Toko faha 21

1 Raha nagnatogna an'i Jerosalema Jesosy sy ny mpianany ka nakao Betifaga, aigny an-tanetin'i Oliva, de nandefa mpianatra rôy Jesosy, 2 nilaza tamin-jareo hoe: "Mandeana akao am'ze tanana magnaraka akao, akeo iany anareo de hatazana boriky mifatotra ary ny zana-boriky raika miaraka am'azy. Vahao jareo ary ndeso aty Amina. 3 Raha misy mitare an'nareo momba an-zany, de lazao hoe: 'Misy ilan'ny Tompo an'azy reo, ary akeo no eo zany ôla zany de handefa an'azy reo miaraka aminareo." 4 Ary nitranga zany mba hatanteraka ze nambara tamin'ny alalan'ny mpaminany. Ozy Izy hoe: 5 "Ilazao ny zanaka vavin'i Ziona hoe:' Indro, ny Mpanjakanao magnatona an'nao, Magnetry tegna ary mitaingina boriky- zana-boriky làhy.'" 6 Avy teo de lasana reo mpianatra ary nagnano arak'ze nandidin'i Jesosy an'azy reo. 7 Noentin-jareo le ampondra sy le zana-boriky ary nametraka ny lamban-jareo teo amin'azy, ka nipetraka teo amin'ny lamba Jesosy?. 8 Ny ankamaron'ny vahôka de namelatra ny lambany tamin'ny tany, ary reo hafa nanapaka sampan-kazo ary nagnaparitaka an'zany tamin'ny lalana. 9 Avy teo reo vahôka nialô an'i Jesosy sy reo ze nagnaraka an'Azy nitabataba hoe: "Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana le tonga avy amin'ny agnaran'ny Tompo! Hosana akaigny amin'ny avo indrindra! 10 Rafa niditra tao Jerosalema Jesosy, de niaika ny iray tanàna ka nagnano hoe: "Iza ma io?" 11 Ny vahôka namaly hoe: "Izy no Jesosy le mpaminany avy aigny Nazareta aigny Galilia." 12 Avy teo niditra tao an-tempoly Jesosy. Noroasiny daôly reo mpividy sy mpivarotra takao an-tempoly, ary naongany ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny fipetran'ireo mpivarotra voromelala. 13 Ozy Izy tamin-jareo hoe: "Efa vôsoratra hoe: 'Ny tranoko de antsovina hoe tragno fivavahana, kanefa ataonareo efitra fisitrin'ny jiolàhy." 14 Nony avy teo de nisy jamba sy mandringa nagnatogna an'Azy takao an-tempoly, ka nositragniny zareo. 15 Fa nony natazagna ny ra-mahagaga nataony ny leiben'ny mpisorogna sy ny mpanora-dalàna, ary rafa reignin-jareo ny zaza madinika nidomaresy tao an-tempoly hoe: "Hosana ho an'ny zanak'i Davida," de sosy mafy zareo; 16 Ozy zareo tamin'azy hoe: "Reigninareo va zany lazain'reo ôla reo zany?" Namaly an'azy reo Jesosy hoe: "Iôny! Fa tsy mbôla novakinareo miitsy ma ny hoe: 'Avy amin'ny vavan'ny zaza madinika sy ny zaza minono no nandavorarianareo ny fiderana?" 17 Avy teo de nandao an'azy reo Jesosy ka nande taigny amin'ny tanànan'ny Betania ary nipetraka tao ny alina. 18 Ary nony ampôlakeka raha niverigna taigny an-tanàna Izy, de nôna. 19 Natazana aviavy taigny an-tsisin-dalana, de nagnatogna tegny Izy ary tsy natazagna na ino na ino takeo afa-tsy ny raviny. Ozy Izy tamin'azy hoe:"Ôka tsy hisy vô ntsony avy aminao mandrakizay, ary niaraka tam'zay de maigna le aviavy. 20 Rafa natazagna an'zany reo mpianatra, de gaga zareo ary nitare hoe: "Ahôna no nahamaigna avy atraigny ty aviavy ity?" 21 N amaly Jesosy ary nilaza an'azy reo hoe: 'Lazaiko marina aminareo, manam-pinôna sy tsy misy fisalasalana nareo, de tsy ze natao tamin'io aviavy io fôgna no hataonareo, fa de hitare amin'ty tanety ty aza hoe: 'miongota ary milatsa aigny an-dranomasina', de ho atao zany. 22 N'ino n'ino angatanareo am-bavaka, am-pinôna, de ho azonareo. 23 Nony niditra tao amin'ny tempoly Jesosy de nagnatogna an'Azy ny leiben'ny mpisorona sy ny zokiola raha nampianatra Izy ary nitare hoe: "Faefana avy aiza ma no agnaovanao an'ireigny ra reigny, ary iza no nagnome an'nao zany fahefana zany?" 24 Namaly Jesosy ary nitare tamin-jareo hoe: "Hametrako fanontanina raika fôgna kô anareo. Raha lazainareo Amina, de holazaiko aminareo ny fahefana anaovako an'ireigny ra reigny. 