Toko faha 7

1 Tamin'ny andro nahefan'i Mosesy ny tabernakely, die nosorane ijay ka natokagne hôn'i Yaveh, niaraka tamin'ny fanaka abiaby. Natane manahaka an'ijay mandy koa ny alitara sy ny fanaka abiaby. Nosarane ijay ka natokagne hôn'i Yaveh. 2 Tamin'ijay andro ijay die nagnome sorogna ny mpitarik'Israely, sy ny lohan'ny havan'ny rajambene. Ireo lelahy ireo ny nitarika ny foko. Areo ny nagnara-maso ny fagnisana olo tamin'ny fagnisam-pokon'olo. 3 Nindôsin-dreo teo agnatrehan'i Yaveh ny fagnatitran-dreo. Nitondra sarety misarogna enina sy ahomby roe ambin'ny folo areo, ka ny mpitarika kiraidraike die nitondra ahomby raike. Nitondra sarety raike isaky ny mpitarika roe aby areo, ka ny mpitarika kiraidraike die nitondra ahomby raike aby. Naterin-dreo teo agnatrehan'ny tabernakely io raha abiaby io. 4 Die nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy ijy hoe: 5 "Ekeo ny fagnatitra laha tamin-dreo ka ampesay hômin'ny asa ao amin'ny tragno lay fihôgnana ny fagnatitra. Omeo an'i Levita ny fagnatitra, die amin'ny kiraidraike araka ny ilain-dreo amin'ny asane aby." 6 Nalain'i Mosesy ny sarety sy ny ahomby, ka nomene ny Levita. 7 Nagnome sarety roe sy ahomby efatre hôn'ny taranak'i Gersona ijy, nohon'ny filan-dreo amin'ny asane. 8 Nagnome sarety efatre sy ahomby valo hôn'ny taranak'i Merary ijy, ho eo amin'ny fehian'i Itamara janak'i Arona mpisorogna. Natane ijay noho ijay nitakin'ny asan-dreo. 9 Fa tsy nagnome na ino na ino tamin'io raha io hôn'ny taranak'i Kehata ijy, satria ny an-dreo die asa mifandraika amin'ny raha ijay an'i Yaveh ijay hibataina eo an-tsorokane. 10 Nagnome ny fagnomejane ny mpitarika mba hôn'ny fitokagnana ny alitara tamin'ny andro ijay nagnosoran'i Mosesy ny alitara. Nagnome ny sorognane teo alohakan'ny alitara ny mpitarika. 11 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ôka ny mpitarika kiraidraike hagnome ny sorognane amin'ny androne aby hôn'ny fitokagnana ny alitara." 12 Tamin'ny andro vôlohane, die Nasona janak'i Aminadaba, laha tamin'ny fokon'i Joda, ny nagnome ny sorognane. 13 Ny sorognane die vilia volafotsy raike milanja sekely 130 sy vilia jobo raike milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Io raha io die samby feno dovay sy lafarinina tsara toto mifangaro menake hatao fagnatitra hohanina. 14 Nagnome vilia volamena raike milanja sekely folo sady feno ditin-kajo magnitre ijy. 15 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna, ho fagnatitra orôna ijy. 16 Nagnome osilahy ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 17 Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy dimy ijay herintaogna, ho sorogna hatao fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Nasona janak'i Aminadaba. 18 Tamin'ny andro faharoe, Netanela janak'i Zoara, mpitarik'Isakara, ny nagnome ny sorognane. 19 Nagnome vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo ijy ho sorognane, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 20 Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 21 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna, ho fagnatitra orôna mandy koa ijy. 22 Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 23 Nagnome ahomby roe, ondry dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hatao fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Netanela janak'i Zora. 24 Tamin'ny andro fahatelo, Eliaba janak'i Helona, mpitarika ny taranak'i Zebolona, ny nagnome sorogna. 25 Ny sorognane die vilia volafotsy raike milanja sekely 130, ary vilia jobo raike milanja sekely fitopolo araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake hôn'ny fagnatitra hohanina io raha io. 26 Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 27 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 28 Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 29 Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy dimy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Eliaba janak'i Helona. 30 Tamin'ny andro fahefatre, Elizora janak'i Sedeora, mpitarika ny taranak'i Robena, ny nagnome ny sorognane. 31 Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo raike milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 32 Nagnome vilia volamena raike milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 33 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 34 Nagnome osilahy ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 35 Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy dimy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Elizora janak'i Sedora. 36 Tamin'ny andro fahadimy, Selomiela janak'i Zorisady, mpitarika ny taranak'i Simeona, ny nagnome ny sorognane. 