Toko faha 8

1 Fa i Saoly kosa da nagneky gne fahafatesany. Ka nanomboky teo gne fagnenjeha zakabe teo amè fengona tao Jerosalema. Gne mpino marobe da niparitaky nagnodidy gne faritry Jodia sy Samaria afa tsy gne apostôly. 2 Fa gne lehilahy natahatry an' Andriamanitra da nandevy an'i Stefana sady nihira gne hira fiderà ho anazy. 3 Fa i Saoly koa sa tam'zay da nanimba gne fengona maro tao; nitety tragno maro izy ka nalainy gne lehilahy sy gne viavy ary da nogadràny tagny amè tragno figadrà. 4 Fa gne mpino niparitaky tegny magnodidy tegny koa da lasa nitori-teny. 5 I Filipo tamin'izay nidigny tagny Samaria ary nitory an' i Jesosy Kristy tamindreo. 6 Raha vao nahita sy naharè gne famatara nampianarin'i Filipo gne vahoaka marobe tao, da lasa nilamy say indreo niteno gne raha nampianariny. 7 Gne devoly nahazo andreo da niala tsy nangatak'andro niaraky amè feo mafy be, ary gne biko sy gne marary tao aby koa da sitragny. 8 Noho izany da nisy afalia zakabe vaovao tamnio tanà io. 9 Fa nisy koa lehilahy raiky angiandreo amin'gn' agnara hoe Simona taminio tanàmbè io, izay mbola tselatsela gne nitazomany gne Azary na Moara tao aminazy; kaperatry gne vahôka tao Samaria tamin'azy raha mizaka izy fa olo mana gne maha izy enazy. 10 Gne Samaritana nipetraky tamè tanà teo aby, nanomboky amè koboty kidy ka atramin'gne mavozo, da nieky anazy aby ary da niteno gne zakany; ary hoy indreo hoe: "Io lehilahy io da tsy iza fa gne fahefàn' Andriamanitra izay lalatsika am' gne agnara hoe Ambony indrindra". 11 Notenomindreo zaka izy satria da nagakàky indreo nandritry gne fotoa ela tamè fanagnany Azary sy Moara. 12 Fa rehefa nino an' i Filipo kosa indreo noho izy nitory gne baiboly mikasiky gne fanjakan' Andriamanitra sy gn'agnaran'i Jesosy Kristy, da lasa natao batisa indreo na gne viavy na gne lehilahy. Ndre da i Simona aza da nagneky tokôtry, 13 ary tafaran' gnè nagnamboara batisa anazy da niaraky tam'i Filipo. Rehefa hitany gne famantara sy gne karazan'asa mahagaga maro niseho tegny da nangakàky teo izy. 14 Ary rehefa naharè gn'Apostôly tao Jerosalema fa nino gne zakan'Andriamanitry gn'olo tao Samaria, nagniraky an'i Petera sy Jaona indreo andeha tagny. 15 Rehefa lasa izy roy lahy da nivavaky ho andreo gne Apostôly sisa mba andraisandreo gne Fagnahy Masy. 16 Fa mandrampahavin'izany fotoa izany, da mbola tsy nandray gne Fanahy Masy mihitsy indreo, fa vita baitsa tamin'gnè agnaran'i Jesosy Tompo fotsiny. 17 Rehefa avy i Petera sy Jaona, nametra-tàgna tamindreo ka nandray gne Fanahy Masy indreo. 18 Ary rehefa hitan'i Simona fa gne Fagnahy Masy da natolotry tampelatagnan'gne Apostôly tamin'gnalalan'gne fametrà-tagna, da nagnazotso vola izy ka nomeny andreo. 19 Sady hoy izy hoe: "Omeonareo anà koa izany fahefà zany, ka izay olo hametrahako tagna da afaky mandray gne Fagnahy Masy koa." 20 Fa hoy i Petera tamin'azy hoe: "Ho maty miaraky aminao gne volafotsinao, satria anao nieritreritry gne ahazo gne fahefàn'Andriamanitra amin'gnè vola. 21 Tsy mana tandrify am'zany anao satria gne fònao da tsy marigny eo akatrefan'Andriamanitra. 