Toko faha 5

1 Ary izao gne zava-nisy, laha nilagno nagnodidy en’i Jesosy gn’olo ary niteno gne zakan’Andriamanitry da nitsanga tamorone farihin’i Genesareta Izy. 2 Nahita sambokidy roy nijano tamorone farihy Izy. Efa nijotso tao gne manjono ary nanasa gne haratondreo. 3 Niditry tame raiky tame sambokidy i Jesosy ary da gnan’í Simona izà, ary nangataky enazy mba handefa eniza ategnategnan-drano. Ary avy teo Izy da nidoboky ary nampianatry gn’olo ivelane sambokidy. 4 Laha tapitry gne zakany tamindreo da nikora tam’í Simona Izy hoe: « indeso ame ranolaly gne sambokidy ary halatsay gne haratonao mba ahazoanao laoky andrano». 5 i Simona namaly enazy hoe : « Tompo ô, efa niasa iahay lahaly fa tsy nahazo n’ino n’ino, kanefa nohone zakanao, da halatsakiko itoa harato toa». 6 Laha namboarindreo izà da nahazo laoky andrano maro indreo, ary da nanimba gne haratondreo aby izà. 7 Nagnano fihetsiky tame namandreo tagnatine sambokidy raiky hafa indreo satria indreo da tokony hoavy ary agnampy endreo. Ka avy indreo ary nahafeno gne sambokidy roy, ka nanomboky nilentiky indreo. 11 18 y lelah sasany avy, ninday lelah raiky tame fandria, izay voane paralisisa, ary nitadia lalan-kevitry indreo am’gne hampidira anazy ao agnatiny mba hagnapetraha anazy agnoloan’i Jesosy. 19 Tsy nahita fomba napidira anazy indreo satria da maro gne vahôky, noho izà da namonjy gne tompon-tragno indreo ary napidigny avy tame tafo-tragno gne fandria nisy enizà lelah narary zà, teo ategnategnan’olo, teo agnoloan’i Jesosy. 12 Da niboda izao tranga izao laha ambola tame raiky tame tanà maro tao i Jesosy, da nisy lelah boka raiky teo. Laha nahita an’i Jesosy izà da nandohaliky taminazy ary nangataky nagnano hoe: «Tompo, raha mba mety aminao, da diovo ià». 13 Ary da nagnatatry gne tagnany i Jesosy ary nikasiky enazy, nizaka hoe: «mety ià. Madiova». Teo no ho eo da niala taminazy gn’aboka. 14 Norarany izy mba hitazo eniza ho tsambara-telo na amin’iza na amin’iza, fa nozakainy taminazy hoe: «Toizo gne lalanao, mibodagna ame mpisorona ary magnomeza sorogny ho ane fagnadiova anao, araky gne nandidian’i Mosesy, mba ho fijoroa vavolombelo amindreo». 15 Kanefa gne tatitry mikasiky enazy da tena efa niparitaky, ary vahôky marobe gne niray avy mba hiteno anazy mampianatry ary mba ho salama am’gne aretindreo. 16 kanefa matetiky izy da nandeha tagny agn’efitry ka nivavaky. 17 Ary andro raiky tame fotoa napenarany, da nisy Fariseo sy mpampianatry lalàgna nidoboky teo izay samby mana gne fevisany ao ame faritry Galilia sy Jodia, ary avy tame tanàn’ny Jerosalema evakoa. Gne herin’ny Tompo gne tao aminazy mba hagnafaky. 18 Ary lelah sasany avy, ninday lelah raiky tame fandria, izay voane paralisisa, ary nitadia lalan-kevitry indreo am’gne hampidira anazy ao agnatiny mba hagnapetraha anazy agnoloan’i Jesosy. 19 Tsy nahita fomba napidira anazy indreo satria da maro gne vahôky, noho izà da namonjy gne tompon-tragno indreo ary napidigny avy tame tafo-tragno gne fandria nisy enizà lelah narary zà, teo ategnategnan’olo, teo agnoloan’i Jesosy. 