37 Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 38 Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 39 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 40 Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 41 Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Selomiela janak'i Zorisaday. 42 Tamin'ny andro fahenina, Eliasafa janak'i Doela, mpitarika ny taranak'i Gada, ny nagnome ny sorognane. 43 Ny sorognane die vilia volafotsy raike milanja sekely 130 sy vilia jobo raike milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 44 Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 45 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 46 Nagnome osilahy ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 47 Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Eliasafa janak'i Doela. 48 Tamin'ny andro fahafito, Elisama janak'i Amihoda, mpitarika ny taranak'i Efraima, ny nagnome ny sorognane. 49 Ny sorognane die vilia volafotsy raike milanja sekely 130 sy vilia jobo raike milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 50 Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 51 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 52 Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 53 Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Elisama janak'i Amihoda. 54 Tamin'ny andro fahavalo, Gamaliela janak'i Pedazora, mpitarika ny taranak'i Manase, ny nagnome ny sorognane. 55 Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 56 Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 57 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 58 Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 59 Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Gamaliela janak'i Pedazora. 60 Tamin'ny andro fahasivy, Abidana janak'i Gideony, mpitarika ny taranak'i Benjamina, ny nagnome ny sorognane. 61 Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 62 Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 63 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 64 Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 65 Nagnome ahomby dimy, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Abidana janak'i Gideony. 66 Tamin'ny andro fahafolo, Ahiezera janak'i Amisaday, mpitarika ny taranak'i Dana,ny nagnome ny sorognane. 67 Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 68 Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 69 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 70 Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 71 Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Ahiezera janak'i Amisaday. 72 Tamin'ny andro faharaika ambin'ny folo, Pagiela janak'i Okrana, mpitarika ny taranak'i Asera, ny nagnome ny sorognane. 73 Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 74 Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 75 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 76 Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 77 Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Pagiela janak'i Okrana. 78 Tamin'ny andro faharoe ambin'ny folo, Ahira janak'i Enana, mpitarika ny taranak'i Naftaly, ny nagnome ny sorognane. 79 Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 80 Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 81 Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 82 Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 83 Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Ahira janak'i Enana. 84 Natokagn'ny mpitarika ny Israely tamin'ny andro nagnosoran'i Mosesy ny alitara io raha io. Natokan-dreo ny vilia volafotsy roe ambin'ny folo, ny vilia jobo roe ambin'ny folo, ny vilia volamena roe ambin'ny folo. 85 Ny vilia volafotsy kiraidraike die samby nilanja sekely 130 aby ary ny vilia jobo die nilanja sekely fitopolo. Ny fanaka volafotsy abiaby die nilanja sekely 2.400, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. 86 Ny kiraidraike tamin'ny vilia volamena roe ambin'ny folo, feno ditin-kajo magnitre, die nilanja sekely folo araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Ny vilia volamena abiaby die nilanja sekely 120. 87 Natokan-dreo aby ny biby ho fagnatitra orôna, die ahombilahy roe ambin'ny folo, ondry roe ambin'ny folo, ary janak'ondry lahy herintaogna roe ambin'ny folo. Nomen-dreo ny fagnatitra hohanine. Nagnome osilahy roe ambin'ny folo ho fagnatitra nohon'ny ota areo. 88 Nagnome ahombilahy efatre amby rôpolo, ondry enimpolo, osilahy enimpolo, ary janak'ondry lahy herintaogna enimpolo laha tamin'ny biby fiompine areo, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana. Ijay die hôn'ny fitokagnana ny alitara tafaran'ny nagnosorana an'aje. 89 Laha niditra tao amin'ny tragno lay fihôgnana mba hivoria tamin'i Yaveh i Mosesy, die naharegny ny feone nijaka tamin'aje ijy. Nijaka tamin'aje laha teo ambonin'ny sarognam-pagnavotana teo amin'ny fiaran'ny vavolombelogna, laha teo agnivon'ny kerobima anankiroe Yaveh. Nivoria tamin'aje Ijy.