Toko faha 2

1 Nohon'gne tonga gne andron'gne Pantekosta, nivavaky tamè toerany raiky izy indreo agnaby. 2 Tampoky teo avy latan-danitra nisy feo mitovy amin'gne rivotra mahery nifofofofo, ary nameno gne trano manontolo izay nidoboandreo izà. 3 Nisy afo mitovy amè lela maro izay nizarazara, ary nidoboky teo ambonindreo tsirairay avy. 4 Izy rehetra da feno gne Fanahy Masina ary nanomboky nizàka tamè fizàka maro samy hafa, araky gne nomen'gne Fanahy Masina hizàkandreo. 5 Ary nisy Jiosy izay nipetraky tao Jerosalema, olon'Andriamanitry, avy amè firenegny rehetra ambanin'gne lanitra. 6 Rehefa naharè izà feo izà, da tonga niaraky ireo vahoaka sady sahiran-tsaina satria gne tsirairay da samy naharè andreo nizàka tamè fizàkany agnaby. 7 Indreo da gaga; nizàka hoe: "Marina, fa tsy indreo rehetra mizàka io gne Galiliana? 8 Naoa gne maheno andreo isika, amè fizàkantsika tsirairay avy izay naha be antsika? 9 Partiana sy Mediana ary Elamita, ary indreo izay midoboky agny Mesopotamia, agny Jodia sy Kapadokia, agny Ponto sy Asia, 10 Frygia sy Pamfylia, agny Egypta ary Libya hatrany amin'i Kyrena, ary indreo mpitsidika avy agny Roma, 11 Jiosy sy Proselyta, Kretana sy Arabo, da rentsika mikorà amè fizàkantsika momba gne asa zakabe ataon'Andriamanitra." 12 Indreo da gaga sady sahiran-tsaina; ary nifampizàka indreo hoe: "Ino gne dikan'izà?" 13 Fa gne sasany nagnabarabara sady nizàka hoe: "Indreo da mamon'gne divay vaovao." 14 Fa i Petera nitsanga niaraky tamindreo iraik'ambin'ny folo, nampiakatry gne feony, ary nagnambara tamindreo hoe: "Ry lehilan'i Jodia sy anareo rehetra izay midoboky eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, tandremo ireo zakàko. 15 Ho anign'olo tsy mamo araky izay heverindreo, fa vao ora fahatelo amè andro izao. 16 Fa izao ilay voazàka tamin'i Joela mpaminany: 17 'Amè andro farany,' Andriamanitry mizàka hoe: 'Halatsako amè olo rehetra gne Fagnahiko. Ireo zanakareo lahy sy viavy da haminagny, gne zatovondreo da hahita fahità, ary gne rangahindreo hagnonofy nofy. 18 Toy izà koa gne amindreo mpagnompoko lahy sy mpanompoko viavy amin'ireo andro ireo. Halatsako gne Fagnahiko, ary indreo da haminagny. 19 Izao da hampiseho zava-mahagaga egny amè lanitra ambony sy famantaragny egny amè tany ambany, rà, afo, ary tobobo setroka. 20 Gne masoandro da lasa haizina ary gne volagny ho lasa rà, mialohan'gne andro zakàbe sy miavaky hiavian'gne Tompo. 21 Ary gne olo rehetra izay mangaiky gne agnaran'Andriamanitry da ho voavonjy. 22 Ry olon'Israely, tenomy izao zàkako izao: Jesosy avy agny Nazareta, ilay olo nampisehoany andreo tamè alalan'Andriamanitry mba ho marina amindreo asa zakabe, ireo fahagagà, ary ireo famantaragny izay nataon'Andriamanitry tamè ategnategnanareo, araky gne fantatrin'gne tegnanareo. 23 Io lehilahy io da natolotry gne drafitr'Andriamanitry izay efa nomanigny mialoha sy gne fahalalany, ary gne tanan'gne mpandika lalàna sy anareo, namono anazy tamè famantsia anazy teo amè hazo fijaliana. 