Toko faha 22

1 2 Ary nabôgnan'le anjely anà le onin'ny ragnon'ny fiaignana, madio salan'ny kristaly. Zany de mikoriana avy aigny amin'ny seza fendrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry mamakivaky akeo ampovôn'ny lalan'ny tanàna. Ary ny andaniny rôy amin'ny ony de samby misy an'le kakazon'ny fiaignana, mamô karazagna vô rombefolo, ary zany de mamô ny vôny isam-bolana. Ny ravin'zany kakazo zany de natao hagnasitragna ny firenena daôly. 3 Ka tsisy tsony ny vôozogna. Ny seza fendrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry de ho akao amin'ny tanàna, ary reo mpanompony de hanompo an'Azy. 4 Hatazagna ny Endriny zareo, ary ny Agnarany de ho akeo amin'ny andrin-jareo. 5 Ka tsisy alina tsony; zareo de tsy mila fazavan'ny jiro na ny masoandro tsony satria ny Tompo Andriamanitra no hazava akeo amin-jareo. Ary hanjaka mandrakizay doria zareo. 6 Ozy le anjely taminà: "Reo teny reo de azo atokisana sy marina. Ny Tompo, le Andriamanitr'reo fagnahin'reo mpaminagny, de nandefa ny anjeliny mbô hampibôgna ze ra tsy maintsy hitranga tsy ho ela am'reo mpanompony." 7 Indro! Efa ankeky ny fiaveko! Sambatra ze mankato reo tenin'ny faminagnena am'ty boky ty." 8 Za, Jaona, le raika ze nandregny sy nahita reo ra reo. Rafa naregny sy nahita an'zany za, de nenkôtra takeo amin'ny tongotr'le anjely ny tegnako mbô hidera an'azy, le anjely ze nampibôgna anà an'reo ra reo. 9 Ozy taminà: "Aza magnany an'zao! Fa mpanompo namanao miaraka aminao za, miaraka am'reo mpaminagny ralahinao, ary miaraka am'reo ze mankato an'reo tenin'ty boky ty. Miderà an'Andriamanitra!" 10 Ozy taminà: "Aza asena tombo-kase reo tenin'ny faminagnena am'ty boky ty, fa ankeky ny fotôna. 11 Ze magnano ny tsy marina, avelao izy hanohy ny tsy famarinana. Ze maloto fiaigna, avelao izy hanohy ny fiaignany maloto. Ze marina, avelao izy hanohy ny fagnanôvana ny marina. Ze masina, avelao izy hanohy ny fahamasinana." 12 "Indro! Efa ankeky ny fiaveko. Ny valisoako de miaraka aminà, mbô hamaliko ny tsiraikaraika araka ny ra vitany. 13 Za no Alfa sy Omega, ny vôlôny sy farany, ny fendôhana sy ny fefarana. 14 Sambatra reo ze magnasa ny akanjon-jareo mbô ahazo alalana mihinana avy amin'ny hazon'ny fiaignana sy hiditra akao amin'ny tanàna avy akeo amin'ny vavahady. (Fagnamarihana: Raha tokony: "Sambatra reo ze magnasa ny ankajon-jareo." Reo antontan-taratasy hafa talô de mivaky hoe: "Sambatra reo ze magnano ny didiny.") 15 Fa aigny avelany reo alika, reo mpagnano ody, reo mpijangajanga, reo mpamono ôla, reo mpanompo sampy, ary ze daôly te mandainga sy reo mpandainga. 16 Za, Jesosy, de nandefa ny anjeliko mbô hagnambara aminareo an'reo ra ho an'reo fiangonana. Za no fakany sy taranak'i Davida, le kintana mamirapiratra marina." 17 Ny Fagnahy sy ny Ampakarina magnano hoe: "Ave!" Ôka ze mandregny hitare hoe: "Ave!" N'iza n'iza mangetaheta, ôka izy hagnatona, ary n'iza n'iza magniry an'zany, ôka izy ahazo maimaim-pôgna ny ranon'ny fiaignana. 18 Za de magnambara am'ze dôly mandregny ny tenin'ny faminanena am'ty boky ty: "Raha misy magnampy an'reo, Andriamanitra hagnampy loza ho an'azy ze vôsoratra akao am'ty boky ty. 19 Raha misy magnaisotra ny teny faminagnena am'ty boky ty, Andriamanitra de hagnaisotra ny anjarany amin'ny hazon'ny fiaignana sy ny tanàna masina ze vôsoratra akao agnatin'ty boky ty." (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy talô de mivaky hoe: "Andriamanitra hagnaisotra ny anjarany akao amin'ny Bokin'ny Fiaignana ary akao amin'ny tanàna masina ze vôsoratra akao am'ty boky ty.") 20 Ozy le raika ze magnambara reo ra reo: "Yôny! Efa ankeky ny fiaveko." Amena! Tongava, ry Tompo Jesosy! 21 Ho amin'ny ôla daôly anie ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy. Amena.