Toko faha 12

1 Nisy haike tonga ho an'ireo lelahin'i Efraima; namakivaky an'i Zafona areo sady nijaka tamin'i Jefta hoe: ''Nagnino anao no nandeha hiady amin'ny vahôkan'ny Amona ary tsy nangaike anay hiarake aminao? Horônay anao sy ny tragnonao. 2 Hoy Jefta tamin-dreo hoe: ''Iaho sy ny vahôkako die nanagna fifandirana lehibe tamin'ireo vahôkan'i Amona. Tamin'ny nangaike anao iaho die tsy namonjy an'ahy teo amin-dreo anao. 3 Laha hitako fa tsy namonjy an'ahy anao, die napetrako tamin'ny tanjako manontolo ny fiaignako ary namakivaky ny vahôkan'i Amona iaho; ka nomen'i Yaveh an'ahy ny fandresena. Nagnino anao no tonga hiady amin'ahy ankehitriny? 4 Nampivorin'i Jefta niarake ny lelahy abiaby tao Gileada ka niady tamin'i Efraima ijy.Nanafike an'ireo lelahin'i Efraima ireo lehilahin'i Gileada satria hoy areo hoe: ''Anareo Gileadita die mpilefa an'i Efraima- ao Efraima sy Manase.'' 5 Nosamborin'ireo Gileadita ireo fitsahan'i Jordana menga agny Efraima. laha misy amin'ireo sisa velogna mijaka hoe: ''Abelao iaho hitsaka ny ranobe, ''die hijaka an'ajy ireo lehilahin'i Gileada hoe: Efraimita ve anao?'' laha mijaka ijy hoe: ''Tsiare'' 6 die hijaka amin'ajy areo hoe: ''tognony hoe: Shiboleta,'' ary laha mijaka ijy hoe ''Siboleta''(satria tsy nahay nanognona ilay jaka majava ijy) , die hosamborin-dreo Gileada ijy ary hovonoina eo amin'ny fitsahan'ny Jordana. Roa arivo sy efatre aligna ireo Efraimita novonoina tamin'ijany fotôgna ijany. 7 Niasa hôtrany mpitsara naneragna an'i Israely nandritre ny enina taogna i Jefta i Jefta. Avy eo die maty ilay Gileadita ary nalevigna tao amin'iray amin'ireo tanànan'ny Gileada. 8 afarany, die i Ibzana avy eo Betlehema no niasa ho mpitsara an'i Israely. 9 Nanagna janake lahy telo-polo . Nahafoy janake vavy telo-polo hampakarina ijy, ary nitondra ireo janake vavy telo-polo hampekarina ijy, ary nitondra ireo janake vavy telo-polo an'ny lelahy hafa avy agny ivelany ho an'ny janagny lahy ijy. Nitsara an'i Israely nandritre ny fito taogna ijy. 10 ty Ibzana ary nalevigna tao Betlehema. 11 Tafarany die i Elona ilay Zebolonita no niasa hôtrany mpitsara an'Israely.NItsara an'Israely nandritre ny folo taogna ijy. 12 Maty i Elona ilay Zebolonita ary nalevigna tao Aialona tagny amin'ny tanin'i Zebolona. 13 gnarake an'ajy die i Abdona janaka lahin'i Elela ilay Piratonita no niasa hôtran'ny mpitsara an'i Israely. 14 Nanagna janakalahy efapolo ijy ary jafikely lahy telopolo. Nideba ampondra fitopolo areo. Ary nitsara an'Israely nandritre ny valo taogna ijy. 15 Maty i Abdona janaka lahin'i Elela ilay Piratonita tagny amin'ny tanin'i Efraima tany ambon'ny firenen'ireo Amalekita.