Toko faha 5

1 Rafa natazana reo vahôka Jesosy, de niakatra teo an-tanety. Rafa tafapetraka Izy, de nagnatogna an'Azy reo mpianany. 2 Nanoka-bava Izy ary nampianatra an'jareo, magnano hoe: 3 "Sambatra ny mahantra am-pagna, fa an'azy reo ny fanjakan'ny lagnitra. 4 Sambatra reo misôna, fa hampiononina izy reo. 5 Sambatra reo malemy fagna, fa izy reo no handova ny tany. 6 Sambatra reo ze nôgna sy mangetaheta sy famarinana, fa ho vokisana izy reo. 7 Sambatra reo mpamindra fo, fa hahazo famindram-po izy reo. 8 Sambatra reo madio am-po, fa hahita an'Andriamanitra izy reo. 9 Sambatra reo mpampihavana, fa izy reo no antsona hoe zank'Andriamanitra. 10 Sambatra reo ze enjena noho ny famarinana, fa an'jareo ny fanjakan'ny lagnitra. 11 Sambatra anareo raha maniratsira an'nareo sy manenjika an'nareo ny ôla, ary miteny ny karazana lainga ratsy daôly hanoitra an'nareo noho ny aminà. 12 Mifalia sy miravoravô, fa gedabe ny valisoanareo akaigny an-dagnitra. Fa ôtran'zany ny fomba nanenjehan'ny ôla reo mpaminagny ze niaigna talônareo. 13 Nareo no siran'ny tany. Fa raha ny sira no tonga matsatso, amin'ny fomba manakôry no ampasira an'zany ndre? Tsy ho tsara na amin'ino na amin'ino ntsony zany fa harena sy ho hikitsan'ny tongotr'ôla sisa. 14 Nareo no fazavan-zao tontonlo zao. Ny tanàna miorina akeo amin'ny havôgna de tsy azo asitrika ntsony. 15 Tsisy ôla manpiretra jiro ka mametraka an'zany aigny ambany harogna, fa akeo amin'ny fitôran-jiro, ka manazava ny daôly akao an-trano zany. 16 Ôka hazava akeo agnoloan'ny ôla ôtran'zany fomba zany ny fazavanareo mba ahitan'izy reo ny asa tsara ataonareo ary ankalazany ny Rainareo ze aigny an-dagnitra. 17 Aza mieritreritra hoe tonga handrava ny lalàna na reo mpaminagny Zà, Tsy tonga hamotika an'reo za, fa hanatanteraka an'azy reo. 18 Fa lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon'ny lagnitra sy ny tany, de tsy ho fôgna amin'ny lalàna na de litera raika sy tendron-tsoratra raika aza, mandra-patateraky ny ra daôly. 19 No zany na iza na iza mandika na de ny kely ndrindra am'reo didy reo sy mampianatra ny hafa agnao salan-zany de ho antsovina hoe kely ndrindra akao amin'ny fanjakan'ny lagnitra. Fa na iza na iza magneky sy mampianatra reo de antsovina hoe leibe akao amin'ny fanjakan'ny lagnitra. 20 Fa lazaiko am-nareo fa raha tsy mihôtra no ny an'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ny famarinanareo, de tsy hiditra akao amin'ny fanjakan'ny lagnitra miitsy anareo. 21 Efa reignareo fa vôlaza tam-jareo talô hoe: 'Aza mamono ôla,' ary 'Na iza na iza mamono ôla de ho heloina aigny amin'ny fitsarana.' 22 Fa lazaiko am-nareo fa ze daôly sosy amin'ny rahalàny de mendrika ny ho heloina aigny amin'ny fitsarana; ary na iza na iza miteny ny rahalàny hoe: 'Enao de olom-pôgna!' de ho heloina aigny amin'ny filan-kevitra; ary na iza na iza milaza hoe: 'Adala enao!' de mendrika ny ho aigny amin'ny fari-miretrafo. 23 No zany raha manolotra ny fagnatitrao akeo amin'ny alitara enao ka tsaroanao teo fa managna alaelo aminao rahalànao, 24 de avelao akeo agnoloan'ny alitara ny fagnatitrao, ka mandeana zory ny lalanao. Mihavàna miitsy aloha amin'ny rahalànao, ary avy akeo miviregna de atolory ny fagnatitrao. 