Toko faha 9

1 Ary Yaveh nijaka tamin'i Mosesy tagne agn'efitr'i Sinay, tamin'ny volagna vôlohane tamin'ny taogna faharoe tafaran'ny niboahan-dreo ny tany Egypta. Hoy Ijy hoe: 2 "Ôka ny fokon'olon'Israely hitandrigna ny Paska amin'ny fotôgna rekitre amin'ny taogna. 3 Amin'ny alignan'ny andro fahefatre ambin'ny folo amin'itoy volagna itoy, ny tsy mentsy hitandremanao ny Paska amin'ny fotôgna rekitre amin'ny taogna. Hitandrigna an'ijay anao, arahy ny didy amam-pitsipike abiaby, ka ankatoavy ny didy abiaby ijay mifandraike amin'ijay. 4 Ka, nijaka tamin'ny fokon'olon'Israely i Mosesy fa tokone hitandrigna ny fifalifalian'ny Paska areo. 5 Die nitandrigna ny Paska tamin'ny volagna vôlohane areo, tamin'ny andro fahefatre ambin'ny folon'ny volagna, tamin'ny aligna, tagne agn'efitr'i Sinay. Nankatò ny raha abiaby ijay nandidian'i Yaveh hatan'i Mosesy ny fokon'olon'Israely. 6 Ka nisy olo saragne naloto tamin'ny fatin'ny olo raike. Tsy afaka nitandrigna ny Paska tamin'ijay andro areo. Die negneo agnatrehan'i Mosesy sy Arona areo tamin'ijay andro ijay. 7 Hoy ireo olo ireo tamin'i Mosesy hoe: "Maloto nohon'ny fatin'olo ahay. Nagnino no tsy akenao hagnatitra sorogna hôn'i Yaveh amin'ny fotôgna rekitre amin'ny taogna eo amin'ny fokon'olon'Israely ahay?" 8 Hoy Mosesy tamin-dreo: "Andraso alohake iaho hiteno ijay handidian'i Yaveh ny aminareo." 9 Nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy ijy hoe: 10 Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely. Jakay hoe, 'Laha misy maloto eo aminareo na na ny taranakareo nohon'ny fatin'olo, na amin'ny dia lavitre, die tsy afaka mitandrigna ny Paska hôn'i Yaveh areo.' 11 Ôka hitandrigna ny Paska amin'ny harivan'ny andro fahefatre ambin'ny folo amin'ny volagna faharoe areo. Mofo tsy misy masirasira sy ny agnana mafaike ny tsy mentsy hihinanane an'ijay. 12 Tsy tokone hagnapetrake an'ijay madra-maraigna areo, na hanapaka ny tôlagne. Ôka hagnaraka ny didy amam-pitsipike abiaby amin'ny Paska areo. 13 Fa ny olo ijay madio sady tsy nandia lavitre, nefa tsy mitandrigna ny Paska, ijay olo ijay die hifongorina tsy ho eo amin'ny olo satria tsy nagnatitra ny fagnatitra ijay nitakin'i Yaveh amin'ny fotôgna rekitre amin'ny taogna ijy. Ijay olo ijay die hibata ny hadisône. 14 Laha misy vahiny maonigna eo aminao ka mitandrigna ny Paska ho voninahitr'i Yaveh, ôka ijy hitandrigna an'ijay sady hagnano ny didine abiaby, ka hankatò ny fitsipiky ny Paska, ka mankatò ny lalàna amin'ijay. Ôka hanagna lalàna mitovy hôn'ny vahiny sy ny abiaby ijay efa teraka ao amin'ny tany anao." 15 Tamin'ny andro nametrahana ny tabernakely, ny rahogna nanarogna ny tabernakely, ny lain'ny lalàn'ny fagnikena. Tamin'ny aligna ny rahogna die teo ambonin'ny tabernakely. Nipoitre manahaka ny afo mandra-maraigna ijay. 16 Nitohy manahaka an'ijay fehijay ijay. Nanarogna ny tabernakely ny rahogna ka nipoitre manahaka ny afo amin'ny aligna. 17 Na oviena na oviena ny rahogna no nampekarina laha teo amin'ny lay, die nienga tamin'ny diane ny fokon'olon'Israely. Na taja na taja ny nijanognan'ny rahogna, die nitoby teo ny fokon'olon'Israely. 18 Araka ny nandidian'i Yaveh, ny fokon'olon'Israely die nenga, ka tamin'i didine, ny nitobian-dreo. Laha nijanogna teo ambonin'ny tabernakely ny rahogna, die nijanogna tagne amin'ny tobine areo. 19 Laha nijanogna andro maromaro teo amin'ny tabernakely ny rahogna, die nagnaraka ny torolalagn'i Yaveh areo ka tsy nenga. 20 Kindraindraike ny rahogna die nijanogna andro vitsy teo amin'ny tabernakely. Tamin'ijay toe-draha ijay, die nagnaraka ny didin'i Yaveh areo- nitoby sady nanohy ny diane indraike tamin'ny didine. 21 Kindraindraike ny rahogna die nijanogna nitoby hatamin'ny aligna ka mandra-maraigna. Laha niakatra ny maraigna ny rahogna, die nenga areo. Laha nitohy ny atoandro na ny aligna ijay, die laha niakatra mandy ny rahogna vô nanohy nenga areo. 22 Na indroe andro, na ray volagna, na herintaogna ny nijanognan'ny rahogna teo ambonin'ny tabernakely, laha mbola nijanogna teo koa ijay, die nijanogna tao an-tobine ka tsy nenga ny fokon'olon'Israely. Fa isaky ny nakarina ny rahogna, die nagnenga tamin'ny diane areo. 23 Nitoby araka ny didin'i Yaveh areo. Nankatò ny didin'i Yaveh nomena laha tamin'i Mosesy areo.