Toko faha 9

1 Nenga amin'ny havan'ny endriny tagny Sekema i Abimeleka janak'i Jerobala ary nijaka tamin-dreo sy ny fianakavian'ny endriny abiaby hoe: '' 2 Mba jakao ro ijao, mba ho regnin'ny mpitarike abiaby ao Sekema: ' Ino no mety loholoho aminareo: managna ny janak'i Jerobala fitopolo lahy hanapake eo aminareo, sa raike mandy no manapake eo aminareo?' Tsarovy fa nofo sy ranareo iaho.'' 5 Nenga agny an-dragno'ny abany tagny Ofra i Abimeleka, ary novonoiny teo ambonin'ny vato raike ireo rahalahiny fitopolo, die ireo janak'i Jerobala. Jotama no sisa tavela, die ilay janak'i Jerobala faralah, satria nivony ijy. 6 Niara-tonga ny mpitarik'i Sekema sy Beta-milo abiaby ka nandeha ary nagnano an'i Abimeleka ho mpanjaka, teo agnilan'ny hajo terebinta akekin'ny andry ijay agny Sekema. 7 Laha nijakaina ny mikasika an' ijany i Jotama, die nandeha ijy ary nitsangagna teo an-tampon'ny tetin'i Gerizima. Nangaingaike ijy ka nijake tamin-dreo hoe:'' Tenoy iaho, anareo mpitarik'i Sekema, mba hitenon'Andriamanitra anareo. 8 Indraike andro die nivôke ny hajo mba hagnosotre mpanjaka raike ho eo amin-dreo. Satria hoy areo tamin'ny hajon'oliva hoe: Manjaka aminay.' 9 Nefa hoy ny hajon'oliva tamin-dreo: '' Tokony hafoiko ve ny diloiloko, ijay ampiasaina hagnomejam-boninahitre ireo andriamanitra sy ny olombelogna, mba hahafahako mandeha mipody, ka hitsingevaheva amin'ny hajo hafa fotsiny mandy?' 10 Hoy ireo hajo tamin'ilay aviavy:' Avia ka manjaka aminay.' Fa hoy koja ilay aviavy tamin'ireo; ' 11 Tokony hafoiko ve ny hamamiko sy ny voa tsarako, mba hahafahako mipody ka hitsingevaheva eo amin'ireo hajo hafa fotsiny mandy?' 12 Hoy ireo hajo tamin'ilay vôloboke: 'Avia ka manjaka aminay.' 13 Hoy ilay vôloboke tamin-dreo hoe tokony hafoiko ve ny divay vaoavaoko, ijay mampifaly ny andriamanitra sy ny olombelogna, ka hipody ary hitsingevaheva eo amin'ireo hajo hafa?' 14 Die hoy ny hajo abiaby tamin'ny t-silon-draketa: 'Avia ka manjaka aminay.' 15 Hoy ny tsilon-draketa tamin'ny hajo:' Laha tena te hagnosotre an'ahy ho mpanjaka eo aminareo anareo, die avia ary mandrimbeja fiarovana eo amban'ny aloko. Laha tsy ijany die ôke hivôke avy ao amin'ny tsilon-draketa ny afo ary ôke ijany hagnoro ny sederan'i Libanona.' 16 Ankehitriny ary, laha nagnano ny marina sy mahitsy anareo, tamin'ny nanaovanareo an'i Abimeleka ho mpanjaka, ary laha nagnano ny tsara mahakasike an'i Jerobala sy ny ankohonany, ary laha nagnafay an'ajy arak'ijay mendrike an'ajy anareo- 17 - ary mihevitre fa niady ho anareo ny abako, nagnano vy very ny aigne, ary namonjy anareo tamin'ny tagnan'i Midiana- 18 fa ankehitriny anareo die efa nitsangagna hanohitre ny ankohonan'iabako ary namono ireo janagny lahy, die olo fitopolo , teo ambony vato raike ijany Ary nataonareo mpanjaka eo amin'ireo mpitarik'i Sekema i Abimeleka, janak'i janaky ny mpanompo vaviny, satria havanareo ijy. 19 Laha nagnano ny marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy ny ankohonany anareo die tokony hiravoravo amin'i abimeleka, ary hamela an'ajy hiravoravo aminareo. 