Toko faha 10

1 afaran'i Abimeleka, Tola janak'i Poa janak'i Dodo, lelahy avy agny Isakara ijay nonigna tagny Samira, tagny amin'ny tany ambon'i Efraima, nitsangagna mba hagnafake an'Israely. 2 Nitsara ny Israely nandritre ny telo amby roapolo taogna ijy. Maty ijy ary nalevigna tagny Samira. 3 Nodimbiajan'i Jaira ilay Gileadita ijy. Nitsara ny Israely nandritre ny roe amby roapolo taogna ijy. 4 Nanagn'anake telopolo lahy ijay nideba ampondra telopolo ijy, ary nanagna tanàna telopolo areo, ijay angehana hoe Havota-jaira mandrak'androany, tagny amin'ny Gileada areo. 5 Maty Jaira ary nalevigna tagny Kamona. 6 Nagnampy ny ratsy ijay nataon-dreo teo imason'i Yaveh ny vahôkan'i Israely ary nanompo ireo Bala, ireo Astarta, ireo Andriamanitr'i Arama, ireo Andriamanitr'i Sidona, ireo andriamanitr'i Moaba, ireo andriamanitry ny vahôkan'i Amona, ary ireo andriamanitr'i Filistina. Nandao an'i Yaveh areo ary tsy nanompo an'ajy koa. 7 Nirehitre tamin'Israely ny havigniran'i Yaveh, ary namidiny teo an-tagnan'ireo Filistina sy teo an-tagnan'ireo Qmonita areo 8 Namotike sy nampahory ny vahôkan'Israely areo tamin'ijany taogna ijany, ary nampahorian-dreo nandritre ny valo ambin'ny folo taogna ny vahôkan'Israely abiaby ijay tagny andafin'i Jordana tagny amin'ny tanin'ireo Amorita, ijay agny Gileada. 9 Ary die nitsaka an'i Jordana mba hiady tamin'ny Joda, tamin'i Benjamina, ary tamin'ny ankohonan'ni Efraima ireo Amorita, mba hampahory mafy an'Israely. 10 Die nangaike mahare an'i Yaveh ny vahôkan'Israely, nagnano hoe: ''Efa nanota taminao ahay ary nanompo ireo Bala.'' 11 Hoy i Yaveh tamin'ny vahôkan'Israely: ''Tsy nagnafaka anareo tamin'ireo Egyptiana, Amorita, Amonita, Filistina, 12 ary koa tamin'ireo Sidoniana ve Iaho? Nampahory anareo ireo Amalekita sy ireo Maonita; die nangaike mahare an' Ahy anareo, ary nafahako tamin'ny herin-dreo anareo. 13 Die mbola nandao an'Ahy indraike anareo ary nanompo ireo andriamani-kafa. Noho ijany, tsy hagnampy ny fotôgna hagnafahako anareo 14 Iaho.Mandehana ary angeho mahare ireo andriamanitra ijay notompoinareo.Avelao ijy ireo hagnavotre anareo laha misy olagna anareo. 15 Hoy ireo vahôkan'Israely tamin'i Yaveh: Nagnota ahay. Atôvy aminay n'ino n'ino mety ho tsara Aminao. Fa koja mba avoty re ahay amin'itoy andro itoy. 16 Die nangala ireo andriamanitra tsy ijy teo amin-dreo ary nanompo an'i Yaveh. Ary tsy jakan'i Yaveh koa ny fahorian'Israely. 17 Die niara-nivory ireo Amonita ary nanangagna toby tao Gileada. Die niara-tonga ireo Israelita ary nanangagna ny tobiny tagny Mizpa. 18 Ireo mpitarika ny vahôkan'i Gileada nifampivoria hoe: ''Ija ilay lelahy ijay hanomboka hiady amin'ireo Amonita? ho lasa mpitarika ireo abiaby ijay nitoetra tagny Gileada ijy