Toko faha 8

1 Yaveh nivoria tamin'i Mosesy. Hoy ijy hoe: 2 "Mivoriana amin'i Arona. Jakay amin'aje hoe: 'Tokone hagnome hajavana eo alohakan'ny fipitrahan-jiro ny jiro fito laha mampirehitre an'io anao."' 3 ambôtre an'ijay Arona. Nampirehitra ny jiro teo amin'ny fipitrahan-jiro ijy mba hagnome hajavana eo alohakan'ijay, araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 4 Tamin'ijay fomba ijay ny namboarana ny fipitrahan-jiro ka Yaveh nagnatoro an'i Mosesy ny lamigna hômin'ijay. Ijay die volamena vôtefy hatagne amin'ny fotone ka hatagne amin'ny tampone, niaraka tamin'ny vazy vôasa manahaka ny vonikajo. 5 Nivoria tamin'i Mosesy indraike Yaveh. Hoy ijy hoe: 6 "Alay laha teo amin'ny fokon'olon'Israely ny Levita ka diovy areo. 7 Amboary amin-dreo ijao mba hagnadiovana an-dreo: Afafajo eo amin-dreo ny ranon'ny fagnavotana. Ampiborio ny vatagne manontolo, manasa ny lambane areo, ka amin'ijay fomba ijay ny hagnadiovana ny tegnan-dreo. 8 Ka ampangalay vatotr'ahombilahy sy fagnatitra voa miaraka amin'ny koba tsara toto mifangaro menake areo. Ôka areo hangala vatotr'ahombilahy raike hafa ho fagnatitra nohon'ny ota. 9 Hitondra ny Levita eo alohakan'ny tragno lay fihôgnana sady hamory ny vondrogn'ny fokon'olon'Israely abiaby anao. 10 Laha mitondra ny Levita eo alohakan'i Yaveh anao, die tsy mentsy mametrake ny tagnane eo amin'ny Levita ny fokon'olon'Israely. 11 Tsy mentsy atolotr'i Arona eo agnatrehan'i Yaveh ny Levita, hôn'ny fagnatitra araviravy laha tamin'ny fokon'olon'Israely mba hahafahan-dreo magnano ny fanompôna an'i Yaveh. 12 Tsy mentsy apetrakin'ny Levita eo amin'ny lohan'ny ahomby ny tagnane. Tsy mentsy magnome ahomby raike hôn'ny fagnatitra nohon'ny ota ary ahomby hafa hôn'ny fagnatitra orôna hôn'Ahe anao, mba hagnonerana hôn'ny Levita. 13 Atoroy eo alohakan'i Arona sy eo alohakan'ny janagne lahy ny Levita ka asandraty ho fagnatitra araviravy hôn'Ahe. 14 Amin'io fomba io ny tsy mentsy hagnasarahanao ny Levita amin'ny fokon'olon'Israely. Hôn'Ahe ny Levita. 15 Magnarak'ijay, tsy mentsy mienga manompo ao an-dragno lain'ny fihôgnana ny Levita. Tsy mentsy magnadio an-dreo anao. Tsy mentsy omenao manahaka ny fagnatitra araviravy areo. 16 Amboary ijay, satria areo die an'Ahe tanteraka ijay laha teo amin'ny fokon'olon'Israely. Handray ny toeran'ny jaja lelahy kiraidraike aby ijay haterake vôlohane areo, die joky anakin'ny taranak'Israely abiaby. Efa nangala ny Levita hôn'ny tegnako Iaho. 17 An'Ahe ny joky anaka laha tao amin'ny fokon'olon'Israely abiaby, miaraka amin'ny olo sy ny biby. Tamin'ny andro ijay nangalako ny aignan'ny joky anaka abiaby tao amin'ny tany Egypta, die nanokagna an-dreo hôn'Ahe Iaho. 18 Efa nangala ny Levita laha teo amin'ny fokon'olon'Israely ho solon'ny lahimatoa abiaby Iaho. 19 Efa nagnome ny Levita ho fagnomejana hôn'i Arona sy ny janagne lahy Iaho. Efa nangala an-dreo laha teo amin'ny fokon'olon'Israely mba hambôtre ny asan'ny fokon'olon'Israely ao amin'ny tragno lay fihôgnana Iaho. Efa nagnome an-dreo ho fagnavotana hôn'ny fokon'olon'Israely Iaho mba tsy hisy areti-mandripake handraha ny fokon'olo laha vô magnariny ny toerana masina areo." 20 Mosesy, Arona, ary ny vondrogn'ny fokon'olon'Israely manontolo nagnano an'ijay tamin'ny Levita. Nambôtra ny raha abiaby nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ny amin'ny Levita areo. Nambôtra an'ijay niaraka tamin-dreo ny fokon'olon'Israely. 21 Nagnadio ny tegnane sady nanasa ny lambane ny Levita, ka Arona nagnome an-dreo ho fagnatitra araviravy hôn'i Yaveh sady nagnano fagnavotana hôn-dreo mba hagnadiovana an-dreo. 22 Magnarak'ijay, nienga nagnano ny fanompôna tao amin'ny tragno lay fihôgnana magnatrike an'i Arona sy ny janaka lahin'i Arona ny Levita. Manahaka an'ijay ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mikasika ny Levita. Ijay ny fomba nitondrane ny Levita abiaby. 23 Nivoria tamin'i Mosesy indraike Yaveh. Hoy Ijy hoe: 24 "Ijao abiaby ijao die hôn'ny Levita ijay dimy amby rôpolo taogna loho miakatre. Tsy mentsy miaraka mpanompo mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo. 25 Tsy mentsy mijanogna amin'ny fanompôna amin'ijay fomba ijay areo laha feno dimam-polo taogna. Amin'ijay taogna ijay die tsy mahajo manompo koa areo. 26 Afaka maitahy ny rahalahine ijay manohy ny asa ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo, nefa tsy afaka manompo koa. Tsy mentsy mitarika ny Levita Levita Amin'NY raharaha abiaby io anao."