Toko faha 2

1 Tahoky aby reo zandahin'Israely:Robena, Simeona, Levy, Joda, Isakara, Zebolona, 2 Dana, Josefa, Benjamina, Naftaly, Gada, dra Asera. 3 Reo zandahin'i Joda dra i Era, Onana, dra Sela, zay nateriny tamy zanakapelan'i Batsoa, gny Kananita. Era lahimatoan'i Joda, dra rasy fagnahy teo amason'i Yaveh, dra nivonon'i Yaveh izy. 4 Tamara, vanatony ampela, niteraky an'i Fareza vo Zera taminazy.Nana-janaky lahy dimy i Joda. 5 Hezrona vo Hamola gny zandahin'i Fareza. 6 Reo zanadahin'i Zera koa dra Zimry, Etana, Hemana, Kalkola, dra Dara, dimy gny fitambarany. 7 Gny zandahin'i Kaemy dra i akara, zay ninday fikoron-tanagna teo amin'Israely fa gny namgalasy zay voatoka ho agn'Agnahary izy. 8 Azaria gny zandahin'i Etana. 9 Jeramela, Rama, dra Kelobay gny zanadahin'i Hezrona. 10 Rama niteraky an'i Aminadaba, dra Aminadaba niteraky an'i Nasona, mpitariky raiky eo amin'ereo taranak'i Joda. 11 Nasona niteraky an'i Salma, dra Salma niteraky an'i Boaza. 12 Boaza niteraky an'i Obeda, dra Obeda niteraky an'i Jese. 13 Jese niteraky an'i Eliaba lahimatoany, i Abinadaba faharo, Simea fahatelo, 14 Netanela fahafasy, Raday fahadimy, 15 Ozema faheny, dra Davida fahafito. 16 abigaila vo i Zeroba gny anabavin'izy reo. Abisay, Joaba, dra Asahela, telo mirahalahy gny zanadahin'i Zeroba. 17 Abigaila niteraky an'i Amasa, zay Jitra gny Ismaelita gny rany. 18 Kaleba zanadahin'i Hezrona niteraky zanaky laha tamin'i Azoba, valiny, vo tamin'i Jeriota.Jasera, Saboba, dra Ardona gny zanadahiny. 19 Maty Azoba, dra nalan'i Kaleba ho valy i Efrata, zay niteraky an'i Hora taminazy. 20 Hora niteraky an'i Ory, dra niteraky an'i Bezalila. 21 Tafarafara kely Hezrona ( Fa gny animpolo tao izy)dra nampakasy gny zanakapelan'i Makira, ran'i Gileada.Niteraky an'i Segoba taminazy izy. 22 Segoba niteraky an'i Jaira, zay nifehy tana telo amby ropolo tao amy tanin'i Gileada. 23 Nalan'i Gesora vo Arama gny renovohisin'i Jaira vo Kenata, bamin'ereo renivohisy enipolo magnodify.Samy taranak'i Makira,ran'i Gileada avo koa reo mpony aby reo. 24 Tafarany nahafatesan'i Hezrona, dra nandry niaraky tamin'i Efrata, valin'i Hezrona rany i Kaleba.Niteraky an'i Asora, ran'i Tekoa taminazy ziy. 25 Dra reo zanadahin'i Jeramela , gny lahimatoan'i Hezrona, dra i Rama gny lahimatoa, Bona, Orena, Ozema, dra Ahia. 26 Bo nana valy hafa koa i Jeramela, zay Atara gny agnarany.Izy gny ranin'i Onama. 27 Reo zanadahin'i Rama, gny lahimatoan'i Jeramela, dra i Maza, Jamina, dra Ekera. 28 Samay vo Jada gny zanadahin'i Onama.Nadaba vo i Abisoro gny zandahin'i Samay. 29 Gny agnarany valin'i Abisora dra Abihaila, dra niteraky an'i Abana vo Molida taminazy izy. 30 Saleda vo Apaima gny zanadahin'i Nadaba, fa i Saleda koa dra maty sy nana-janaky.Jisy gny zanadahin'i Apaima. 31 Sesana gny zanadahin;i Jisy.Ahelay gny zanadahin'i Jada, rahalahin'i Samay, dra Jatera vo Jonatana.Maty sy nana-janaky i Jatera. 33 Paleta vo zaza gny zanadahin'i Jonatana. Reo gny taranak'i Jeramela. 34 Dra Sesana sy nana-zanaky lahy, fa zanakapela avo.Nana mpanompo o Sesana, zay Egyptiana, jara gny agnarany. 35 Nomen'i Sesana ho an'i Jara mpanompony gny zanakapelany ba ho valiny. Niteraky an'i Atahy taminazy izy. 36 Atahy niteraky an'i Natana, dra Natana niteraky an'i Zabada. 37 Zabada niteraky an'i Efiala, dra Efiala niteraky an'i Obeda. 38 Obeda niteraky an'i Jeho, dra Jeho niteraky an'i Azaria. 39 Azaria niteraky an'i Haleza, dra Haleza niteraky an'i Elasa. 40 Elasa niteraky an'i Sismay, dra Sismay niteraky an'i Saloma. 41 Saloma niteraky an'i Jekamia, dra Jakamia niteraky an'i elisama. 42 Reo zandahin'i Kaleba, rahalahin'i Jeramela, dra Mesa lahimatoany, zay Razambeny agny Zifa.Gny zanadahiny faharo, Maresa, gny razambeny agny Hebrona. 43 Kora, Tapoa, Rakema, dra Sema gny zanadahin'i Hebrona. 44 Sema niteraky an'i Rahama, ran'i Jorkeama. Rakema niteraky an'i Samay. 45 Maona gny zanadahin'i Samay, dra Maona gny razamben'i Beti-zora. 46 Efaha, vadisindranon'i Kaleba, niteraky an'i Harana, Moza, dra Gazeza. Dra Harana niteraky an'i Gazeza. 47 Ragema, Jotama, Gesana, Paleta, Efaha, dra Safa gny zanadahin'i Jeday. 48 Maka, vadisindranon'i Kaleba, niteraky an'i Sabera vo Tirana.Niteraky an'i Safa razambeny agny Madmana, Seva razambeny agny Makbena vo razambeny agny Gibea avokoa izy. 49 Gny zanakapelan'i Kaleba dra i Aksa.Reo gny taranak'i Kaleba. 50 Tahoky aby gny zanadahin'i Hora, lahimatoany avy tamin'i Efrata:Sobala razambeny agny Kiriata-Jearima, 51 Salma razamben'i Betlehema, dra Harefa razambeny agny Beti-gadera. 52 Sobala razambeny agny Kiriata Zarima dra nana taranaky :Haroe,gny asasaky gny vahoaky Hamenakota, 53 dra reo fokon'i Kiriata Zarima:dra reo Jitrita, Potita, Somatita, dra Misraita.Reo Zoraita vo Estaolita dra taranaky avy amin'ereo. 54 Tahoky magnaraky tahoky gny fokon'i Salma:Betlehema, reo Netofatita, Atrota Beti-Joaba, dra gny asasak'ereo Hamanatita-reo Zoraita, 55 reo fokon'ereo mpanora-dalana zay nony tagny Jabeza dra :reo Tiratita, Simeatita, dra gny Sokatita.Reo Gny Kenita zay taranaky laha tamin'i Hamata, razamben'ereo Rekabita.