Toko faha 11

1 Ary Jefta ilay Gileadita die mpiady mahery, kanefa janaka mpivaro-tegna ijy.Gileada no abany. 2 Namaitre ireo janagny lahy hafa koa ny vadin'i Geleada. laha lehibe ny janaky ny vadiny, die noteren-dreo handao ny tragno i Jefta sady nagnano tamin'ajy hoe: ''Tsy handova n'ino n'ino avy amin'ny fianakavianay anao. Janaky ny viavy hafa anao'' 3 Noho ijany die nitsôke an'ireo rahalahiny Jefta ary nonigna tagny amin'ny tanin'i Toba. Nisy lelahy tsy mpagnara-dalana nagnatogna an'ajy ka tonga areo ary nandeha niarake tamin'ajy. 4 ndro vitsy taty afara, die niady tamin'Israely ny vahôkan'i Amona. 5 Laha niady tamin'Israely ny vahôkan'Israely ny vahôkan'i Amona, die tonga nitondra an'i Jefta avy agny amin'ny Toba hipody ireo loholon'i Gileada. 6 Hoy areo tamin'i Jefta hoe: ''Avia ary meteja ho mpitarike anay mba hahafahanay miady amin'ny vahôkan'i Amona. 7 oy Jefta tamin-dreo mpitarike an'i Gileada hoe : '' Nankahala an'ahy anareo ary nanery an'ahy handao ny tragnon'iabako. 8 Nagnino anareo ankehitriny no menga atoy amin'ahy laga ao agnaty olagna? Hoy ireo loholon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: ''Ijany no antony hitodihanay aminao aùinao niany; andao hiaraka aminay ary hiady amin'ny vahôk'i Amona, ka ho tonga mpitarike amin'ijay abiaby monigna ao Gileada anao.'' 9 Hoy Jefta tamin'ireo loholon'i Gileada hoe: '' Laha indôsinao mody mba hiady amin'ny vahôkan'i Amona indraike aho, ary laha omen'i Yaveh fandresena antsena, die ho mpitarike anareo iaho.'' 10 Die hoy ireo loholon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: ''Yaveh anie ho vavolombelogna eo amintsena sy anao laha tsy magnano arake ijay jakaintsena antsena!'' 11 Noho ijany die lasa niarake tamin'ireo loholon'i Gileada i Jefta, ary nataon'ny vahôka ho mpitarike sy mpibeko an-dreo ijy. Laha teo ankatrehan'i Yaveh tagny Mizpa ijy, die namerigna ireo fampagnantenana abiaby nataony i Jefta. 12 Avy eo i Jefta nagnirake mpitondra hafatre ho an'ny mpanjakan'ny vahôkan'i Amona, magnano hoe : ino itoy ady eto amintsena itoy? Nagnino anao no tonga tamin-kery hangala ny taninay?'' 13 Die namaly an'ilay mpitondra hafatr'i Jefta ilay mpanjakan'ny vahôkan'ny Amona hoe: ''Satria tamin'ny vahôkan'i Israely nivôke avy tagny Egypta, die nalain-dreo ny taniko lahatagny Arnona ka lahatagny Jaboka, ka lahatagny Jordana. Ankehitriny ampodio am-pilamignana ireo tany ireo.'' 15 ary hoy ijy hoe: '' ijao no ambaran'i Jefta: Tsy nalain'i Israely ny tanin'i Moaba sy ny tanin'ny vahôkan'i Amona, 16 fa niakatre avy tagny Egypta areo, ary Israely nandeha namakivaky ny efitre nenga agny amin'ny Ranomasina Mena sy tagny Kadesa. 17 Laha nandefa mpitondra hafatre ho agny amin'ny mpanjakan'i Edoma i Israely; nagnano hoe: 'Miangavy rô mba abelao ahay handalo eo amin'ny taninareo,' die tsy niteno ilay mpanjakan'i Edoma. Nandefa mpitondra hafatre tagny amin'ny mpanjakan'ni Moaba koa areo, fa nanda ijy. Noho ijany die nijanogna tao Kadesy i Israely. 18 Die nandeha tagny an'efitre areo ary nivily an'ilay tanin'i Edoma sy ny tanin'i Moaba, ka nandeha nagnaraka ny morony antsignanan'ny tany Moaba ary nitoby tao amin'ny ilany ampitan'i Arnona. Fa tsy nandeha nenga agny amin'ny faritanin'i Moaba areo, satria sisin-tanin'i Moaba i Arnona. 19 Ary Israely nandefa mpitondra hafatre tagny amin'i Sihona; mpanjakan'ireo Amorita; ijay nanjake tany Hesbona; hoy Israely tamin'ajy hoe' Miangavy, abelao ahay mba hiampita ny taninao menga agny amin'ny toerana ijay anay.' 20 Kanefa tsy natoky an'Israely hiampita ny faritaniny i Sihona. noho ijany die nangonin'i Sihona ny tafiny abiaby ary nafindrany tagny Jahaza ijany, ary tagny ijy no niady tamin'Israely. 