Toko faha 12

1 Momba ireo fagnomezam-pagnahy, ry rahalahy, da tsy tiako tsy ahalala anareo. 2 Fantatrareo fa fony anareo mpanompo sampy, da voavily nakany am'ireo sampy tsy manam-peo anareo, tagny amin'izamy lalana rehetra nitarihin'ireo anareo. 3 Noho izany tiako ho fantatrareo fa tsy misy olo izay mizaka ame Fanahan'Andriamanitra afaka mizaka hoe:" Jesosy da voaozogny." Tsy misy afaky mizaka hoe:" Jesosy da Tompo," afa-tsy ame lalan'gne Fanahy Masina. 4 Ary misy fagnomezam-panahy samihafa, fa Fanahy mitovy avao. 5 Misy fagnopoagny samihafa, fa Tompo mitovy avao; 6 ary misy karazan'asa samihafa, fa Andriamanitra mitovy avao no magnano azy ireo ho aza anigny ame tsirairay. 7 Ary ho ane tsirairay gne nomegmy gne fagnabohagny ambadiky gne Fanahy ho an'ny tombontsoan'gne rehetra. 8 Fa ho an'gne olo raiky da namogny avy ame Fanahy gne zakan'gne fahendregny, ary ho ane reiky hafa gne zakan'gne fahalalagny ame alalan'gne Fanahy mitovy ovakoa. 9 Ho ane raiky hafa da nomegny gne finoagny ame alalan'gne Fanahy mitovy, ary ho ane raiky hafa ireo fagnomezam-pahasoavagny hagnasitrgny ame alalan'gne Fanahy raiky. 10 Ho ane raiky hafa da nomegny ireo asan'gny hery, ary ho raiky hafa faminaniagny. Ho ane raiky da nomegny gne fahafahagny magnavaky ireo fanahy, ho ane raiky hafa ireo karazany fizaka samihafa, 11 ary ho ane raiky sy mitovy avakoa gne miasa ao amin'izany rehetra izany, mognome ireo fagnomezam-panahy ho ane olo tsirairay avy, araky gne nofidiny. 12 Fa satria gne vatagny da raiky ary managny rantsany maro ary gne rehetra da rantsan'gne vatagny, noho izany da miaraky amin'i Kristy zany. 13 Fa tame alalan'gne Fanahy raiky gne nagnamboharagny batisa antsika rehetra ho vatagny raiky, na ireo Jiosy na gne Grika, na vofehy na afaky, ary gne rehetra da nanigny mba hindrano ame Fanahy raiky. 14 Fa gne vatagny da tsy rantsany raiky, fa maro. 15 Raha mizaka gne tomboky hoe:" Satria tsy tanagny aho," izany da tsy kely ame rantsany vatagny. 16 Ary raha gne sofy gne hizaka hoe:" Satria tsy maso iaho, da tsy rantsagny ame vatagny iaho," izany da tsy kely ame rantsagny ame vatagny. 17 Raha maso gne vatagny rehetra, da ho aiza gne fandregnesagny? Raha sofy gne vatagny agnaby 18 Fa Andriamanitra nandamigny gne rantsam-batagny tsirairay araky gne namorognany izany. 19 Raha rantsagny mitovy avao izy, aia gne misy gne vatagny? 20 Ka izao da rantsagny maro indreo,fa vatagny raiky avao. 21 Gne maso tsy afaky mizaka ame tagna hoe:" Tsy misy ilako anao." Na gne loha tsy hizaka ame tomboky hoe:" Tsy ilaiko anao." 22 Fa ireo rantsagny ame vatagny iay miseho ho malemy da tena ilaigny, ary gne rantsam-batagny izay heverintsika fa tsy manan-danja, da omentsika lanja zakabe, 23 ary gne rantsagny tsy fampiseho da managny fahemendregny mihotry. 24 Ary gne rantsagny fampiseho da tsy mila entigny ame fahamendregny fa indreo da efa managny famendregny. Fa Andriamanitra nampikambagny gne rantsagny miaraky agneby, ary izy nagnome lanja gne tsy ampy. 25 Nagnano anizany Izay mba tsy hisy fisarahagny eo ame vatagny, fa mba hifampikarakaragny ame fitiavagny mitovy amireo rantsagny. 26 Noho izany rehefa mijaly gne rantsagny raiky, da mijaly gne rantsagny rehetra; na rehefa omen-danja gne rantsagny raiky, da miara-mifaly gne rantsagny rehetra. 27 Ary anareo da vatan'i Kristy ary rantsagny amin'izany gne tsirairay. 28 Ary Andriamanitra nanodro tao ame fiangonana ireo apostoly, faharoa ireo mpaminany, fahatelo ireo mpampianatra, avy eo ireo izay magnano asa mahagaga, avy eo ireo fanomezam-pahasoavagny hagnasitragny, ireo izay magnano fagnampiagny, ireo izay magnano gne asan'gne fitatanan-draharaha, ary ireo izay magnano karaza fizaka samihafa. 29 Apostoly ve indreo agnaby? Mpaminany aby indreo? Magnano gne asa mahagaga aby indreo rehetra? 30 Managny Fagnoezam-pagnahy hagnasitragny izy agnaby? Mizaka ame fizaka tsy fantatry ve indreo rehetra? Mindika zaka ve izy rehetra? 31 Tadiavo ireo fagnomezam-pagnahy zakabe. Fa hampiseho anareo lalana tsaratsara iaho.