Toko faha 7

1 Aza mitsara, de tsy tsaraina anareo. 2 Fa amin'ny fitsarana nataonareo, no hitsarana anareo, ary amin'ny fandrefesana andrefesanareo, no handrefesana anareo. 3 Nagnino anao no mijery ny singa-mololo kely ze akao agnatin'ny mason'ny ralànao, nefa tsy tazagnao ny andry akao agnaty masonao? 4 Aôna no hitaravanao ny ralànao hoe: 'Avelao za hangala ny singa-mololo ze akao agnaty masonao,' raha mbôla akao agnatin'ny masonao le andry? 5 Ry mpehatsaravelatsy! Alao alô ny andry ze akao agnaty masonao, ary avy akeo anao hatazagna tsara rafa mangala ny singa-mololo ze akeo amin'ny mason'ny ralànao. 6 Aza amena ny alika ze masina, ary aza hatsipy akeo aloan'ny kisô ny vatosoanareo. Raha tsy zany de manjary ho vôkitsagny ny tongon-jareo, ary avy akeo hifotitra sy hamiravira anareo amin'ny fahapotehana. 7 Mangataha, de amena anareo zany. Mikara,de hahita anareo. Dondogno, fa hisokatra ho anareo zany. 8 Fa ze mangataka daôly, de mahazo; reo daôly ze mitady, de mahita; ary ho an'ny ôla mandodogna, de ho voaina. 9 Iza aminareo ma, raha angatahan'ny zanagny mofo, no hagnome vato ho an'azy? 10 Na kô raha nangatany trondro, ka hagnome bibilava an'azy? 11 No zany, raha anareo ze ratsy aza mahay magnome reo fagnomezana ze tsara ho an'ny zanakareo, moa tsy ngeda mihôtra lavitra ma ny ra tsara amen'ny Rainareo ze akaigny an-dagnitra ho an'ireo ze mangataka amin'Azy? 12 No zany, na ino na ino ra tenareo ho ataon'ny ôla amin'ny tegnanareo, de tokony hagnano salan'zany amin-jareo fôgna kô anareo, fa izany no lalàna sy reo mpaminagny. 13 Midira amin'ny vavahady maety. Fa geda ny vavahady ary malalaka ny lalana mitondra akaigny amin'ny fahaverezana, ary betsaka reo ôla ze mande amin-zany. 14 Fa maety ny vavahady ary sarotra ny làlana ze mitarika mankaigny amin'ny fiaignana, ary vitsy reo ze matazagna an'zany. 15 Mitandrema amin'ireo mpaminagny santoka, ze magnatogna anareo amin'ny fitafian'ondry nefa amboadia tegna mpiaza 16 Amin'ny alalan'ny vôny no hahafantaranareo an'jareo. Mitango vôloboka aigny amin'ny tsilo ma ny ôla, na kô aviavy akaigny amin'ny songosongo? 17 Ôtran'zany , ny kakazo daôly de mamokatra vô tsara, fa ny kakazo ratsy de mamô vô ratsy. 18 Ny kakazo tsara de tsy afaka hamô vô rasty, na kô ny kakazo ratsy de tsy afaka mamô vô tsara 19 Ny kakazo daôly ze tsy mamô vô tsara de tevezina ary hatsipy akaigny agnaty afo 20 Ka no zany, ho fantatrareo zareo amin'ny alalan'ny vôny. 21 Tsy reo daôly ze mitare Aminà hoe: Tompo, Tompo, de hiditra ny fanjakan'ny lagnitra, fa reo ze magnano ny sitrapon'ny Raiko ze aigny an-dagnitra fôgna. 22 Betsaka reo ôla hitare Aminà amin'zany andro zany hoe: 'Tompo, Tompo,tsy efa naminagny tamin'ny agnaranao ma zahay, tsy efa namôka reo demonia tamin'ny Agnaranao, ary nagnano reo asa geda be tamin'ny Agnaranao', ary nagnao reo asa geda tamin'ny Agnaranao. 23 Avy akeo Za hagnambara amin-jareo am-pabemaso hoe: 'Tsy nahafantatra anareo mitsy Za! Mialà lavitra Anà, ry mpagnano ratsy!' 24 No zany, reo daôly ze mareigny ny teniko ary magneiky zany de ôtran'ny ôla hendry ze nagnorina ny tragnony aigny ambony vatolampy. 25 Nirotsaka ny orana, tonga ny tondran-drano, ary nifofofofo sy namely le tragno ny rivotra, fa tsy nirodana zany, satria natsangana teo ambony vatolampy. 26 Fa ny daôly ze nareigny reo teniko ka tsy magneiky an'azy regny de ôtran'ny ôlo adala ze magnorina ny tragnony aigny ambony fasika. 27 Nirotsaka ny orana, tonga ny tondra-drano, ary nifofofofo sy namely le tragno ny rivotra, ka de nirodagna zany, ary rava tanteraka izy." 28 Ary rafa avy nagnambara reo teny reo Jesosy, gaga tamin'ny fampianarany reo vahôka, 29 satria nampianatra an'azy reo ôtran'ôla ze managna fahefana Izy, fa tsy ôtran'ireo mpanora-dalànan-jareo.