Toko faha 21

1 Nisy fahavalo raiky nisanga nanohisy an'Israely dra nandrisiky an'i Davida ba hagnisy gny Israely. 2 Hoy Davida tamin'i Joaba vo reo mpifehy gny tafiky ho:''Mandehana, isao gny vahoakin'Israely laha tao Beri-sheba ka hatragny Dana dra tatero aminahy.'' 3 Dra hoy Joaba ho:''Hampitombo abo zato heny gny tafiny se Yaveh. Kanefa ry tompoko gny mpazaka, moa sy manompo gny tompoko izy aby?Nanao akory gny mila anizay gny tompoko? Nanao akory gny minday heloky amin'Israely?'' 4 Kanefa tapisy gny zakany mpazaka amin'i Joaba. Koa dra lasa Joaba dra nandeha nanera an'Israely aby . Laha teo dra nihery tao Jerosalema izy. 5 Dra nitotin'i Joaba tamin'i Davida gny fitambarany isan'ereo lelahy mpialy.Nisy lelahy 1. 100 000 mita-sabata tao Israely. Joba avo gny nana miaramila 470 . 000. 6 Fa Levy vo Benjamina dra sy voaisa amin'ereo, satria nampagnelakelaky an'i Joaba gny baikony mpazaka. 7 Naha-tohy agn'Agnahary gny fihesiny, ka dra nanafiky an'Israely Izy. 8 Hoy Davida tamin'Agnahary ho:''Nanota maro be zaho tamy fanova anizay. Koa alao gny heloky gny mpanomponao, satria nanao andalam-be zaho.'' 9 Hoy Yaveh tamin'i Gada, mpaminanin'i Davida ho:'v 10''Mandehana zakao amin'i Davida ho:'zao gny ambaran'i Yavah:Omeko safily telo ianao. Misafiliana raiky amin'ereo.'' 11 Noho zay Gada dra nagnany amin'i Davida dra nizaka taminazy ho:''zao gny ambaran'i Yaveh :'Misafiliana raiky amy tahoky: 12 Mosary telo tao, sa telo vola hindrifin'ereo fahavalo vo trasiny sabatan'ereo, sa telo andro amy sabatan'i Yaveh, zay ho, areti-mandringa ao amy tany, miaraky amy azelin'i Yaveh mandrava manera gny tanin'Israely aby.'Koa amizao dra, tapao zay vali-zaka vatany ho andesiko agny amy nagniraky anahy.'' 13 Dra hoy Davida tamin'i Gada ho:''Ory loasy zaho. angao zaho holavo eo an-tagnan'i Yaveh manahaky ze eo an-tagnan'olo , satria tena lahibe gny famindram-pony.'' 14 Noho zay dra nandefa loza tamin'Israely i Yaveh , dra olo fito aly gny maty. 15 Nandefa azely tagny Jerosalema i Yaveh ba handrava anizay. Raha igny izy saiky handrava anazy igny, dra nagnety Yaveh dra nagnova gny fisaignany tamy rasy. Hoy Izy tamy azely mpandrava ho:''Ampy zay! Azanogny gny tagnanao.''Tamin'izay fotoa zay dra nisanga teo amy famoloan'i Araona gny Jebosita gny azelin'i Yaveh. 16 Nagnety agnabo Davida dra nahita gny azelin'i Yaveh nisanga teo agnelagnelany tany vo gny lagnisy , nisy sabasy voapotaky nanondro an'i Jerosalema tegny an-tagnany. Laha teo Davida vo reo loholo, nignisy akazo fandala , nampiankohoky gny tavan'ereo tamy tany. 17 Dra hoy Davida tamin'Agnahary ho:''Moa sy zaho gny nadidy gny hampiala reo tafiky?Nanao anizay raha rasy zay zaho. Fa reo agn'ondry reo, ino gny nataon'ereo?Ry Yaveh Zagnahariko!Ao gny tagnanao hamely anahy vo gny fianakaviako , fa ka anga hitoesy amy vahoakinao gny loza.'' 18 Dra nandidy an'i Gada gny azelin'i Yaveh ba hizaka amin'i Davida, fa tokony hiakasy vo hagnory alitara ho an'i Yaveh eo amy famoloan'i Araona gny Jebosita i Davida. 19 Noho zay dra lasa niakasy Davida araky gny toromariky nasain'i Gada nataony amy agnaran'i Yaveh. 20 Raha bo nandisa vary i Araona, dra nitoliky izy dra nahita gny azely. Dra nivony izy reo vo reo zanadahiny efasy. 21 Gny fa avy tagny amin'i Araona i Davida, dra nagnety Araora dra nahita an'i Davida. Nagnenga gny famoloa izy dra napekohoky gny tavany tamigny tany teo amin'i Davida. 22 Dra hoy Davida tamin'i Araona ho: "Avaroty aminahy ty famoloa tihoky, ba hafahako magnory alitara ho an'i Yaveh. Haloako gny valiny feno, ba hiala amigny vahoaky gny loza." 23 Hoy Arona tamin'i Davida ho: "Alao ho anao zay, ry topoko gny pazaka. Atovy aminazy ze hitanao fa soa eo amasonao. Ingo, hagnome agnomby ho anao ho fagnatisy oroa zaho, gny fivelesam-bary ho hita, dra gny vary ho fagnatisy vao; hameko anao avokoa zay." 24 Dra hoy Davida pazaka tamin'i Araona ho: "Aha, mihizingizy hivily anizay amigny valiny feno zaho. Sy hangalaky anizay hanao vo hanolosy anizay ho fagnatisy oroa amin'i Yaveh zaho raha ameo anahy fosiny zay. 25 Noho izay dra nandoa enizato sekely volamena ho anigny toera i Davida. 26 Nagnory alitara ho an'i Yaveh teo Davida dra nanolosy fagnatisy oroa vo fagnati-pihombogna teo amizay. Nitoka an'i Yaveh izy, ze namaly anazy tamigny alitara fagnoroa gny fagnatisy oroa. 27 Boak'eo Yaveh nagnome baiko anigny azely, dra nagnery gny sabany tao amigny fitoerany gny azely. 28 Fa gny hitan'i Davida fa namaly anazy teo amy famoloan'i Arona gny Jebosita i Yaveh, dra nanao gny soro teo izy tamin'io fotoa io avo. 29 Dra tamin'izay fotoa zay, gny tabernakelin'i Yaveh, zay nataon'i Mosesy tagny an'efisy , vo gny alitara ho agny fagnatisy oroa, dra tagny amin'ereo tany abo tany Gibeona. 30 Kanefa, sy afaky nandeha tagny ba hangataky gny tari-dalan'Agnahary i Davida , satria natahosy gny sabasy gny azelin'i Yaveh izy.