25 Mihavàna aingana amin'ny mpiampanga an'nao raha mbola miara-dia am'nazy aigny amin'ny fitsarana anao, fandrao ny mpiampanga an'nao hanolotra an'nao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara mety hanolotra an'nao amin'ny manam-boninatra, ka hatao akao an-trano maizana enao. 26 Lazaiko marina am'nareo, fa tsy ho afaka mivôka akao miitsy enao mandra-pandoavanao ny vola faran'ny kely ndrindra amin'ny trosanao. 27 Efa regnareo fa vôlaza hoe: 'Aza mijangajanga.' 28 Kanefa lazaiko am'nareo fa ze daôly mijery vevavy ka magniry an'azy de efa nijangajanga takao am-pony sahady. 29 Raha manafitona an'nao ny masonao ankavanana, de alao zany ary atsipazo lavitra an'nao. Fa tsara kokô ho an'nao raha ny nempany raika amin'ny vatanao no tokony ho simbagna fa tsy ny tegnanao daôly no atsipy aigny amin'ny helo. 30 Raha manafitoina an'nao ny tagnano ankavanana, de tapao ary atsipazo lavitra hiala am'nao. Fa tsara kokô ho an'nao raha ny nempany raika amin'ny vatagnao no tokony ho very fa tsy ny tegnanao daôly no atsipy aigny amin'ny helo. 31 Ary efa vôlaza iany kô hoe: 'Na iza na iza misaraka amin'ny vadiny, de ôka izy hagnome an'azy ny taratasy fisaraham-panabadena.' 32 Fa Za kosa milaza am'nareo fa ze daôly misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy no ny fijangajangana, de mampijangajanga an'azy. Na iza na iza manambady an'azy afara'ny fisarany de mijangajanga. 33 Ary kô, regnareo fa vôlaza tamin'ny ntaolo hoe: 'Aza mianiana fenianana diso, fa ento akeo agnatren'ny Tompo ny feniananao.' 34 Fa Za kosa milaza am'nareo, aza mianiana amin'ny ra daôly, na amin'ny lagnitra aza, fa seza fendrianan'Andriamanitra zany; 35 na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony zany; na koa amin'ny Jerosalema, fa tanànan'ny mpanjaka leibe zany. 36 Aza mianiana amin'ny lônao, fa tsy afaka magnafotsy na magnamainty ny singam-bolo raika enao. 37 Fa ôka ny teninao ho, 'Eny, eny,' na 'Tsia, tsia.' Ze miôtra an'zany de avy amin'ny le ratsy. 38 Reignareo fa vôlaza hoe: 'Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify.' 39 Fa Za kosa milaza am'nareo hoe, aza manoitra ze ratsy. Fa kosa, na iza na iza mamely ny takolakao ankavanana de atolory azy koa ny ilany. 40 Ary raha misy ôla magniry ny hiaraka aminao ho aigny amin'ny fitsarana ka manendaka ny akanjonao, de avelao ho an'azy iany kô ny lambanao. 41 Na iza na iza manery an'nao ande kilometatra raika, mandeana miaraka aminy amin'ny kilometatra rôy. 42 Omeo ze mangataka aminao, ary aza mandà na iza na iza magniry ny hindrana aminao. 43 Efa reignareo fa vôlaza hoe: 'Tsy maintsy mitia ny mpiara-belona aminao enao ary mankahala ny fahavalonao.' 44 Fa lazaiko am'nareo, tiavo ny favalonareo ary mivavaha ho an'ze magnejika an'nareo, (Fanamarihana: Ny dikan-teny talô tsara ndrindra de manala ny hoe: "Misôra reo ze magnozogna an'nareo, magnôva ny tsara am'reo ze mankahala an'nareo." 45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo ze aigny an-dagnitra anareo. Fa Izy de mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy sy ny tsara, ary mampilatsaka ny orana amin'ny marina sy ny tsy marina. 46 Fa raha reo ze te an'nareo no tiavinareo, ino no valisô azonareo? Moa na de ny mpamory hetra aza tsy mba magnano ôtran'zany kô? 47 Raha ny rahalànareo rery iany no arabainareo, ino no mba ataonareo miôtra ny hafa? Moa na de ny Jentilisa aza tsy mba magnano ôtran-zany kô? 48 No zany de tsy maintsy tanteraka anareo, sala ny fahatanteran'ny Rainareo ze aigny an-dagnitra.