Toko faha 11

1 Ka nitaraigna momba ny olagnan-dreo ny fokon'olo laha niteno Yaveh. Naharegny ny olo Yaveh ka nanjary vignitre. Nisy afon'i Yaveh nagnoro an-dreo ka nandevogna ny saragne tamin'ny toby tamorogne tegne. 2 Avy teo die nangaike an'i Mosesy ny fokon'olo, ka die nivavaka tamin'i Yaveh i Mosesy, ka nijanogna ny afo. 3 Nangihina hoe Tabera ijay toerana ijay, satria nirehitre tamin-dreo teo ny afon'i Yaveh. 4 Nanomboka niara-nitoby tamin'ny taranak'Israely ny saragne tamin'ny hafa firenena. Nagniry ny hihinagna hanina tsara kokoa areo. Ka nanomboka nitagny ny fokon'olon'Israely ka nagnano hoe: "Ija ny hagnome hanina hohaninay? 5 Tadidinay ny trondro ijay nihaninay maimaimpôgna tagne Egypta, ny kôkômbra, ny taboara, ny tongolo ravigna, ny tongolo, ary ny tongolo gasy, 6 Ankehitriny lasa ny homantsena, satria ny mba hitantsena die itoy mana itoy." 7 Ny mana die hôtran'ny vôn-drafy. Manahaka ny ditin-kajo ijay. 8 Nienga nagnodidigna ny olo ka namory an'ijay. Nitotoin-dreo tamin'ny fanotoam-bary ijay, nitotoina tamin'ny dango, nampangotrahina tagnaty vilagny, ka natao mofo mamy. Nitovy tsiro tamin'ny menake oliva vaovao ijay. 9 Laha nilatsaka teo amin'ny toby ny ranon'ando ny aligna, die nilatsaka mandy koa ny mana. 10 Naharegny ny olo nitagny tao amin'ny havan-dreo Mosesy, ka ny lelahy abiaby die teo amin'ny fidirana ho agne amin'ny laine. Vignitra nahare Yaveh, ka diso teo amason'i Mosesy ny fitaregnan-dreo. 11 Hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Nagnino Anao no mampijaly ny mpanomponao? Nagnino Anao no tsy faly amin'ahe? Nampibatanao ny enta-mavesatr'ireo olo ireo iaho. 12 Iaho ve ny namorogna ny olo abiaby io? Iaho ve niteraka an-dreo no hivoriananao amin'ahe hoe: 'Totroy eo an-tratranao hôtran'ny fitrotroana jaja areo?' Tokone hitondra an-dreo agne amin'ny tany ijay nampagnantenainao homena ny rajamben-dreo ve iaho? 13 Aja ny hahitako hanina homena an'itoy fokon'olo abiaby itoy? Mitagny alohako eo areo sady mijaka hoe: 'Omeo hanina hohanina ahay.' 14 Tsy afaka ny hibata ireo olo ireo rerike iaho. Be lôtre hôn'ahe areo. 15 Satria indôsinao manahaka an'ijay iaho, die vonio iaho niany, laha tia an'ahe Anao, ka alay tamin'ahe ny fijaliako." 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Itondray loholon'Israely fitopolo Iaho. Atôvy ajo antoke fa loholona sady manam-boninahitra ny fokon'olo tokôtre areo. Indôsy ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo mba hiara-hitsangagna aminao. 17 Hijotso sady hivoria aminareo agne Iaho. Hangala ny saragne amin'ny Fagnahy ijay ao aminao Iaho ka hametraka an'ijay amin-dreo. Hiara hibata ny enta-mavesatrin'ny fokon'olo hiaraka aminao areo. Tsy hitondra an'ijay rerike anao. 18 Voriano amin'ny fokon'olo hoe: 'Manokagna tegna anareo, hômin'ny ampitso ka hihinagna hena tokôtre anareo, satria nitagny anareo ka regnin'i Yaveh. Anao nijaka hoe: "Ija ny hagnome hena hohaninay? Tsara taminay ny tany Egypta." Noho ijay Yaveh die hagnome hanina hônareo, ka hihinagna an'ijay anareo. 