Toko faha 9

1 Nampagneno ny trompetrany ny anjely fadimy. Naita kintana avy akeigny an-dagnitra za ze potraka taty amin'ny tany. Le kintana no namegna ny fagnalaidin-le lavaka tsy hita noanoa. 2 Nosokafany le lavaka tsy hita noanoa, ary niakatra ny setroka nivôka avy takao am-le lavaka ôtrany setroka avy amin'ny laforo ngeza. Nivadika maloka ny masoandro sy ny rivotra nony setroka nivôka takao an-davaka. 3 Avy amin'ny setroka no natongavan-reo valala teto ambonin'ny tany, ary namegna hery ôtrany an'ny maingoka teto ambonin'ny tany zareo. 4 Notenenina zareo tsy hanimba ny atra teto ambonin'ny tany na reo ra-maniry maitso na kakazo, fa reo ôla ze tsy magnana tombo-kasen'Andriamanitra akeo amin'ny handrin-zareo iany. 5 Tsy nahazo alalagna ny hamono reo ôla reo zareo, fa hampijaly an'jareo mandritra ny dimy vôlana iany. Ny fanaintainan-jareo de ôtrany tsindron'ny maingoka rafa manaitr'ôla. 6 Am-reo andro reo de hitsikaraka fafatesagna ny ôla, fa tsy haita. Hagniry ny ho faty mafy zareo, nefa hilefa an'jareo ny fafatesagna. 7 Ôtrany sovaly nomanina tamin'ny ady reo valala. Tamin'ny lôn-jareo de nisy ra ôtrany satro-boninaitra volamena, ary ny tavan-jareo de ôtrany ny tavan'olombelona. 8 Nagnana volo ôtrany volom-bevavy zareo, ary ny nifin-jareo de ôtrany nifin'ny reo liona. 9 Nagnana ferovan-tratra ôtrany ferovan-tratra vy zareo, ary ny feon'ny elan-jareo de ôtrany feon'ny kalesy sy sovaly betsaka mezakazaka ho akeigny amin'ny ady. 10 Nagnana rambo nisy fantsindromagna ôtrany maigoka zareo; akao amin'ny rambon-jareo no misy ny hery hanimba ny ôla mandritra ny dimy vôlana. 11 Nagnana mpanjaka zareo de le anjelin-le lavaka tsy hita noanoa. Ny agnarany tamin'ny teny Hebreo de Abadona, ary ny agnarany tamin'ny teny Grika de i Apolyona. 12 Lasa ny loza vôlôgny. Indro! afaran-zao de mbola hisy loza roey ho avy. 13 Nampaneno ny trompetrany le anjely faenina, ary naeno ny feo nivôka tamin'ny tandroky ny alitara volamegna ze efa nisy takeo agnatren'Andriamanitra za. 14 Ary nitare tam-le anjely faenina le feo magnano hoe: "Avilao reo anjely efatra ze mifatotra aigny am-le renirano leiben'ny Eofrata." 15 Reo anjely efatra ze efa nomanigna tam-zany ora zany, zany andro zany, zany volana zany, ary zany taogna zany, de navela mba hamono ny ampatelon'ny olombelogna. 16 Ny isan-reo miaramila nitengin-tsovaly de 200, 000, 000. Naeno reo isa reo za. 17 Ôtrany zany no fomba nahitako reo sovaly takao amin'ny fahitako sy reo ze nitengina takeo am-jareo: Reo ferova-tratran-jareo de miretra mena, manga antitra ary solifara mavo. Nitovy tamin'ny lôn-reo liona ny lôn-reo sovaly, ary nivôka takao am-bavan-jareo de afo, setroka, ary solifara. 18 Ary ny ampatelon-reo ôla de matin-reo loza telo: ny afo, ny setroka, ary ny solifara ze nivôka takao am-bavan-jareo. 19 Fa ny herin-reo sovaly de avy takao amin'ny vavan-jareo sy tamin'ny rambon-jareo, fa ny rambon-jareo de ôtrany bibilava, ary nagnana lô ze afaka mandratra ôla zareo. 20 Ny ambin-reo olombelona, reo ze tsy matin-reo loza reo, de tsy nibebaka tam-asa ze vitan-jareo, ka nijanogna nagnompo reo demony sy sampy volamegna, volafotsy, varana, vato, ary tapa-kazo sy reo ra ze tsy hita maso, reigny, na mande. 21 Zareo de mbola tsy nibebaka tamin'ny asa famonogna, sy ny famosaven-jareo, ny fijangajangana na reo asa fangalaran-jareo.