Toko faha 20

1 Dra tamigny fotoanigny lohatao, fotoa andehananigny pazaka agny agnaly raha gny tokony ho izy, gny nitarihan'i Joaba gny tafiky ho amigny aly vo nandravany gny tanin'ireo Amonita. Lasa izy dra nanao fahirano an'i Raba. Nizano tao Jerosalema i Davida. Dra nanafiky an'i Raba dra nandresy anizay i Joaba. 2 Nalan'i Davida hiala amigny lohany gny sotro-boninahisy gny pazakan'ereo, dra hitany fa taleta volamena raiky gny lazan'izay, dra nisy vato sarobily tao amizay. Natobiny teo an-dohan'i Davida gny satro-boninahisy, dra naboany reo babo maro ze tao atana. 3 Naboany gny olo ze tao atana dra nitereny hiasa miaraky amigny sofa vo fangao-by dra famaky ereo. Davida dra nangataky reo tananigny vahoakin'i Amona aby ba hanao anizay asa zay. Boak'eo nihery tagny Jerosalema i Davida vo gny tafiky aby. 4 Tafaran'izay dra nisy aly niaraky tamireo Filistina tao Gazera. Nivonon'i Sibekay gny Hosatita i Sipay, raiky amireo taranaky gny Refaita, dra resy reo Filistina. 5 Dra nisy aly niaraky tamireo Filistina ndraiky tao Goba, dra gny vonon'i Elanana zanadahin'i Jaira gny Betlehemita i Lamy rahalahin'i Goliata gny Gatita, gny soro-kazonize nana lefo dra manahaky gny voli-tenonigny panenona. 6 Dra nisy aly raiky hafa ndraiky tao gata ze nisy lelahy lava lahibe nana rasa-tagna enina isany gny tagnany dra rasa-tomboky enina isaky gny tombony. Izy avo koa dra avy amigny taranaky gny Refaita. 7 Gny fa nanirasira gny tafik'Israely izy, dra nivonon'i Jehonadaba zanadahin'i Simea, rahalahin'i Davida. 8 Reo gny taranaky gny Refaita boak'ao Gata, dra matinigny tagnan'i Davida vo gny tagnan'ireo maramilany ereo.