20 Fa laha tsy ijany, die ôke hisy afo hivôke avy ao amin'i Abimeleka ka hagnoro ny olon'i Sekema sy Beta-milo. ôke hisy afo hivôke avy eo amin'ireo olon'i Sekema sy Beta-milo, mba hagnoro an'i Abimeleka. '' 21 Nilefa ka nitsôke i Jotama, ary nandeha tagny Bera ijy. Nonigna tagny ijy lavitre an'i Abimeleka rahalahiny ijany. 22 Nanapake teo amin'i Israely nandritra ny telo taogna i Abimeleka. 23 Die nandefa fagnahy ratsy teo amin'i Abimeleka sy ireo mpitarik'i Sekema Andriamanitra. Namadike ny toky ijay nanagnan-dreo tamin'i Abimeleka ireo mpitarik'i Sekema Nagnano ireo mpitarik'i Sekema. 24 Nagnano ijany Andriamanitra mba ho vôvaly faty ny herisetra natao tamin'ireo janak'i Jerobala fitopolo lahy, ary ho vôtajogna ho tompon'antoka ireo olon'i Sekema satria magnampy an'ajy namono an'ireo rahalahiny areo. 25 Koa die nametrake olo hiambigna teo an-tampon'ny tety ireo mpitarike mba hahafahan-dreo mamely tampoke ary norobain-dreo aby koa ireo ijay nandalo teo amin-dreo teo amin'ijany lalagna ijany. Vôtatitre tagny amin'i Abimeleka ijany 26 Die tonga niarake tamin'ireo havany i Gala janak'i Ebeda ary nenga agny Sekema. Nanagna fitokisana tamin'ajy ny mpitarik'i Sekema. 27 Nivôke tagny an-karegna areo ary nagnangogna vôloboke avy tao amin'ny tanimbôloboke, ary die nohitsakitsahiny iajny. Nagnano firavoravoana tao an-dragnon'ny andriamaniny areo, ijay nihinanan-dreo sy ninomany, ary nagnojonan-dreo an'i Abimeleka 28 y i Gala, janak'i Ebeda hoe: ''Ija moa i Abimeleka, ary ija i Sekema, no die tokony hanompo an'ajy antsena! Moa tsy janak'i Jerobala ve ijy? Moa tsy Zebola ve no lefiny? Tompoy ny olon'i Hamora, die ny aban'i Sekema ijany! Nagnino an-tsena no tokony hanompo an'i Abimeleka? 29 Iriko mba teo ambany fifehezako itoy vahôke itoy! die ho nalaiko i Abimeleka. Die nijake tamin'i iaho hoe: Angeho ny tafikanao abiaby.''' . 30 Laha naharegne ny jakan'i Gala janak'i Ebeda abiaby i Zebola, manam-boninahitry ny tanana, die nirehitre ny haviignirany. 31 Nandefa irake tagny amin 'i Abimeleka ijy mba hamitahana, nagnano hoe: ''Io, Gala janak'i Ebeda sy ireo havany die ho avy agny Sekema, ary magnenga ny tanana hanohitre anao ijy. 32 Ankehitriny ary, die mifohaja mandritre ny aligna, anao sy ireo miaramila miarake aminao, ka manomagna fanafihana tampoke agny an-karenagna. 33 Ary amin'ny maraigna, vantany vao mihiratre ny masoandro, die mfohaja vao maraigna ary manôva rodobe egne amin'ny tanàna. Laha mivoke hanohitre anao ijy sy ireo olo miarake amin'ajy, die manôva ijay afakao amin-dreo.'' 34 Koa die nifoha nandritre ny aligna i Abimeleka, sy ireo lelahy abiaby ijay niarake tamin'ajy, ary nametrake fanafihana tampoke hanohitre an'i Sekema areo- nijara ho antoko efatre ijany. 35 Nivôke i Gala janak'i Ebeda teo ary nitsangagna teo amin'ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanàna. Nivôke avy ao amin'ny toerana fivoniany i Abimeleka sy ireo lelahy niarake tamin'ajy. 36 Laha hitan''i Gala ireo Lelahy, die hoy ijy tamin'i Zebola hoe: ''Irôy; misy olo mijotso avy agny an-tampon'ny tety! ''Hoy i Zebola tamin'ajy hoe: '' Hôtrin'olo fahitanao ireo aloke eo amin'ny tety. '' 37 Die nijaka indraike i Gala ka nagnano hoe: '' Irôy; misy olo mijotso eo agnivon'ny tany, ary misy antoko raike tonga lahateo amin'ny hajo terebitan'ireo mpagnandro.'' 