Toko faha 23

1 Ary Jesosy nitare tam'reo vahôka sy reo mpianany. 2 Ozy hoe: "Reo mpagnora-dalàna sy fariseo de mipetraka akeo amin'ny fitôran'i Mosesy." 3 Noho zany n'ino n'ino handidin-jareo ataonareo, de ataovo regny ra regny ka mitandrema an-jareo. Fa aza raisina ôtran'ny asan-jareo, satria zareo miteny ra nefa avy akeo tsy magnano an'zany. 4 Iôny, fehezin-jareo ny entana mavesatra ze sarotra entina, ary avy akeo ataon-jareo an-tsoroky ny ôla. Fa tsy hampiasa ny rantsan-tagnany raika avy ny tegnan-jareo mbô hitondrana an'jareo. 5 Magnano ny asany daôly zareo mbô ho tazagn'ôla. Fa ataon-jareo geda ny filakiterany, ary itarin-jareo ny moron'akanjony. 6 Tenjareo ny tôran'ny manan-kaja aigny amin'ny fanasana sy ny tôran'ny lehibe akao amin'ny synagoga, 7 sy ny arabaina manokana akaigny an-tsena, ary mbô hantsovin'ôla hoe: "Raby". 8 Fa anareo tsy azo antsovina hoe: "Raby", fa tokana fôgna ny mpampianatra an'nareo, ary mpirahalahy anareo daôly. 9 Ary aza magnantso ny ôla aty ambonin'ny tany ho rainareo, fa tokana fôgna ny Rainareo, ary Izy de aigny an-dagnitra. 10 Anareo aza mety antsovina hoe: "Mpampianatra", fa raika fôgna ny mpampianatrareo, de i Kristy. 11 Fa ze geda ndrindra aminareo no ho mpanomponareo. 12 N'iza n'iza manandra-tegna de ahetry, ary n'iza n'iza manetry tena de hasandratra. 13 Fa lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa arindrignareo amin'ôla ny fanjakan'ny lagnitra. Fa anareo tsy miditra akao, ary tsy avelanareo reo ze te hiditra akao. 14 [Fanamarihana: Ny antontan-taratasy talô de tsy ahitana ny fehezan-teny hoe: "Fa lozanareo, ry mpanoradàlana sy ny fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa mandany ny tranon'ny mpitondra tena, ary magnano vavaka lavareny anareo. Noho zany de hahazo fanamelohana gedabe anareo."] 15 Lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa mande mitety ny ranomasina sy ny tany anareo mbô hampiova fo ny ôla raika, ary rafa miova izy, de ataonareo zanaky ny helo avo roa heny mihôtra noho anareo izy. 16 Lozanareo, ry mpitarika jamba, anareo ze milaza hoe: "N'iza n'iza mianiana amin'ny tempoly, de tsisy varany zany. Fa n'iza n'iza mianiana amin'ny volamenan'ny tempoly, de voafatotry ny fianianany izy." 17 Anareo ry jamba adala! Iza ma no geda, ny volamena se ny tempoly ze magnano ny volamena ho masina? 18 Ary, "N'iza n'iza mianiana amin'ny alitara, de tsisy varany. Fa n'iza n'iza mianiana amin'ny fanatitra ze akeo ambonin'zany, de vôfatotry ny fianianany izy." 19 Anareo ry ôla jamba! Iza ma no geda, ny fanatitra se ny alitara ze magnano ny fanatitra ho masina? 20 Noho zany, ze mianiana amin'ny alitara de mianiana am'zany sy amin'ny ra daôly akeo amboniny. 21 Ny raika ze mianiana amin'ny tempoly, de mianiana am'zany sy am'ze mipetraka akao amin'azy, 22 ary ny raika ze mianiana amin'ny lagnitra, de mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy amin'ny ze mipetraka akeo ambonin'zany. 23 Lozanareo, ry mpanora-dàlana sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komima anareo, fa anareo de tsy nankatoa ny ra tegna mavesa-danja ndrindra amin'ny lalàna - de ny rariny sy ny famindram-po ary finoana. Fa reo no tokony nataonareo ary tsy tokony navelanareo ho tsy vita ny raika hafa. 24 Anareo ry mpitarika jamba, anareo ze manivana ny lalitra nefa miteligna rameva! 25 Loza ho an'nareo, ry mpanora-dàlana sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan'ny kapôka sy ny vilé, nefa ny akao agnatiny de feno fitsiriritana sy filana. 26 Anareo ry fariseo jamba! Diovy alô ny akao agnatin'ny kapôka sy ny vilé, mbô ho lasa madio iany kô ny ivelany. 27 Loza ho an'nareo, ry mpanora-dàlana sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa anareo de ôtran'ny fasagna vôlalotra fotsy; ze tsara ivelzgny, fa ny akao agnatiny kosa de feno ny tôlam-paty sy ny loto daôly. 28 Ôtran'zany iany kô, ety ivelagny anareo miseho ho marina akeo amin'ny olona, nefa ny akao agnatinareo de feno fiatsarambelatsihy sy heloka. 29 Loza ho an'nareo, ry mpanora-dàlana sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa magnambôtra ny fasan'ny mpaminagny anareo ary mampijaingo ny fasan'ny ôlo-marina. 30 Ozy anareo hoe: "Raha niaina tamin'ny andron'ny razambetsika tsikana, de tsy ho nandray anjara niaraka tamin-jareo tamin'ny fandatsahana ny ràn'ny mpaminagny tsikana. 31 Noho zany de mijoro vavolombelona amin'ny tenanareo anareo fa zanak'reo ze namono ny mpaminagny. 32 Anareo iany kô de nahafeno ny fahotan'reo razambenareo. 33 Anareo ry bibilava, anareo ry taranaky ny menarana, manakôry ma no handosiranareo ny fanamelohana ho any amin'ny helo? 34 Noho zany, indro, maniraka mpaminagny sy ôlo-kendry ary mpanora-dalàna ho an'nareo Za. Ny sasagny amin-jareo de ho vononareo, sy hombonareo; ary ny sasagny ho tarônareo akao amin'ny synagoganareo ary handrôka an'azy hiala akao an-tanàna. 35 Ny vokatr'zany de hanody an'nareo ny rà marina daôly ze nalatsaka taketo an-tany, nanomboka tamin'ny ràn'i Abela marina, ka hatramin'ny ràn'i Zakaria zanak'i Barakia, ze novononareo takeo agnelagnelan'ny fitôrana masina sy ny Alitara. 36 Lazaiko marina aminareo, fa ny ra daôly de ho tonga am'ty taranaka ty. 37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, anao ze mamono ny mpaminagny sy mitora-bato ze asaina mankao aminao! Impiry Za no magniry ny hanangona ny zanako miaraka, salan'ny reni-akoho raika magnangona ny akoho kely akao ambany embagny, nefa tsy nety anareo! 38 Indro, ny tragnonareo no avela ho aolo ho an'nareo. 39 Fa lazaiko aminareo, hatram'zao, tsy hahita Anà tokoa anareo mandra-pilazanareo hoe: "Isaorana anie ze avy amin'ny agnaran'ny Tompo."