19 Tsy hihinagna hanina mandritra ny indraika andro, roe andro, dimy andro, folo andro, na rôpolo andro fotsine anareo, 20 fa hihinagna hanina mandritra ny ray volagna manontolo mandra-pivoahan'ijay egne amin'ny lavak'orognareo. Hahatsiravigna anareo ijay satria nandà an'i Yaveh, ijay eo aminareo anareo. Nitagny teo agnatrehane anareo hoe: "Nagnino ahay no nienga an'i Egypta""' 21 Ka hoy Mosesy hoe: "Miaraka amin'olo 600.000 iaho, sady hoy Anao hoe: 'Hagnome hanina hôn-dreo Iaho mandritra ny iray volagna.' 22 Tokone hamono ny ondry amban'osy sy ny ahomby ve jany ahay hampifaliena an-dreo? Tokone hamintagna ny trondro abiaby ao amin'ny ranomasina ve ahay mba hampifaliena an-dreo?" 23 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Fohika ve ny tagnako? Ijao die ho hitanao laha marina ny jakako na tsiare." 24 Nivôke Mosesy ka nivoria tamin'ny fokon'olo ny jakan'i Yaveh. Namory loholona fito-polo tamin'ny fokon'olo ijy ka nandahatra an-dreo nagnodidigna ny lay. 25 Nijotso laha tegne amin'ny rahogna Yaveh ka nivoria tamin'i Mosesy. Nangala ny Fagnahy saragne tao amin'i Mosesy i Yaveh ka nametraka an'ijay teo amin'ny loholona fito-polo. Laha nitoboke tao amin-dre ny Fagnahy, die naminany areo, kanefa tamin'io fotôgna io mandy fa tsy nipody koa. 26 Lelahy roe ny nijanogna tao amin'ny toby, nangehina hoe Eldada sy Medada. Nitoboke tao amin-dreo mandy koa ny Fagnahy. Ny agnaran-dreo die vôsoratre tao amin'ny lisitra, kanefa tsy nibôka ny lay areo. Na die ijay aja, naminany tao amin'ny toby areo. 27 Nisy tovolahy raike tao amin'ny toby nihajakajake ka nijaka tamin'i Mosesy hoe: "Eldada sy Medada die maminagny ao amin'ny toby." 28 Josoa janaka lahin'i Nona, mpagnampin'i Mosesy, raike tamin'ny lelahy vôfidine, die nijaka tamin'i Mosesy hoe: "Ry Mosesy tompoko, sakagny areo." 29 Hoy Mosesy tamin'aje hoe: "Saro-piaro nohon'ny amin'ahe ve anao? Magniry iaho laha mba mpaminagny aby ny fokon'olon'i Yaveh abiaby ka hametraka ny Fagnahine amin'ijy abiaby io Ijy!" 30 Avy teo Mosesy sy ny loholon'Israely nipody tao amin'ny toby. 31 Avy teo die nisy rivotre avy laha tagne amin'i Yaveh ka nitondra papelike laha tagnaty ranomasina. Tola teo akekin'ny toby ireo, teo amin'ny lalagna indraike andro tagne amin'ny andagnine ka lalagna indraike andro tagne tagne amin'ny agnilane. Nagnodidigna ny toby ny papelika teo amin'ny roe kikiho ambonin'ny tany. 32 Sahiragna ny olo namory ny papelika tamin'ijay andro ijay, ny aligna manontolo, ary ny atoandro magnaraka. Tsy nisy namory papelika latsaky ny folo homera. Nijara ny papelika nagneragna ny toby abiaby areo. 33 Laha mbola teo agnelagnelagn'ny nifin-dreo ny hanina, laha mbola nitsako an'ijay areo, die vignitra tamin-dreo Yaveh. Nandraha ny olo tamin'ny aretigna makadiry Ijy. 34 Nangihina hoe Kibrota Havata ijay toerana ijay satria tao ny nandevegnan-dreo ny olo ijay nagniry hena fatratre. 35 Nienga laha tagny Kibrota Havata ny olo mba ho agne Hezerota, ijay nijanognan-dreo.