22 Noho izany, mibebaha eky amin'gne faharatsiano, ary mivavaha amè Zagnahary sao mba mety hamela gne nofinofinao Izy. 23 Fa iaho kosa da mahita fa anao da vôvosavin'gne lolom-po sy vôfehin'gne fahotà". 24 Fa i Simona namaly sy nizaka taminazy hoe: "Mivavaha ho anà amin'i Tompo mba ts'andaitry gne raha nozakainao teo." 26 Nisy anjelin' i Tompo nikorà tamin'i Filipo sady nizaka hoe: "Mitsangàna ary mandehana agny atsimon-dàla midigny avy agny Jerosalema mandeha agny Gaza". 27 Lasa nitsanga izy ary nandeha. Tsitapitapitr'zany, nisy lehilahy raiky avy agny Etiopia, olo tandapan' i Kandasy, mpanjaka viavin'gne Etiopiana. Izy gne mpandidy sy mpanapaky gne harena nisy tao. Avy lasa tagny Jerosalema koa izy mba hidera. 28 Ary nody izy avy teo ka nipetraky tambonin'gne kalesiny ary namaky gne boky nosoratan' i Isaia mpaminany. 29 Ary ilay Fagnahy nizaka tamin'i Filipo hoe: "Mandehana ary ka miala lavitry an'io Kalesy io." 30 Lasa niazakazaky nagnato anazy izy, ary naharè azy namaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ary nizaka hoe: "Mba azonao gne dikan'io raha vakinao io?" 31 Nizaka ity Etiopiana nagnano hoe: "Akôry gn' ahafantarako raha tsy misy olo mitari-dala anà?" Niangavy an'i Filipo izy mba agnato gne kalesa ary hipetraka eo ambony. 32 Ary gne soratra Masina novakin'ity Etiopiana ity da nizaka hoe: "Nindesy novonoy mitovy amè ondry izy, ary mitovy amè zanak'ondry moha eo akatrefan'ny mpihety anazy, noho izany da tsy nagnano vava izy. 33 Fa tamè fotoa nangalà-baràka anazy da nalà taminazy gne marigny. Araka izany, Ia gn'afaky hanoro mazava gne taranakiny? Noho gne ainy novonoy teto ambony tany." 34 Noho izany da nagnotany an'ity mpanjaka i Filipo nizaka hoe: "Miangavy aminao aho, olo iza gne koragnin'io mpaminany io, izy vatany sa olo afa?" 35 Nanomboky teo nizaka i Filipo ary nanomboka tamin'izany soratry Masy izany gne nitoriany gne baiboly momba an'i Jesosy taminazy. 36 Rehefa tegny an-dala indreo, nagnato toera misy rano, ary hoy ity tandapa ity tam' Filipo hoe:" Itoa misy rano. Ino gne sakagny tsagnamboara batisa anà?" 37 ( Fagnamaria: "Raha mino amè fònao rehetra anao da afaka atao batisa." Hoy ity Etiopiana tandapa namaly hoe: "Mino aho fa i Jesosy Kristy gne Zanak'Andriamanitra.") 38 Nasain'ity Etiopiana najano gne kalesy. Nidigny tan-drano indreo ka nagnano batisa azy i Filipo. 39 Rehefa niakatry am-botry in-dreo, noentin'gne Fanahin'i Tompo i Filipo ka tsy hitan'ity tandapa 'ty koa, fa izy kosa lasa nandeha niaraky amè fò feno haravoa. 40 Fa i Filipo lasa nandeha niseho tagny Azota ary nitety gne faritry magnodidy io tanà io nitory gne vaovao mahafaly eraky gne tanam-bè rehetra mandra-pahatongavany tagny Kaisaria.