21 Ary Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, nanolotre an'i Sihona sy ny vahôkany abiaby teo am-pelatagnan'i Israely ka resiny areo. Noho ijany die nalain'i Israely ny tanin'ireo Amorita abiaby ijay nonigna tao amin'ny firenena ijany. 22 Nalain-dreo aby koa ny raha abiaby tao amin'ny faritanin'ireo Amorita, ary lahatagny Arnona ka lahatagny Jakoba, ary lahatagny an'efitre ka lahatagny Jordana. 23 Ary tafaran'ijay Yaveh; ilay Andriamanitrtr'Israely, die nandrôke ireo Amorita teo ankatrehan'i Israely vahôkany, ka tokony ho hangala ho fanagnany ny tanin-dreo ve anao ankehitriny? 24 Moa tsy hangala ny tany ajay nomen'i Kemosy, andriamanitrao ho anao ve anao?Noho ijany n'ino n'ino tany omen'i Yaveh andriamanintsena antsena, die ho alaintsena. 25 Koa tsara noho i Balaka janaka lahin'i Zipora, mpanjakan'i Moaba ve anao ? Sahy niady hevitre tamin'i Israely ve ijy? Sahy nanangagn'ady tamin-dreo ve ijy? 26 Laha nidoboke nandritre ny telonjato taogna tagny Hesbona sy ireo jana-bohiny i Israely, ary tagny Aroera sy ireo jana-bohiny, sy tany amin'ireo tanàna abiaby ijay egne amorogn'i Arnona-koa nagnino anareo no tsy nitondra an-dreo nipody tamin'ijany fotôgna ijany? 27 Tsy nagnano ratsy anareo iaho fa anareo koja magnano ratsy an'ahy amin'ny fanafihana an'ahy. Yaveh, ilay mpitsara, no hanapa-kevitre niany ny amin'ny vahôkan'i Israely sy ny vahôkan' Amona.'' 28 Nefa tsy niraharaha ny fampitandremana ijay nalefan'i Jefta tagny amin'ajy ny mpanjakan'ny vahôkan'i Amona. 29 Avy eo tonga tao Jefta ny Fanahin'i Yaveh, ka nandao an'i Gileada sy Manase ijy, die nandalo an'i Mizpa agny Gileada, ary avy ao Mizpa an' i Gileada ijy die nandalo ny vahôkan'i Amona. 30 Nagnano voady tamin'i Yaveh i Jefta ary nagnano hoe: "Laha omenao fandresena eo amin,'ny vahôkan'i Amona iaho, 31 die n'ino n'ino mivôke ny varangaran'gny tragnoko mba hitsena an'ahy laha mipody am-piadagnana avy agny amin'ny vahôkan'i Amona iaho, die ho an'i Yaveh, ary hatolotro ho fanatitr orôna ijany.'' 32 Ary die nandalo teo amin'ny vahôkan'i Amona i Jefta mba hiady hanohitre an-dreo, ary nomen'i Yaveh an'ajy ny fandresena. 33 Nanafike an-dreo ijy ary nahatonga famonoana lehibe tao Aerora ka lahatagny Minita- Tanàna rôpolo- ka lahatagny Abela-Keramina. Ka die tao ambany fifehejan'Israely ny vahôkan'Israely ny vahôkan'i Amona. 34 nga tao an-dragnony tagny Mizpa i Jefta, ary nivôke avy tao ny janagny vavy mba hitsena an'ajy amin'ny apongatapake sy dihy. Ijy rerike no hany janagne, ary ankôtran'ajy die tsy nanagna janake lahy na vavy ijy. 35 Vantany vao hitany ijy, die norovitiny ny sikignany ary hoy ijy hoe: ''Indrisy! Ry janako vavy! notorotoroninao tamin'alahelo aho! satria nanao fanta tamin'i Yaveh iaho, die tsy afake mipody amin'ny fampagnantenako.'' 36 ijy tamin'ajy hoe: ''Ry iabako, nagnano voady tamin'i Yaveh anao, atôvy amin'ahy ny raha abiaby nampagnatenainao, satria efa namaly faty an'ireo fahavalonao, die ireo Amorita i Yaveh. ''Hoy ijy tamin'iabany hoe: 37 ''Ôke hitajomina ho an'ahy ijany fampagnantenana ijany. Abelao ho rerike mandritre ny roe volagna iaho, mba hahafahako mandao ka mandeha mijotso menga agny aminireo tety ary hitagny ny maha-virijiny an'ahy, iaho sy ny fangoraham-poko.'' 38 y ijy hoe: ''Mandehana.'' Nalefany nandritre ny roe volagna ijy. Die nandao an'ajy rajajaviavy, ijy sy ny fangoraham-pony, ka nitomagny ny maha-virijiny an'ajy tagny amin'ny tety. 39 Laha vita ny roa volagna die nipody tagny amin'iabany ijy, ijay nagnano tamin'ajy arake ny voady fampagnantenana ijay nataony. Ary tsy mbola niara-niandry tamin'ny lelahy ijy, ka lasa fomba fanao isan-taogna tao Israely 40 fa hamerigna hitantara ijany tantaran'ny janakavavin'i Jefta ilay Gileadita ijany, mandritre ny efatr'andro, ireo janakavavin'i Israely.