Toko faha 7

1 Tarignan-zany de naita anjely efatra nitsangana takeo amin'ny zoro tany efatra za, nanotra mafy ny rivotra efatry ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin'ny tany, amin'ny ranomasina, na hifanotra amin'ny kakazo daôly. 2 Naita anjely hafa za niakatra avy taigny antsinanana, ze nagnana ny tombokasen'Andriamanitra velogna. Nikikika tamin'ny feo mafy tam-reo anjely efatra ze nahazo alalana hanimba ny tany sy ny ranomasina izy hoe: 3 "Aza sombagna ny tany, ny ranomasina, na reo kakazo mandra-panisintsika ny tombo-kase akeo amin'ny handrin-reo mpanompon'Andriamanitra." 4 Naeno ny isan-reo ze vôtombo-kase za: 144, 000, no vôtombo-kase avy tamin'ny fokon'ny ôlon'Israely daôly: 5 Rôrivo sy rai-aligna no vôtombo-kase avy tamin'ny fokon'i Joda, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Robena, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Gada, 6 rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Asera, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Naftaly, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Manase. 7 rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Simeona, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Levy, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Isakara, 8 rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Zebolona, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Josefa, ary rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Benjamaina no vôtombo-kase. 9 Tarignan-reo ra reo de nijery za, ary nisy ôla betsaka be ze tsy vôisa— avy tamin'ny firenena, foko, ôla, ary fiteny daôly—nitsangana takeo agnatrean'ny seza fendriagnana sy takeo agnatrean'ny Zanak'ondry. Nagnao akajo lava fotsy sy mitagna sampandrofia tegny amin'ny tanan-jareo, 10 ary nagnantso mafy tamin'ny feo mahery zareo nagnano hae: "Ny famonjena de an'Andriamanitra ze mitotra akeo ambonin'ny seza fendriagnana, sy an'ny Zanak'ondry!" 11 Ny anjely daôly nitsangana manodidina ny seza fendriagnana sy manodidina reo loholona sy ny ra-magnan-aigna efatra, ary zareo de nampekoka ny tavan-jareo takeo agnatrean'ny seza fendriagnana. Nivavaka tamin'Andriamanitra zareo 12 nagnano hoe: "Amena! Dera, voninahitra, fahendrena, fisôragna, fahefagna, ary ny hery anie ho an'Andriamanitra mandrakaizay dory! Amena!" 13 Avy akeo ny raika tam-reo loholona nagnontany anà hoe: "Iza reo, mitafy akanjolava fotsy, ary avy aiza zareo?" 14 Ôzy za tam'azy: "Tompoko, Enao mafantatra," ary ozy izy taminà: "Reo no hivôka avy amin'ny Faorina Leibe. Nosasan-jareo ny akanjolavany ary nofotsena tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry. 15 No zany antony zany, de akeo agnatren'ny seza fendriagnan'Andriamanitra zareo, sy mivavaka aminy andro aman'aligna akao amin'ny tempoliny. Ny raika ze nipetraka takeo amin'ny seza fendriagnana de hamelatra ny lainy am-jareo. 16 Tsy ho nôna intsony zareo, na hangetaeta indray. Tsy hamely an'azy ny masoandro, na ny hafagnana mandoro. 17 Fa ny Zanak'ondry akeo apovôn'ny seza fendriagnana no ho mpiandry an'jareo sy hitari-dalagna an'jareo akeigny amin'ny lôranon'ny rano velogna, ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso daôly amin'ny mason-jareo."