24 Fa Andriamanitry nanangany Anazy, nagnafaky Anazy tamè fanaintainan'gne fahafatesa, satria sarotry ho Anazy gne niala tamin'izà. 25 I Davida mizàka momba anazy hoe: "Nahita gne Tompo teo aloako mandrakariva iao, fa eto an-tanan-kavagnako Izy ka tsy tokotry gne hangozohozo iao. 26 Da tegna faly gne foko ary nifalifaly gne lelako. Ary, gne nofoko hivelony amè fahatokia. 27 tsy nilaozanao ho any amè Fiainan-tsy hita gne fagnahiko ary tsy hamela gne Iray Masinao ho lo anao. 28 Nampahafantatry anah ireo lalan'gne fiainagny anao; Anao da hameno fifalia anah amè endrikao.' 29 Ry rahalahy, afaky mikora aminareo ampilaminagny momba an'i Davida Patriarka iao: efa maty izy gne nalevy, ary gne koboriny da eto amintsika mandrak'androany. 30 Noho izà, mpaminagny izy ary fantany fa efa nivoady taminy Andriamanitry, fa gne taranany gne ho eo amè seza fiandrianagny. 31 Rehefa hitany izà da niresaky momban'gne fitsangananan'i Kristy tamè fahafatesa, 'sady izy tsy navela amè Fiainan-tsy hita, gne tsy nagnano gne nofogny ho tratrin'gne fahaloavany.' 32 Io Jesosy io-Andriamanitry gne nanangany Anazy, ka vavolombelon'izà iahay agnaby. 33 Noho izà rehefa nasandratry gne tagnana ankavagnan'Andriamanitry Izy da nandray gne Fanahy Masina nampagnantenainy avy tamè Ray, efa narotsany izà, izay hitanareo sy renareo. 34 Fa i Davida da tsy niakatry tany an-danitra, fa izy nizàka hoe: 'Gne Tompo nagnambara tamè Tompoko, "midoboa eto an-tagn'ankavagnako, mandra-pamboarako 35 gne fahavalonao ho fitoeran-tombonao.''' 36 Noho izà, aoka ho fantatry gne rehetra indrindra gne tranon'Israely fa Andriamanitry gne nagnano Anazy ho Tompo sy Kristy, ilay Jesosy izay nofantsianareo.'' 37 Ary raha naharè izà indreo, voatsindrony gne fondreo, ary nizàka tamin'i Petera sy indreo apostoly ambiny hoe: ''Rahalahy, ino gne tokotry ho ataonay?'' 38 Avy teo Petera nizàka tamindreo hoe: ''Mibebaha mamboara batisa, anareo agnaby, amè anaran'i Jesosy Kristy ho famelà gne fahotanareo, sy handraisanareo gne fanomezan'gne Fanahy Masina. 39 Fa gne fampanantenagny da ho anareo sy gne zanakareo ary indreo rehetra izay lavitra, ka ho betsaka ireo olo izay ho angian'i Tompo Andriamanintsika.'' 40 Niaraky tamè zakà maro hafa gne nijoroany ho vavolombelony sy nandrisihany andreo; nizàka izy hoe, ''Vonjeo gne tegnanao amin'ity taranaky ratsy fagnà ity.'' 41 Ary indreo nandray gne zàkany ka nanigny batisa, ary tokotry fagnan'olo teo amè telo arivo teo ho eo gne nampiany tamin'io andro io. 42 Nanova sy niharitry gne asa fitoria sy gne fampianaran'gne apostoly indreo, teo amè fanapà gne mofo sy gne fivavà. 43 Tonga teo amè fanahin'gne tsirairay gne tahotry, ary fahagagà sy famantaragny maro gne vita tamè alalan'gne apostoly. 44 Ireo rehetra nino da nivavaky ary nanagny zavatry nitovy, 45 ary indreo da nivarotry gne taniny sy gne fanagnany ka nizara izà tamin'izy rehetra, arak'izay nilainy agnaby. 46 Ary isan'andro isan'andro da nitohy nagnompo tamè fomba fijery mitovy tao am-piangonagny indreo, sy nanapaky gne mofo tao an-dragno, ary nizara sakafo tamim-pifalia sy fo feno fanetren-tegna; 47 Nidera an'Andriamanitry ary nahazo fankasitraha tamè olo rehetra. Isan'andro gne Tompo da nagnampy gne isandreo izay voavonjy.