Toko faha 10

1 Nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 2 "Mamboara trompetra volafotsy roe. Amin'ny tefy tagnana ny hamboaranao ny volafotsy. Tsy mentsy mampiasa ny trompetra anao hangihana ny fengonana miarake sady hangihana ny fengonana hamindra ny tobin-dreo. 3 Ny mpisorogna die tsy mentsy hitsoke ny trompetra mba hangihana ny fengonana abiaby hitambatra eo alohakanao eo amin'ny fidirana megnao amin'ny tragno lay fihôgnana. 4 Laha trompetra raike mandy no tsofin'ny mpisorogna, die hivory aminao eo ny mpitarika, ny lohan'ny fokon'Israely. 5 Laha mitsoke famantarana mahare anareo, die hanomboke ny dian-dreo ny toby agne atsignanana. 6 Laha mitsoke ny fanerana mahare fagnindroane anareo, die hanomboke ny dian-dreo ny toby agne atsimo. Tsy mentsy mitsoka mahare hôn'ny diane areo. 7 Laha mivory miaraka ny fengonana, die tsofy ny trompetra, fa tsy mahare be. 8 Ny janaka lahin'i Arona, ny mpisorogna, ny tsy mentsy mitsoka ny trompetra. Ijay die ho lalàna mandrakariva hônareo hatamin'ny taranakin'ny fokon'olonao. 9 Laha menga miady agne amin'ny taninareo hanohitre ny mpifagnandrigna ijay mampijaly anareo anareo, die tsy mentsy hampagneno fanerana amin'ny trompetra. Iaho, Yaveh Andriamanitrareo, no hahatadidy anareo ka hamonjy anareo amin'ny fahavalonareo. 10 Sady koa, amin'ny fotôgnan'ny fankalajana, die ny fifalifaliana mahajatre sy amin'ny fendohan'ny volagna, die tsy mentsy hitsoke ny trompetra anareo ho fankalajana ny fagnatitra orônareo sy ny sorogna hafa hôn'ny fagnati-pihavagnanareo. Hatao ijay ho fahatserovanareo an'Ahe, ny Andriamanitrareo. Iaho no Yaveh Andriamanitrareo." 11 Tamin'ny taogna faharoe, tamin'ny volagna faharoe, tamin'ny andro faha rôpolon'ny volagna, die nagnanike laha teo amin'ny tabernakelin'ny lalàn'ny fagnikena ny rahogna. 12 Nanohy ny diane nenga tagny agn'efitr'i Sinay ny fokon'olon'Israely. Nijanogna teo amin'ny efitr'i Parana ny rahogna. 13 Nagnano ny dian-dreo vôlohane, araka ny didin'i Yaveh ijay tamin'ny alalan'i Mosesy areo. 14 Ny toby ambanin'ny fagnevan'ny taranak'i Joda no nibôka vôlohane, namôka ny fediane aby. Nasona janaka lahin'i Aminadaba nitarika ny tafik'i Joda. 15 Netanela janaka lahin'i Zoara nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'Isakara. 16 Eliaba janaka lahin'i Helona nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Zebolona. 17 Ny taranak'i Gersona sy Merary, ijay nendraikitra ny tabernakely, die nagnajotso ny tabernakely ka nenga tamin'ny dian-dreo. 18 Avy teo, ny tafika teo ambanin'ny fagnevan'ny tobin'i Robena die nenga. Elizora janaka lahin'i Sedeora nitarika ny tafik'i Robena. 19 Selomiela janaka lahin'i Zorisaday nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Simeona. 20 Eliasafa janaka lahin'i Doela nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Gada. 21 Nenga ny Kehatita. Nitondra ny fitôvana masina tao amin'ny fitoerana masina. Ny saragne die nanangagna ny tabernakely melohan'ny nevian'ny Kehatita teo amin'ny toby magnarake. 22 Ny tafika teo ambanin'ny fagnevan'ny taranak'i Efraima ny nenga nagnarake. Elisama janaka lahin'i Amihoda nitarika ny tafik'i Efraima. 23 Gamaliela janaka lahin'i Pedazora nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Manase. 24 Abidana janaka lahin'i Gideony nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Benjamina. 25 Ny tafika ijay nitoby teo ambany fagnevan'ny taranak'i Dana ny nenga farane. Ahiezera janaka lahin'i Amisaday nitarika ny tafik'i Dana. 26 Pagiela janaka lahin'i Okrana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Asera. 27 Ahira janaka lahin'i Enana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Naftaly. 28 Tamin'ijay fomba ijay ny nengan'ny tafiky ny fokon'olon'Israely tamin'ny diane. 29 Nivoria tamin'i Hobaba janaka lahin'i Rogoela Midianita i Mosesy. Regoela no iaban'ny sakejan'i Mosesy. Nivoria tamin'i Hobaba i Mosesy ka nijaka hoe: "Hienga hagnagne amin'ny toerana ijay nifaritan'i Yaveh ahay. Hoy Yaveh: 'Homeko anareo ijay.' Ndao hiaraka aminay die hamboaranay soa anareo. Yaveh efa nampagnantegna ny hagnano soa ny Israely." 30 Fa hoy Hobaba tamin'i Mosesy: "Tsy henga hiaraka aminao iaho. Henga hegnagne amin'ny taniko sy ny oloko iaho." 31 Ka die namaly Mosesy hoe: "Ôka re mba tsy handao anay anao. Anao mahalala ny hitobiana agne agn'efitre. Tokone hitandrigna anay anao. 32 Laha hienga hiaraka aminay anao, die hatanay aminao araka ny soa ijay natan'i Yaveh taminy." 33 Nandeha nenga ny tampom-bohitr'i Yaveh nandritra ny telo andro areo. Ny fiaran'ny ny fagniken'i Yaveh nienga talohakan-dreo teo nandritra ny hateloana mba handrembe toerana helana vijake hôn-dreo. 34 Ny rahogn'i Yaveh die teo ambonin-dreo tamin'ny atoandro laha nenga areo. 35 Laha menga ny fiara, die mijaka Mosesy hoe: "Mitsangàna, ry Yaveh. Abolejo ny fahavalonao. Ampilefaso henga eo Aminao ijay tsy tia Anao." 36 Laha mijanogna ny fiara, die mijaka Mosesy hoe: " Mipodiana, ry Yaveh, amin'ny Israely agn'aligne maro."