Toko faha 13

1 Nagano ijay ratsy teo imason'i Yaveh indraike ny vahôkan'i Israely, ka natolony teo an-tagnan'ireo Filistina nandritre ny efapolo taogna areo. 2 Nisy lelahy raike avy agny Zora, avy amin'ny fianakavian'ireo Danita, Manoa no agnarany.Tsy afake nitoeran'anake ny vadiny ka tsy namaitre ijy. 3 seho tamin-draviavy ny anjelin'i Yaveh ka nagnano tamin'ajy hoe: ''Io ankehitriny, tsy afake nitoeran'anake anao, ary tsy namaitre, nefa hitoeran'anake anao ary hamaitre jajalelahy. 4 Ary Mitandrema mba tsy hinogna divay na raha finomina mahery, ary aja mihinagna raha maloto. 5 Ijao , hitoeran'anake anao ary hamaitre jajalelahy. Tsy hisy fangitre ampiasaina amin'ny lohany, satria Nazirita ho an'Andriamanitra lahatagny an-troke ny jaja, ary ijy no hanomboka hagnafake ny Israely eo An-tagnan'ireo Filistina.'' 6 Ary tonga Raviavy ka nijaka tamin'ny vadiny hoe: ''Nisy lelahin'Andriamanitra tonga tamin'ahy; ary hôtran'ny anjelin'Andriamanitra ny fahitana an'ajy, tena mampatahotre. Tsy nagnotany an'ajy ijay niaviany iaho, ary tsy nijaka tamin'ahy ny agnarany ijy. 7 Die hoy ijy tamin'ahy hoe: '' Io! Hitoeran'anake, ary hamaitre jajalelahy anao. Koa noho ijany die aja minogna divay na raha finomina mahery, ary aja mihinagna hanina ijay ambaran'ny lalàna fa maloto, satria ny jaja die ho Nazirita ho an'Andriamanitra manomboka amin'ny fotôgna maha ao am-bohoke an'ajy ka lahatamin'ny andro hahafatesany.'' 8 ie nivavake tamin'i Yaveh i Manoa ka nagnano hoe:'' Tompo o, mba avelao ilay lelahin'Andriamanitra nirahinao hipody aminay indraike mba hampianarany anay ijay tokony hataonay amin'ny jaja ijay hafaitre tsy ho ela. 9 ''Namaly ny vavak'i Manoa i Yaveh, ka tonga tamin-draviavy indraike ny anjelin'Andriamanitra laha nidoboke tagny an-karegnana ijy. Nefa tsy niarake tamin'ajy i Manoa vadiny. 10 Koa nihazakajake mahare raviavy nijaka ny vadiny hoe: ''Io! Nibôke tamin'ahy ilay lelahy- ilay tonga tamin'ahy indraike andro igny! 11 Die nitsangagna i Manoa ka nagnarake am-badiny. Laha tonga teo amin'ilay lelahy ijy die hoy ijy hoe: ''Anao ve ilay lelahy nivoria tamin'ny vadiko? Die hoy ralelahy hoe: ''Iaho no ijy.'' 12 die hoy i Manoa hoe: ''Ankehitriny ho tanterake anie ny jakanao. Ino no ho fitsipike ho an'ilay jaja, ary ino no ho asany? 13 Hoy ny anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: ''Tsy mentsy hagnano am-pitandremana ny raha abiaby ijay nijakaiko tamin'ajy ijy. 14 Tsy afake mihinagna n'ino n'ino ijay avy amin'ny vôloboke ijy, ary aja abela minogna divay na raha finomina mahery; aja abela mihinagna hanina ijay ambaran'ny lalàna fa maloto ijy. Tokony hankato ny raha abiaby nandidiako an'ajy ho ataony ijy.'' 15 Hoy i Manoa tamin'ilay anjelin'Yaveh hoe: ''Mba mijanogna kelikely rô, mba hagnome fotôgna anay hikarakarana janak'osy ho anao. '' 16 Hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: ''Na die hijanogna aja iaho, die tsy hihinagna ny haninanao akory. Fa laha magnomagna fanatitre orôna anao, die atolory ho an'i Yaveh ijany.'' ( Tsy fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh ijy.) 17 Die hoy i Manoa tamin'ilay anjelin'i Yaveh hoe: ''Ija no agnaranao, mba hahafahanay magnome voninahitra anao laha tanterake ireo jakanao? 18 Die hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'ajy hoe: ''Nagnino no magnotany ny agnarako anao? Mahafinaritre ijany!'' 19 Ary nalain'i Manoa niarake tamin'ny fagnatitre ho hanina ny janak'osy ka natolony teo ambony vatolampy ho an'i Yaveh ireo.Nagnao raha mahajendagna ijy laha igny nijaha igny i Manoa sy ny vadiny. 20 Laha niakatre avy teo amin'ny alitara nenga agny an-danitra ny lela afo, die niakatre tao agnatin'ny lela afon'ny alitara ilay anjelin'i Yaveh. Nahita an'ijany i Manoa sy ny vadiny ary nampiankohoke ny tarehin-dreo tamin'ny tany. 21 y nibôke tamin'i Manoa sy ny vadiny koa ilay anjelin'i Yaveh. Ary fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh ijy. 22 Hoy i Manoa tamin'i vadiny hoe: Ho faty tokôtre antsena, satria nibôke tamintsena Andriamanitra!'' 23 Nefa hoy ny vadiny tamin'ajy hoe '' Laha te hamono antsena Andriamanitra, die tsy nandray fanatitre orôna sy ny fanatitre hohanina nomentsena agny Ijy.Tsy tokony nampibôke antsena iregne raha abiaby iregne Ijy, na mamela antsena haharegne raha hôtran'ijany amin'ijao fotôgna ijao.'' 24 Tatoy afara die namaitre jajalelahy raviavy, ary nataony Samsona ny agnarany. Nihalehibe ny jaja ary nitahy an'ajy i Yaveh. 25 Nanomboke nagnetsike an'ajy tagny Mahana-dana ny fanahin'Andriamanitra, teo agnelagnelan'i Zora sy Estaola.