20 Laha nahita gne finoandreo, da hoy Jesosy hoe: «Eh! Ralelah, voavela gn’helokao». 21 Nanomboky nagnontany gne mpanoratry lalàgna sy gne Fariseo hoe: «Ia me izà mizaka ratsy zà? Ia gne afaky mamela gne fahota afa tsy gne Andriamanitry raiky evao?» 22 Fa i Jesosy, nahafatatry gne noeritreretindreo, da namaly ary nizaka tamindreo hoe: «nagnino enareo è magnontany en’izà agnatine trokinareo? 23 ino gne mora rohony kokoa: «voavela gn’helokao» sa gne mizaka hoe «mitsangana ary mandiana»? 24 kanefa mba hahafantaranareo fa gne zanak’Olo da manam-pahefa hamela heloky eto ambony tany, da rohoniko aminao, mitsangana, indeso e fandrianao ary mandiana andragnonareo agny». 25 Teo no ho eo da nitsanga tagnatrehandreo teo izy ary nangala gne fandria natoriany. Avy teo da nody izy ary nagnome voninahatry gn’Andriamanitry. 26 Gaga aby e be sy ny maro ary nagnome voninahatry gn’Andriamanitry indreo. Feno tahatry indreo, nizaka hoe: «nahita raha nahagaga itsika tandroany». 27 Tafaran’izà tranga zà da niala teo i Jesosy ka nifankahazo tame mpandagno hetra raiky atao hoe Levy, nidoboky tame tragnone mpamory hetra. Nizaka taminazy Izy hoe: «Magnaraha anah». 28 Da nitsanga i Levy ka nagnaraky enazy, sady nagnapetraky gne raha naniny aby. 29 Da nagnano fagnasà zakabe tandragnony tao ho an’i Jesosy i Levy. Maro gne mpandagno hetra sy gn’olo hafa niray nidoboky ary nindray nihina taminazy. 30 Kanefa gne Fariseo sy gne mpanoratry lalàgna da nitaraigny tame mpianatriny, ka nizaka hoe: «Nahoa enao gne miray mihina sy misotro ame mpandagno hetra sy ame gn’olo mpanota?» 31 Novalian’i Jesosy indreo hoe : «Tsy mitadia dokotera gn’olo salama ; fa gne marary evao. 32 Tsy avy hangaiky gn’olo marigny ho ame fibebaha ià, fa hangaiky gne mpanota ho ame fibebaha». 33 Da hoy indreo taminazy se : «gne mpianatr’i Jaona da matetiky mifady hany sady mivavaky, ary gne mpiantry gne Fariseo da magnano akoiza koa. Kanefa gne mpianatrinao da mihina sady misotro». 34 I Jesosy nizaka andreo hoe: «Izy mesa kô misy olo mahavita mampifady hany gne havane mpampakatry laha ambola andragno ao gne mpampakatry ? 35 fa ho avy gn’andro izay hangala gne mpampakatry amindreo, ary amzà andro zà, da hifady hany indreo». 36 Da nandray ohatry ho andreo i Jesosy : «tsy misy olo mandrivatry tapadamba avy ame lamba vao ary hagnanoa takobarabo gne lamba kotra. Laha magnano enzà izy, da hamilavila gne lamba vao, ary gne tapadamba avy tame lamba vao da tsy hitovy ame lamba kotra. 37 Tsy misy olo magnisy divay vaovao agnatine siny hoditry tonta. Raha magnano enzà izy, da handrivatry gne hoditry gne divay vaovao, ary da ho very gne divay, ary da ho samba gne siny hoditry. 38 fa gne divay vaovao da tsy maintsy hahisy agnatine siny hoditry vaovao. 39 tsy misy olo avy nisotro gne divay taloha ka hagniry gne vaovao, fa hoy se: «gne taloha gne tsara»».