Toko faha 8

1 Hoy ireo lelahin'i Efraima tamin'i Gideona hoe : ''Ino ijao raha nataonao taminay ijao? Tsy nangaike anay anao laha nandeha niady tamin'ny Midiana. ''Nifamaly mahare tamin'ajy areo. 2 Hoy ijy tamin'dreo hoe: ino moa no vitako ankehitriny laha hoharina aminareo? Moa ve ny fagnangonam-boalobok'i Efraima tsy tsara loholoho mihôtre ny fambeleja-bôlobok'i Abiezera? 3 Andriamanitra efa nagnome fandresena anareo teo ankatrehan'ireo andrian'ny Midiana- die Oreba sy zeba! Ino moa no vitako mihôtre ijay vitanareo? Lefy ny havignirandreo tamin'ajy laha nijaka an'ijany ijy. 4 onga teo amin'i Jordana i Gideona ary nitsake an'ijany sy ireo lelahy telonjato ijay niarake tamin'ajy. Rerake lôtre areo, nefa die mbola nanohy ny fagnanjahana mandy. 5 Hoy ijy tamin'ireo olo tao Sokota hoe:'' Mba omeo mofo ireo olo magnarake an'ahy, satria rerake lôtre areo, ary iaho hagnanjake an'i Zebaha sy Zlamona, mpanjakan'i Midiana. 6 Die hoy ireo manam-pahefana hoe: ''Moa ve eo am-pelatagnanao ny tanan'i Zebaha sy Zalmona ankehitriny? Nagnino no tokony hagnome mofo ho an'ireo miaramilanao ahay? 7 Hoy Gideona hoe: '' Laha omen'i Yaveh fandresena ahay manoloana an'i Zebaha sy Zalamona, die ho triariko tsilo avy agny agn'efitre sy raketa ny hoditrareo.'' 8 Niakatre avy tao ijy mba ho agny Penoela ary nijake hôtran'ijany tamin'ny olo tao mandy koa, fa ny olo tao Penoela namaly an'ajy hôtran'ireo famalin'ny olo tao Sokota. 9 Nijaka tamin'ny olon'i Penoela mandy koa ijy nagnano hoe: '' laha tafapody am-pilamignana indraike iaho, die harodako itoy tilikambo itoy.'' 10 Ary niarake tamin'ireo miaramilany tao Karkora i Zebaha sy Zalmona, tokony ho lelahy dimy arivo sy iray aligna eo, ijay sisa abiaby tamin'ny tafikin'ny vahôke antsignanana manontolo, satria nisy lelahy 120.000 lavo ijay vôofagna hiady amin'ny sabatre. 11 Niakatre ilay lalagn'ny mpidoboke an-day i Gedeona, nandalo tao Noha sy Jogbeha. Nandresy ireo tafike fahavlo ij, satria tsy nagnampo ny fanafihana areo. 12 Nilefa i Zebaha sy Zalmona, ary laha nagnajake an-dreo i Gideona, die voaasambony ireo mpanjaka roan'i Midiana- i Zebaha sy Zalmona- ary nampihorohorany ny tafikan-dreo manontolo. 13 Gideona, janake lahin'i Joasy, die nipody avy tagny amin'ny ady ary nandalo teo amin'i lalagn'i Heresa. 14 Nihaogna tamin'ny jalahy raike avy amin'ny mponigna tao Sokota ijy ary nandrembe torohevitre tamin'ajy ny mombamomba ireo mpitarike ny Sokota sy ireo loholo tao, fito amby fitopolo lahy areo. 15 Ary tonga tao amin'ireo lelahin'i Sokota i Gideona ka nagnano hoe:'' Irôy Zebaha sy Zalmona, ijay nangalana an'ahy sy nijakanareo hoe: ' Efa nandresy an'i Zebaha sy Zalmona ve anao? Tsy fantatray fa tokony hagnome mofo an'ireo tafikanao ahay.''' 16 Nalain'i Gideona ireo loholo tao amin'ilay tanàna, ary nofejiny tamin'ireo tsilo avy lahatagny an'efitre sy raketa ireo lelahin'ny Sokota. 17 Avy eo die narodagny ny tilikambo tao Penoela ary novonoiny ny lelahy tao amin'ijany tanàna ijany. 