Toko faha 19

1 Dra taty afara dra maty Nahasy, pazakanigny vahoak'i Amona, dra gny zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany. 2 Hoy Davida ho: "Haneho hasoa-fagnagny amin'i Hanona zanadahin'i Nahasy zaho, akory naneho hasoa-fagnahy taminahy gny rany." Dra nandefa iraky i Davida ba hapionon'anazy mahakasiky an-drany. Nilisy tagny amigny taninigny Amonita reo panopon'i Davida dra nagnagny amin'i Hanona, ba hapionon'anazy. 3 Saiky hoy reo andrian-dahy Amonita tamin'i Hanona ho: "Mieriserisy ra hanao fa magnome voninahisy gny ranao i Davida akory nagniraky reo panopony ba hapahery anao? Moa sy avy eto aminao reo panopony ba hisafo vo hagnety gny tany ba handrava anizay?" 4 Ko dra nanambosy reo panopon'i Davida i Hanona, nandrisy anereo, nanapaky reo akazon'ereo hatreo amigny valahany, hatreo amigny foto-pen'ereo, dra nandroaky anereo. 5 Gny fa nihazavan'ereo tamin'i Davida zay, dra nagniraky hiseza anereo izy, akory afa-baraka tateraky reo lalahy. Hoy gny pazaka ho: "Mizanogna ao Jeriko mandra-pisirianigny volombavandrareo ndraiky, dra miheregna boak'eo." 6 Gny hitan'ireo Amonita fa lasa mafais'olosy tamin'i Davida ereo, dra nandefa taleta volafosy arivo i Hanona vo gny Amonita ba hagnarama kalesy Syriana vo pitikisy sovala boak'amin'i Naharaima, Maka, dra Zoba. 7 Nagnarama anereo kalesy roarivo vo telo aly gny pazakan'i Maka vo gny vahoany, ze avy nitoby teo anoloan'i Medeba. Nivory tagny amireo tanany reo Amonita, dra niboaky ho amigny aly. 8 Gny fa nahare anizay i Davida, dra nagniraky an'i Joaba vo gny tafiny manotolo izy ba hihao amin'ereo. 9 Niiboaky gny vahoak'i Amona dra nilahasy ho amigny aly teo amigny saka reo pazaka ze avy. 10 Gny fa hitan'i Joaba gny aly nagnatriky anazy sady teo aloha teo afara, dra nifaty gny ilany tamireo pialy mahay indrindra teo amin'Israely izy dra nandahasy anereo hanohisy reo Syriana. 11 Raha gny amireo tafiky ambiny, dra nameny ho eo ambany fandidian'i Abisay rahalahiny zay, dra nalahany ho amigny aly hanohisy gny tafik'i Amona ereo. 12 Hoy Joaba ho: "Raha hoasy mahery loasy honahy reo Syriana, dra hanao, ry Abisay, gny sy maisy mamozy anahy. Fa raha fatrasy loasy aminao koa gny tafik'i Amona, dra ho avy hamozy anao zaho. 13 Mahereza, dra aoko isika haneho gny vatasika vo ho an'ireo tananigny Zagnaharisika, fa hanao soa ho anigny tazony Yaveh." 14 Ko dra niroso ho amigny aly i Joaba vo reo maramila tafiny ba hanohisy reo Syriana, ze voatery nienga teo agnatrehanigny tafik'Israely. 15 Gny fa hitanigny tafik'i Amona fa nienga reo Syriana, dra nienga an'i Abisay rahalahin'i Joaba avo koa reo dra nihery tagny atana. Boak'eo nihery boak'agny amigny vahoak'i Amona i Joaba dra noly tagny Jerosalema. 16 Gny fa hitan'ireo Syriana fa resin'Israely ereo, dra nandefa fagnapikery boak'agny andafinigny Ony Eofrata ereo, niaraky tamin'i Sofaka gny pifehy gny tafik'i Hadarezera. 17 Gny fa nizaka anizay i Davida, dra namory gny Israely aby izy, nisaky an'i Jordana, dra avy teo amin'ereo. Nandahasy gny tafiky ho amigny aly hanohisy reo Syriana izy, dra nialy taminazy ereo. 18 Nienga an'Israely gny Syriana, dra i Davida namono pitikisy kalesy Syriana fito arivo vo maramila pandeha atomboky efas'aly. Nivonony avo koa i Sofaka, gny pifehy gny tafiky. 19 Gny fa hitan'ireo pazaka aby ze panopon'i Hadarezera fa takarin'Israely ereo, dra nihava tamin'i Davida ereo dra nanopo anereo. Dra sy magniry gny hagnapy reo Amonita sasy gny vahoak'i Syria.