Toko faha 4

1 Ary laha efa fantatr'i Jesôsy hoe regnin'ny Fariseo fa nahajo sy nagnano batisa mpianatra maro noho Jaona Ijy 2 (na die tsy Jesôsy tegnany aja no nagnano batisa, fa ny mpianatrane), 3 die niala tao Jodia Ijy ary niverigna nandeha agny Galilia ndraike. 4 Fa ilaine ny mamakivaky an'i Samaria. 5 Ka die tonga tao amin'ny tanàna iray ao Samaria Ijy, angihana hoe Sykara, akeken'ny ampahan-tany ijay namen'i Jakoba an'i Josefa janagne. 6 Teo ny fangalan-dranon'i Jakoba. Nahatsiaro vijaka tamin'ny dieny Jesôsy ka nipeyraka teo amin'ny fangalan-drano. Tokony teo amin'ny ora fahenina teo. 7 Nisy viavy samaritana raike tonga hangala rano, ka hoy Jesôsy taminajy hoe: "Mba omeo rano Iaho hisotroko." Mba omeo rano, ka hoy Jesôsy taminajy hoe: "Mba omeo rano Iaho hinomiko." 8 Fa ny mpianany efa lasa agny an-tanàna mba hividy hanigna. 13 Jesôsy namaly ka nagnano taminajy hoe: "Ijay rehetre misotro amin'itoy rano itoy die mbola hangetaheta ndraike, 14 fa n'ija n'ija minogna amin'ny rano ijay homeko anajy die tsy hangetaheta mandrakijay. Fa koja, ny rano ijay homeko anajy die ho tonga loharano miboiboike ao agnatine, ijay mitondra agny amin'ny fiaignana mandrakijay. Fa koja, ny rano ijay homeko an'ajy die ho tonga loharano miboiboike ao agnatine, ijay mitondra agny amin'ny fiaignana mandrakijay." 15 Hoy raviavy taminajy hoe: "Tompoko, omeo ijany rano ijany iaho mba tsy hangetaheta sy ho tonga hangala rano eto koa." 16 Hoy Jesôsy tami-raviavy hoe: "Mandehana, antsovy ny vadinao, die miveregna atoy." 17 Namaly ny viavy ka nijaka tamunajy hoe: "Tsy manambady iaho." Namaly Jesôsy hoe: "Marina ny vôlajanao hoe: 'Tsy manambady iaho, 18 'fa efa nanambady indimy anao, ary ny raika ijay hipetrahanao amkehitriny die tsy mbola vadinao. Marina ijay vôlajanao." 19 Hoy raviavy taminajy hoe: "Tompoko, hitako fa mpaminagny Anao. 20 Ny razantsena nivavaka teto amin'itoy tendrombohitre itoy, kanefa anareo magnambara fa Jerosalema no toerana tokony hivavahan'ny olo." 21 Hoy Jesôsy taminajy hoe: "Minoa Anahy, raviave, fa ho avy ny andro ijay hideranareo ny Ray ka sady tsy amin'itoy an-tendrombohitra itoy no tsy any Jerosalema. 22 Fa anareo menkohoke amin'ijay tsy fantatrareo. Ahay koja menkohoka amin'ijay fantatray, satria ny famonjena die avy amin'ny Jiosy. 23 Kanefa, hoavy ny andro, ary tonga ankehitriny, laha efa hidera ny Ray amin'ny fagnahy sy faharignana ny tena mpivavake, satria ny Ray die miremby olo hôtran'ijany ho mpidera Anajy. 24 Andriamanitra die Fagnahy, ary ny olo ijay midera Anajy die tsy mentsy midera amin'ny fagnahy sy fahamarignana." 25 Hoy ny viavy tamin'ajy hoe: "Fantatro fa ho avy ny Mesia (ny antsovana hoe Kristy). Ary laha efa tonga Ijy, die hagnajava amintsena ny raha manontolo." 26 Hoy Jesôsy taminajy hoe:" Iaho ijay miresaka aminao, no Ijy." 28 Noho ijany die namela ny sinine raviavy, ka nandeha niverigna tagny an-tanàna, ary nijaka tamin'olo hoe: 29 "Handeha, hijaha ny lelahy ijay nilaja ny vitako manontolo. Tsy ho Kristy ijany, sa ve Ijy?" 30 Die niala teo an-tanàna areo nandeha eo aminaje. 31 Nandritra' ijane, nampirisike An'dreo mpianatre, magnano hoe: "Raby, mihinàna." 32 Fa hoy Ijy tamin'dreo hoe: "Iaho die managna hanin-ko hoanina ijay tsy fantatrareo." 33 Ka nifampijaka ny mpianatrany hoe: "Tsy nisy olo nitondra raha hoanina hôn'Aje, sa ve nisy?" 34 Hoy Jesôsy tamin'dreo hoe: "Ny sakafoko die ny magnano ny sitrapon'ny nagniraka Anahe ary magnano ny saragne. 35 Moa Anao tsy milaja hoe: " Efa-bolagna sisa die hoavy ny fararano?' Lajaiko aminareo, atopajo ny masonareo die jahao ny agny an-tsaha, f'efa masake ary ho jinjaina io! 36 Ijay mijinja die mandray karama sy manangogna vokatre hômin'ny fiaignana mandrakijay, ka hiaraka faly ny mpamafy sy ny mpijinja. 37 Fa amin'ijane die marina ny teny magnano hoe: 'Ny raike mamafy, ary ny raike kosa minjinja,' 38 Nagnirake anareo hinjinja ijay tsy nisasaranareo Iaho. Ireo hafa no nisasatre, ary anareo no niditre teo amin'ijay nisasarane." 41 Maro hafa no nino nohon'ny tenine. 42 Hoy areo tami-raviavy hoe: "Tsy noho ijay vôlajanao koa no hinônay, fa ahay mihintsy no efa naharegne, ary fantatray fa Ijy tokôtre ny Mpamonjy an'ijao tontolo ijao." 43 Tafaran'io roa andro io, die niala avy tao Ijy handeha agny Galilia. 44 Fa Jesôsy mihintsy no nagnambara fa ny mpaminagny die tsy manan-danja ao amin'ny tanine manokagna. 45 Laha efa tonga tao Galilia Ijy, die nandray Anajy ny Galiliana. Areo die nahita ny raha aby daholo ijay nataone tao Jerosalema tamin'ny andro fifalefalena, satria nandeha tagny amin'ny andro fifalefalena mandy koa areo. 46 Ary tonga tao Kana ao Galilia ndraike Ijy, ijay toerana nampodiena ny rano ho divay. Nisy tandapa raike ijay nanagna janaka lahy marary tao Kapernaony. 47 Laha efa regnine fa avy Jodia ho agny Galilia Jesôsy, die nandeha eo amin'i Jesôsy ijy ary nangataka taminaje mba hidigna ary hagnafake ny janagne lelahy, ijay efa ho fate. 51 Laha igny ijy nidigna igny, die nitsena andreo mpanompone, nilaja fa velogna ny janagne. 52 Ka nagnotany andreo ny ora ijay nagnaretane ijy. Namaly anajy areo hoe: "Maly tamin'ny ora fahafito no nialàn'ny tajo taminaje." 53 Fantatrin'ny ray avy teo fa tamin'io ora io no nilajan'ny Jesôsy anajy hoe: "Velogna ny janakao." Ka die nino ny tegnany sy ny ankohonane aby daholo. 54 Ijany no famantarana faharoa nataon'ny Jesôsy tamin'Ijy niala tao Jodia ho agny Galilia.