18 Die hoy Gideona tamin'ny Zebaha sy Zalmona hoe: '' Lelahy hôtran'ino no novoinareo tao Tabara? '' Namaly areo hoe: hôtrany anao mandy areo. Ny kiraidraike tamin-dreo die hôtran'ny janake mpanjaka aby koa. '' 19 Hoy Gideona hoe: "Rahalahiko areo, janake lahin'ny endriko. Laha velogna koa Yaveh, laha namonjy an-dreo ho velogna anareo, die tsy namono anareo iaho. 20 Hoy ijy tamin'ny Jatera ( lahimatoany) hoe:" Mitsangana ary vonoy areo!'' Fa ilay jalahy tsy nagnatsôke ny sabatrany fa natahotre, satria mbola jalahy kely ijy. 21 Die hoy Zebaha sy Zalmona hoe: 'Mitsangana anao ary vonoy ahay! fa araky ny toetry ny olo mandy ny heriny.'' Nitsangagna i Gideona ary namono an'i Zebaha sy Zalmona. Nalainy mandy koa ny ravake sarim-bolan-tsignana ijay teo ambojogn'ny ramevan'dreo. 22 y ilay lelahin'Israely tamin'i Gideona hoe: '' Manapaha anay- anao, ny janakao lahy; ary ny jafikelinao lahy- satria anao no nagnavotre anay teo amin'ny tagnan'i Midiana. '' 23 Hoy Gideona tamin-dreo hoe: '' Tsy hanapake anareo iaho, na ny janako lahy koa aja die tsy hanapake anareo. fa Yaveh no hanapake anareo. 24 Nijaka tamin-dreo i Gideona hoe: '' Ôke iaho hagnano fangatahana aminareo: die ny hagnomejanareo an'ahy ny kavigna avy norobainy.'' ( Nanagna kavigna volamena ireo Medianita satria Ismaelita areo.) 25 Namaly areo hoe: "An-kafaliana no agnomejanay an'ireo anao. " Namelatre lamba areo ary samy nanipy ireo firavake avy norobainy ny lelahy abiaby. 26 Ny lanjan'ny kavim-bolamena ijay nangatahiny die sekely volamena 1.700. Ijany fandrobana ijany die niampy ny ravake sarim-bolan-tsignana, ireo firavake, ny akanjo volomparasy ijay nanaovan-dreo mpanjakan'ny Midiana, ary nagnampy ny rojo ijay nagnodidigna ny vojogn',ny ramevan-dreo. 27 Nagnambôtre efoda avy amin'ireo kavigna i Gideona ary napetagny tao an-tananany, tao Ofra ijany, ary nampijanganjanga ny tegnany tamin'ny fanompoana an'ijany teo ny Isarely abiaby. Lasa fandrike ho an'i Gideona sy ho an'ireo ijay tao an-dragnony ijany. 28 Ka die resy teo an-ketrahan'ny vahôkan'Israely ireo Midiana ary tsy nagnarigna ny lohan-dreo koa areo. Ary nilamigna nandritre ny efapolo taogna ny tany tamin'ny andron'i Gideona. 29 Jerobala, janake lahin'i Joasy, nandeha ka nidoboke tao an-dragnony. 30 Nanagna janake fitopolo lahy ijay taranagny i Gideona, satria maro vady ijy. 31 Ny vadintsindragnony, ijay tao Sekema, die namaitre jajalelahy tamin'ajy koa, ary Gideona nagnome ny agnarana hoe Abimelek. 32 Gideona, janake lahin'i Joasy, die maty laha tratre antitre tsara ary nalevigna tao Ofra tao amin'ny fasagn'i Joasy iabany, fokon'ny Abiezrita. 33 Ary laha vô maty i Gideona, nipody indraike ireo janak'Israely ary nampijanganjanga ny tegnany tamin'ny fanompoana an'ireo Bala. Nataon-dreo ho andriamaniny i Bala-berita. 34 Ary ny vahôken'Israely die tsy nahatsiaro ny hagnome voninahitre an'i Yaveh, Andriamanitran-dreo, ijay nagnavotre an-dreo teo amin'ireo fahavalo abiaby magnodidigna. 35 Tsy nitandrigna ny fampagnantenainy tamin'ny tragnon'i Jerobala(na Gideona) areo, mba ho valin'ny soa abiaby nataony tamin'Israely.