25 Ny Batsian'i Jaona - avy taiza no niaveny? Avy taigny an-dagnitra sa avy tamin' ôlombelona?" Niady hevitra zareo, nagnano hoe: "Raha miatre tsika hoe, Avy taigny an-dagnitra, de Izy hitare am-tsika hoe: 'Fa magnino zany anareo no tsy nino an'azy? 26 Fa raha mitare tsika hoe: 'avy tamin' ôlombelona', matatra ny vaôka tsika, satria izy daôly de mievitra an'i Jaona ôtran'ny mpaminany." Ka namaly an'i Jesosy zareo ka nitare hoe: "Tsy fantatray." 27 Ary ozy fôgna kô Izy tamin-jareo hoe: "Ary Za kô de tsy hilaza aminareo hoe avy akaiza ny fahefana agnôvako ireigny ra reigny. 28 Fa manakôry ny hevitrareo? Nisy leila raika nagnana zanaka leila rôy. Nande nankaigny am'le vôlony izy ary nagnano hoe: 'Anaka, mandiana miasa aigny amin'ny tanim-bôloboka gniany.' 29 Le zanany leila namaly an'azy hoe: "Tsy ho aigny za," nefa avy teo niova hevitra izy de lasana. 30 Avy teo de nankeigny am'le faharô izy ary nitare ôtran'zany fôgna kô. Namaly izy ka nitare hoe: "Ho aigny za tompoko, nefa tsy nankaigny izy. 31 Iza tamin'ireo zanagny roey reo no nagnano ny sitrapon'ny rainy?" Ary ozy zareo hoe: "Le vôlôny." Jesosy nitare an'azy reo: "Lazaiko marina aminareo, reo mpamory hetra sy reo mpivaro-tegna de hiditra ny Fanjakan'Andriamanitra alohanareo. 32 Fa Jaona nagnatogna anareo tamin'ny fahamarinana, fa tsy nino an'azy anareo. Fa reo mpamory hetra sy mpivaro-tegna no nino an'azy. Fa nareo, na de natazagna an'zany aza, de tsy nibebaka sy tsy nino. 33 Tandrineso ty fanoharana raika ty. Nisy leila raika,tompon-tany. Nagnano tanimbôloboka izy, nobakôny zany, nandavahany famiazana tao agnatiny, nananganany tilikambo, ary nampanofainy tam'reo mpamboly vôloboka. Avy teo de nankaigny amin'ny tanàna hafa izy. 34 Nony nagnakeiky ny taom-pavokarana, de nagniraka ny sasagny tam'reo mpanompo izy ho aigny am'reo mpamboly vôloboka haka ny anjara vokatra. 35 Fa nosamborin'reo mpamboly vôloboka reo mpanompony, notarôny ny raika, novonoiny ny hafa, de mbôla notorahana vato ny hafa. 36 Ary mbôla, nandefa mpanompo hafa ndre le tompo-tany, maro no ny tamin'ny vôloany, fa nataon-jareo salan'zany iany kô. 37 Tafaran'zany, de nagniraka ny zanany lahitokana taigny am'reo ny tompon-tany,nilaza hoe: 'Hagnaja ny zanako zareo.' 38 Fa rafa natazagna le zanaka là reo mpamboly vôloboka, de nikoragna zareo hoe: 'Ty no mpandova. Andao, hovonotsika izy ary alaintsika ny lova.' 39 No zany de nosamborin-jareo izy,natsipy tao agnatin'ny tanim-bôloboka ary novonoina. 40 Ary rafa tonga ny tompon'ny tanim-bôloboka, ino no ho ataony am'reo mpamboly vôloboka," 41 Ozy zareo tamin'azy hoe: "Ho arigana amin'ze fômba mafy miitsy reo ôlon-doza, ary avy akeo hampanofainy am'reo mpamboly vôloboka hafa ny tanim-bôloboka, ôla hagnome an'azy ny anjara voliny amin'ny fotôm-pavokarana." 42 Jesosy nitare tamin-jareo hoe: Tsy mbola namaky ny soratra Masina miitsy ma anareo hoe: 'Ny vato nolavin'ny mpagnano tragno no natao vato fehizoro. Avy tamin'ny Tompo zany, ary mahagaga akeo amasontsika'? 43 No zany lazaiko aminareo, alàna aminareo ny fanjakan'Andriamnitra ary hamena ny firenena ze mamokatra reo vôny. 44 Na iza na aiza ho lavon'io vato io de ho potipotika. Fa ze hilatsany kosa de ho torotoro. 45 Rafa nareigny reo fagnoharana reo ny leiben'ny mpisorogna sy ny reo Fariseo, de azon-jareo fa makasika an-jareo ny ra nikoragniny. 46 Nikasa ny hisambotra an'Azy, saingy natatra ny vahôka zareo, satria nataon'ny ôla ho mpaminagny Izy.