Toko faha 12

1 Avy teo Myriama sy Arona nivoria nanohitra an'i Mosesy noho ilay viave Kosita ijay nampekarine. 2 Hoy areo hoe: "Mosesy mandy ve ny nivorianin'i Yaveh? Sa tsy nivoria tamintsena koa ve Ijy? Ka regnin'i Yaveh ijay nivorianin-dreo. 3 Ka tena manetri-tegna ilay lelahy Mosesy, be fanetre-tegna noho ny olo abiaby eto an-tany. 4 Teo no ho eo Yaveh die nivoria tamin'i Mosesy, Arona, ary Miriama hoe: "Miboaha anareo telo, ho agny amin'ny tragno lay fihôgnana." Noho ijay die nivôke ijy telo. 5 Avy teo Yaveh nijotso tegne amin'ny andrin-drahogna. Nitsangagna teo amin'ny fidirana ao amin'ny lay Ijy ka nangaike an'i Arona sy Miriama. Samby nagnantogna ijy roe. 6 Hoy Yaveh hoe: "Ankehitriny tenoy ny jakako. Laha miaraka aminareo ny mpaminaniko, die hagnatoro ny tegnako amin'aje amin'ny fahitana Iaho ka hivoria amin'aje agnaty nofy. 7 Tsy hôtran'ijay Mosesy mpanompoko. Mahatoky ijy ao amin'ny tragnoko abiaby. 8 Mivoria mivantagna amin'i Mosesy Iaho, fa tsy amin'ny fahitana na ankamantatre. Hitane ny endriko. Ka nagnino anareo no tsy matahotre ny hivoria hanohitra ny mpanompoko, manohitra an'i Mosesy?" 9 Nirehitre tamin-dreo ny havigniran'i Yaveh, ka avy teo ijy nandao an-dreo. 10 Nienga teo amin'ny lay ny rahogna, ka Miriama nanjary boka tampoke- fotsy manahaka ny oram-panala ijy. Laha nitodoka tagne amin'i Miriama i Arona, die hitane fa nisy habokana ijy. 11 Hoy Arona tamin'i Mosesy hoe: "Ry tompoko, aja tajognina aminay itoy fahotana itoy. Nivoria adaladala ahay, sady nagnota. 12 Aja avela manahaka ny jaja vô teraka maty ijy ijay lany ny asasaky ny nofone laha vô teraka laha tao an-trokan'iendrine." 13 Noho ijay die nangaika an'i Yaveh i Mosesy. Hoy ijy hoe: "Mengavy re mba tsaboy ijy, ry Andriamanitra, mengavy." 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Laha nandrora tamin'ny tavagne iabane, die ho afa-baraka mandritra ny fito andro ijy. Ahidio agne avelagn'ny toby mandritra ny fito andro ijy. Afaran'ijay die indôsy mimpody atoy indraike ijy." 15 Ka die nihidina tagne avelagn'ny toby nandritra ny fito andro ijy. Tsy nienga ny fokon'olo nandra-pipodiane tao an-toby. 16 Tafaran'ijay, die nienga laha tao Hazerota ny fokon'olo ka nitoby tagne agn'efitr'i Parana.