Toko faha 9

1 Niditra tao an-tsambokely Jesosy, nitsaka, ary tonga tao amin'ny tanànany. 2 Indro, nisy leilà mararin' ny paralisisa nandry teo am-pandrena nindesin-jareo teo amin'Azy. Rafa natazagna ny finon-jareo, de ozy Jesosy tamin'le leilà mararin'ny paralisisa hoe: "Anaka, ôka anao hifaly. Efa vôvela ny helokao." 3 Indro, ny sasagny tam'reo mpanora-dalàna nagnano anakampo hoe: "Miteny ratsy io leila io." 4 Fantatr'i Jesosy ny eritrerin-jareo ary nitare hoe: "Nagnino anareo no mieritreri-dratsy akao am-pognareo? 5 Fa iza no moramora koko ny mitare amin'azy hoe: 'Vôvela ny helokao,' sa ny mitare hoe: "mitsangàna ka mandeana?' 6 Fa mba ho fatatrareo fa ny zanak'ôla de managna faefana hamela heloka aketo ambonin'ny tany,...."ozy Izy tamin'le mararin'ny paralisisa hoe: "Mitsangàna, batao ny fandrenanao, ary mandeana aigny an-dragnonao." 7 Avy teo nitsangana le leilà ary nankaigny an-dragnony. 8 Rafa natazagna an'izany ny vahôka, de gaga zareo ary nidera an'Andriamanitra, ze nagnome fahefana ôtran'zany ho an'ny ôla. 9 Ary raha niala avy takeo jesosy, de natazagna leila nantsovina hoe Matio Izy, ze nipetraka teo amin'ny tragno fagnangonan-ketra. Ozy Izy taminazy hoe: "Magnara an'Anà." Nitsangana izy ary nagnaraka an'Azy. 10 Ary raha nipetraka hihinana takao an-drano Jesosy, ndreo, mpamory hetra sy ôla mpanota betsaka tonga ary niara-nihinana tamin'i Jesosy sy reo mpianany. 11 Rafa natazagna an'zany reo fariseo, de nitare tami'reo mpianany zareo hoe: "Nagnino ny mpampianatrareo no miaraka mihinana amin'ny mpamory hetra sy ny ôla mpanota?" 12 Rafa nareigny an' izany Jesosy, de Ozy Izy hoe: "Ny ôla matanjaka ara-batagna de tsy mila dokotera, fa reo ze marary fôgna. 13 Tokony mande mianatra ny dikan'ny hoe: "Famindram-po no iriko fa tsy sorogna." Fa tonga Za, tsy hagnantso reo marina hibebaka, fa ireo mpanota." 14 Avy akeo nagnatogna an'azy ireo mpianatr'i Jaona ka nitare hoe: "Nagnino zahay sy reo fariseo no mifady hanina matetika, fa ireo mpianatrao kosa tsy mba mifady?" 15 Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Mety alaelo ma reo havan'ny mpampakatra, raha mbôla miaraka akeo amin-jareo ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro hangalagna ny mpampakatra akeo amin-jareo, de ami'zay zareo vao hifady hanina. 16 Tsisy ôla manampina akanjo kôro amin'ny tapa-damba vaovao, fa ny tampina handrovitra ny lamba, ary hisy rovitra ratsy lavitra. 17 Tsisy ôla manisy divay vaovao akao agnaty siny hoditra kôro. Raha magnano izany zareo, de ho rovitra ny siny hoditra, ho raraka ny divay ary ho potika ny siny hoditra. Fa kosa, manisy divay vaovao akao agnaty siny hoditra vaovao zareo, ary ho vôtahiry izy rôy." 18 Raha mbôla nitare ireo ra ireo tamin-jareo Jesosy, de indro nisy manampaefana tokana tonga ka nenkoka tamin'Azy. Nitare izy hoe: "Maty am'izao fotôna zao ny zanako vavy, fa tongava ary apetrao akeo amin'azy ny tagnanao, de ho velona izy." 19 Avy akeo nitsangana Jesosy ary nagnaraka an'azy, de nagnano salan'zany kô ireo mpianany. 20 Indro, nisy vevavy ze efa nande rà nandritra ny rombefolo taona, nakao afaran'i Jesosy ary nikasika ny sisin'akanjony. 21 Fa ozy izy tamin'ny tegnany hoe: "Raha mavôkasika ny lambany akeo za, de ho sitragna." 22 Fa nierika Jesosy ka natazagna an'azy, de nitare hoe: "Ry zanako vavy, mahereza; ny finonao no nasitragna an'nao." Ary sitragna le vevavy nanomboka tamin'io ora io. 23 Rafa tonga taigny an-dragnon'le manam-pahefana Jesosy, de natazagna ireo mpitsoka sodigna sy ireo vahôka nitabataba be Izy. 24 De ozy Izy hoe: "Mandeana, fa tsy maty le zazavavy, fa matory izy." Fa niomehy an'Azy tamin'ny fagnesona zareo. 25 Rafa navôka taigny ambelagny ny vahôka, de niditra tao agn'efitra Izy ary nandray an'azy tamin'ny tagnana, ary nitsangana le zazavavy. 26 Niparitaka nagnerana ny faritra daôly ny laza momba an'zany. 27 Ary raha niala takeo Jesosy, de nisy jamba rôlà nagnaraka an'Azy. Tsy nijanona nagnantso zareo sady nitare hoe: "Mamindrà fo aminay, ry zanak'i Davida!" 28 Rafa tonga takao an-dragno Jesosy, de nagnatogna an'Azy reo leila jamba. Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Mino ma nareo fa mahay magnano an'zany Za?" De ozy zareo taminy hoe: "Iôny, Tompo." 29 Avy akeo nikasin'Jesosy ny mason-jareo ary nitare hoe: "Ho tanteraka aminareo araka ny finonareo ane zany," 30 ary natazagna ny mason-jareo. Avy akeo Jesosy nandidy mafy an'azy reo ary nitare hoe: "Ôka mba tsisy ôla afantatra mômba an'zao." 31 Fa nande reo rôlà ka nampiely ny laza momba an'zany nagnerana izany faritra izany. 32 Ary raha nande reo rôlà, de indro nisy leila môgna nipetran'ny demonia nindesina takeo amin'i Jesosy. 33 Ary rafa navôka le demonia, de nitare le leila môgna. Gaga ny vahôka ka nitare hoe: "Tsy mbôla fahita talô tamin'Isarely zao!" 34 Fa ozy reo fariseo hoe: "Tamin'ny fanapan'ireo demonia, no namoahany ireo demonia." 35 Nande nitety reo tanan-deibe sy reo ta nàna daôly Jesosy. Nanohy nampianatra taigny amin'reo synagogan-jareo Izy, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana, ary nagnasitragna reo karazan'aretina daôly sy reo karazagna fararena daôly. 36 Rafa natazagna reo vahôka Izy, de nanagna fangoram-po tamin-jareo, satria nisalasala sy kivy zareo. Ôtran'ny ondry tsy misy mpiambina zareo. 37 De ozy izy tamin'reo mpianany hoe: "Betsaka ny vokatra, fa reo mpiasa no vitsy. 38 Noho zany mivavà malaky amin'ny Tompon'ny vokatra, mba andefasany mpiasa akaigny amin'ny vokatrany."