38 Die hoy i Zebola tamin'ajy: ''Aja ary ireo jaka mieboebonao ankehitriny, anao ilay nijake hoe: 'Ija moa i Abimeleka ho tompointsena?' Moa ve tsy magnamavo ireo lelahy ireo anao? Mivoaha ijao ka miadia amin-dreo.'' 39 Nivôke i Gala ary nitarike ireo lelahin'i Sekema, ary niady tamin'i Abimeleka areo. 40 Nagnanjake an'ajy i Abimeleka, ary nilefa teo alohany i Gala. Rahabe no lavon'ny ratre mahafaty teo alohan'ny fidirana teo am-bavahadin'ny tanàna. 41 Nitoetre tagny Amora i Abimeleka. Noteren'i Zebola hivôke an'i Sekema gala sy ireo havany. 42 Ny ampitso die nivôke ho agny an-karenagna ireo vahôkan'i Sekema, ary vôtatitre tagny amin'i Abimeleka ijany. 43 Nangala ireo vahôkany ijy, nijara an-dreo ho antoko telo, ary nagnomagna fanafihana tampoke tagny an-karenagna areo.Nijaha ihy ka nahita ny olo nivôke avy tagny an-tanàna ary nanafike ijy ka nahafaty an-dreo. 46 Laha naharegne ny momba an'ijany ireo mpitarika teo amin'ny tilikambon'i Sekema, die niditre tao amin'ny fiarovana mafin'ny tragnon'i El-berita areo. 47 Nojakaina tamin'i Abimeleka fa niara-nivory tao amin'ny tilikambon'i Sekema ny mpitarike abiaby. 48 Nandeha niakatre tagny an-tetin'i Zalmona i Abimeleka, ijy sy ireo lelahy abiaby niarake tamin'ajy. Nangala famaky i Abimeleka ary nanapake rantsan-kajo. Napetragny teo an-tsorogny ijany ary nibeko ireo lelahy niaraka tamin'ajy hoe: '' Ijay hitanareo ataoko, malakia ka manôva hôtrany ny nataoko.'' 49 Koa die nikapa rantsan-kajo ny olo abiaby ary nagnarake an'i Abimeleka. Navangongn-dreo teo amin'ny rindrign'ny tilikambo ijany, ary norôn-dreo, hany ka maty mandy koa ny olo abiaby tao amin'ny tilikambon'i Sekema, die lelahy sy viavy magnodidigna ny arivo ijany. 50 Die nenga agny Tebeja i Abimeleka, ary nitoby tandrifin'i Tebeja ijy ka nambabo ijany. 51 Kanefa nisy tilikambo mafy tao an-tanàna, ary vaky nilefa nenga ao amin'ijany ireo lelahy sy viavy ary ireo mpitarike ny tanàna abiaby nihidy tao. Avy eo die niakatre tegne an-tafon'ilay tilikambo areo. 52 Nenga agny amin'ny tilikambo i Abimeleka ka niady tamin'ijany, ary niakatre nagnakeky ny varavaragn'ny tilikambo ijy mba hagnoro an'ajy. 53 Kanefa nisy viavy nandatsake vato fikosoham-bary teo amin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany. 54 Avy eo die nangaike malaky an'ilay jalahy ijay mpitondra ny fiadiany ijy ka nijaka tamin'ajy hoe: ''Avoahy malaky ny sabatrao die vonoy aho, mba tsy hisy hijake ny amin'ahy hoe: 'Viavy no namono an'ajy, ary maty. 55 Laha hitan'ireo olon'Israely fa maty i Abimeleka, die nody areo, 56 koa die namaly faty ny faharatsian'i Abimeleka ijay nataony tamin'iabany tamin'ny namonoany ireo rahalahiny fitopolo Andriamanitra. 57 Napodin'Andriamanitra teo amin'ny lohan-dreo mandy ny faharatsian'ireo olon'i Sekema ary nanody an-dreo ny ojogn'i Jotama janak'i Jerobala.