Toko faha 12

1 Tamin'izany andro zany, i Heroda mpanjaka nisambotry gne sasany tao amè fengona mba afahany mikobioky andreo. 2 Tamin'izany da novonihiny tamè sabatry i Jakôba rahalahan'i Jaona. 3 Raha hitany fa nahafaly gne Jiosy izany da nagnano izay hisambora an'i Petera koa izy. Nandritry gne fankalazà gne andron'gne mofo tsy mavaivay izany. 4 Raha avy nosambory izy da nogadràny tamè tragno figadrà sady nanondro miaramila efatry toko izy hiamby anazy sady naminavina gne hitondra anazy eo akatrefan'gne olo maro raha vita gne Paska. 5 Noho izany da nigadra tao eky i Petera, fa namboarin'gne mpivavaky nagnolaly gne vavaky tamin' Andriamanitry ho anazy tao amè fengona. 6 Gne harivan'ny gne hindesan'i Heroda anazy hotsaray, natory teo agnelagnelan'gne miaramila roy lahy i Petera sady nifehy rozy vy raha mbola niamby gne tragno figadrà gne mpiamby. 7 Tamin'zany, io fa nisy anjelin'i Tompo nibôky nalàky teo agnilany sady nisy hazavà namirapiratry tamè tragno figadrà. Nomeny takapoky teo amè tarehiny ilany i Petera ka namoha anazy izany sada hoy izy hoe: "Mitsangàna malàky anao," niaraky tamin'izay gne rojo vy tamè tagnany da tataky. 8 Da hoy gne anjely taminazy hoe: "Misikina akanjo anao sady magnamboara kiraro." Tsy nisalasala i Petera fa avy da nagnano. Da mbola hoy ity anjely taminazy farany: "Hisikino gne akanjonao ambony sady magnaraha anà." 9 Lasa nagnaraky an'igny anjely igny i Petera sady nijotso. Kaiky tsy fantatriny fa raha gne raha namboarin'igny anjely teo igny da tena izy. Nihevitry izy fa nahita fahagagà. 10 Raha avy nandalo tamè mpiamby vôlohany sy faharoa indreo da avy teo amè vavahady vy izy lalagny mandeha amè tanà; da nidagnadagna hoazy tamindreo io varangara vy io. Da lasa nijotso indreo ka nandeha nagnaraky lala raiky nefa igny anjely igny tsy hitany satria lasa tampoky avy teo. 11 Raha nipody gne sain'i Petera da nizàka izy hoe: "Am'zao andro hizakako zao da fantatriko tokôtry fa gne Tompo gne nandefa an'igny anjely igny sady hagnafaky anà amin'i Heroda sy tamè raha maro be nodiasan'gne Jiosy ho ataondreo amnà. 12 Fa raha tsapany izany da raoky izy nandeha andragnon'i Maria, endrin'i Jaona, hangia amè agnara hoe Marka, izay nisy olo maro nivorovoro sady nivavaky tao. 13 Raha nipaipaiky tamè vavahady izy, nisy viavy raiky mpiasa tao hangiandreo hoe Roda namaly. 14 Raha fantatriny gne feon'i Petera da faly lôtry izy ka tsy nahavita namoha gne varangara fa lasa nandeha nigodogodoky an-dragno nizàka fa i Petera andra ao amè varangara mitsanga. 15 Nizàka taminazy gn'olo tao hoe: "Mola anao 'ty sarô." Fa izy da nihijingijigny fa izy ignao ekè. Nizàka indreo hoe: "Gn'anjeliny evao izany." 16 Fa i Petera koa sa da nanoy nandondogny evao tatoa, ary raha nosokafandreo gne varangara da nahita anazy indreo sady gaga. 17 Nagnetsiky gne tagnany tamindreo i Petera mba tsy aresaky indreo ary nambarany tamindreo gne fomba nitondran'i gne anjely anazy nijotso gne tragno figadrà. Hoy izy tamindreo hoe: "Ambarainareo amin'i Jakôba sy gne rahalàny izany." Raha vita izany da lasa nandeha tamè tany hafa koa izy. 18 Raha nazava gn'andro da mizy gne fòn'ireo miaramila niamby teo nahita gne raha niseho tamin'i Petera. 19 Raha avy nitadia anazy i Heroda kanefa tsy nahita da nagnano akety gne mpiamby teo izy sady nibaiko amè fanapaha gne lohandreo. Da nidigny avy agny Jodia ho agny Kaisaria izy sady nidoboky tagny. 20 Fa i Heroda da vignitry mafy tamè vahôkan'i Tyra sy Sidona. Niaraky nandeha tagny indreo. Noresendreo lahatry i Blasto, mpiasan'i gne mpanjaka mba hagnampy andreo. Sady nangataky fihavàna indreo satria gne tanàndreo da mandray sakafo fagnampia avy amè mpanjakan'ny gne tanà. 21 Tamè andro voatondro, i Heroda, nisiky akajon'ny gne mpanjaka sady nipetraky teo amè seza fiandriana ary nikabaro tamindreo teo izy. 22 Nikoiky mafy gne vahôka: "Feon'gne Andriamanitra izany fa tsy feon'olo!" 23 Tselatsela teo da nisy anjelin'i Tompo namaly anazy; satria tsy nagnome voninahitry ho an'Andriamanitra izy da nohanin'gne aka izy sady maty. 24 Fa gne zakan'gne Andriamanitra da mitombo sady nihamaro. 25 Raha vitan'i Barnabasy sy Saoly gne iraky nampagnamboary andreo da nipody avy tagny [gne sasany aminio dika soratry taloha be mizaka hoe: "Indreo da nipody tagny Jerosalema] Jerosalema indreo sady nitondra an'i Jaona niaraky tamindreo nody, na igny angiandreo hoe Marka igny.