Toko faha 18

1 Tafaranizay Davida dra nanafiky gny Filistina dra nandresy anereo. Nalany teo amigny fifehezanigny Filistina i Gata vo gny tanany. 2 Dra nandresy an'i Moaba izy boak'eo, dra lasa panopon'i Davida gny Moabita dra nandoa hetra taminazy. 3 Dra resin'i Davida i Hadarezera, pazakan'i Zoba tao Hamata, raha bo nandeha ba hametraky gny lalany teo amoronigny reniranon'i Eofrata i Hadarezera. 4 Nanambosy kalesy arivo, vo pitikisy sovala fitorivo, dra pandeha atomboky roaly i Davida. Nitraingon'i Davida reo sovalanigny kalesy aby, fa nanoka ze mahapy kalesy zato izy. 5 Nony avy ba hagnapy an'i Hadarezera pazakan'i Zoba reo Syriana boak'agny Damaskosy, dra namono lelahy Syriana roarivo sy roaly Davida. 6 Boak'eo dra nametraky maramila tagny Syriana Damaskosy i Davida, dra lasa panopon'i Davida gny Syriana dra nandoa hetra taminazy. Namen'i Yaveh fandresen'i Davida na teza na teza nandehanany. 7 Nalan'i Davida reo apinga volamena aby tegny amigny panopon'i Hadarezera dra nizaka tagny Jerosalema. 8 Tagny Tibata vo Kona, tanan'i Hadarezera, dra nangalaky varahy maro i Davida. Izay varahy zay gny nanovan'i Solomona gny ranomasim-barany, gny andry, vo gny fitova varahy taty afara. 9 Nony ren'i Toy, pazakan'i Hamata, fa resin'i Davida gny tafik'i Hadarezera pazakan'i Zoba aby, 10 dra nalefan'i Toy tagny amin'i Davida i Hadorama zanadahiny ba hiarahaba vo hisaosy anazy, akory Davida nialy yamin'i Hadarezera vo nandresy anazy, dra akory nananga aly tamin'i Toy i Hadarezera. Dra Hadorama dra ninday raha vita tamigny volafosy, volamena, dra varahy niaraky taminazy. 11 Natokan'i Davida pazaka ho an'i Yaveh reo raha reo, niaraky tamigny volafosy vo volamena ze nandesiny boak'amigny firenena aby: Edoma, Moaba, gny vahoak'i Amona, reo Filistina, dra gny Amalekita. 12 Namono Edomita valo arivo vo raialy i Abisay zanadahin'i Zeroia tao amigny Lohazaka-sira. 13 Nametrahany maramila tao Edoma, dra lasa panopon'i Davida reo Adomita aby. Namen'i Yaveh Fandresena i Davida na teza na teza nandehanany. 14 Nazaka teo amin'Israely aby i Davida, dra napihasy gny rariny vo gny fahamarigna tamigny vahoany aby izy. 15 Joaba zanadahin'i Zeroia gny pifehy gny tafiky, dra Josafata zanadahin'i Ahiloda gny pita-sorasy. 16 Zadoka zanadahin'i Ahitoba vo Abimeleka zanadahin'i Abiatara gny pisoro, dra Saosa gny panora-dalana. 17 Benaia zanadahin'i Joiada gny nifehy reo Keretita vo Peletita, dra reo zanadahin'i Davida gny panolosay mitariky gny pazaka.