomona zanadahiny, manao ho: 18 ''Momba andrareo Yaveh Zagnaharindreo dra fa magnome fiadana andrareo tamy lafiny aby . Fa nagnome reo mponiny farisy teto am-pelatagnako Izy. Milavo lefo eo anatrehan'i Yaveh vo gny olony gny farisy. 19 Amizao mitaliava an'i Yaveh Zagnaharindreo amy fondrareo aby vo gny fagnahindrareo aby .Misangana dra hahoregno gny toera masin'i Yaveh Zagnahary.Ka afaky minday gny tobiliny faneken'i Yaveh vo reo raha ze an'Agnahary ao an-tragno zay naory ho agny agnaran'i Yaveh iandrareo.'''