Toko faha 14

1 Tam'zany fotôna zany, Heroda mpanapaka nandregny ny vaovao momba an'i Jesosy. 2 Ozy tam'reo mpanompony hoe: "I Jaona mpagnano batiza zany; nitsangana tamin'ny maty izy. Noho zany de miasa akao amin'azy reo hery reo." 3 Fa Heroda nisambotra an'i Jaona, namatotra an'azy, ary nandefa an'azy taigny an-tragnomaizigna noho i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalàny. 4 Fa ozy Jaona tamin'azy hoe: "Tsy ara-dalàna ho an'nao ny managna an'azy ho vadinao." 5 Naniry ny hamono an'azy Heroda, saingy natatra an'reo vahôka izy, satria noraisin-jareo ôtran'ny mpaminagny izy. 6 Fa rafa tonga ny fitsingerenan'ny andro natern'i Heroda, de nandihy takeo am-povôn'reo vahiny nasaina ny zanaka vavin'i Herodiasy ka nafinaritra an'i Heroda. 7 Ho setrin'zany, de nampanantegna tamin'ny fianianana izy hagnome an'ze hangatahiny na ino na ino. 8 Rafa avy notoroan'ny reniny marika, de ozy hoe: "Ameo anà aketo, agnaty vile, ny lôha'i Jaona mpagnano Batisa." 9 Nalaelo mafy nohon'ny fangatany ny mpanjaka, saingy nohon'ny voadiny sy noho reo daôly nisakafo niaraka tamin'azy, de nagnome baiko izy fa tokony ho vita zany. 10 Nagniraka ka nanapaka ny lôhan'i Jaona takao an-tragnomaizigna izy. 11 Avy akeo nentina tamin'ny vilé ny lôhany ary namena an'le zazavavy ary nentiny takeo amin'ny reniny zany. 12 Avy akeo de tonga reo mpianagny, niaka an'le faty, ary nandevina an'zany. Tafaran'zany, de nande zareo ary nilaza tamin'i Jesosy. 13 Ary rafa nandregny an'zany Jesosy, de niala avy teo amina sambokely raika izy hankaigny amina tôrana mitokana raika. Rafa nandregny an'zany reo vahôka, de nagnaraka an'Azy an-tongotra avy taigny am'reo tanàn-debe. 14 Avy akeo Jesosy nankeo agnolôn-jareo ary natazagna an'reo vahôka betsaka be. Nangoraka an-jareo Izy ary nagnasitrana ny aretin-jareo. 15 Rafa tonga ny hariva, de nankeo amin'azy reo mpianany ary nitare hoe: "Ty de tôrana fôana, ary efa tapitra sady ny andro. Alefaso reo vahôka, mbô hafan-jareo mande aigny am'reo tanàna ary hividy sakafo ho an'ny tegnan-jareo." 16 Fa Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Tsy mila mande lavitra zareo. Amenareo ra hohanina zareo." 17 Ozy zareo tamin'Azy hoe: "Mofo dimy sy lapia rôy fôgna no hanagnanay eto." 18 Ozy Jesosy hoe: "Ento aty aminà zany." 19 Avy akeo Jesosy nibaiko an'reo vahôka mbô hipetraka akeo amin'ny bozaka. Nalainy reo mofo dimy sy lapia rôy. Nendrandra taigny an-dagnitra, de nisaotra Izy ary nanapaka reo mofo ka nameny an'reo mpianatra, ary reo mpianatra nagnome an'zany ho an'reo vahôka. 20 Nihinana avokoa izy daôly ary voky. Avy akeo de nangonin-jareo ny sisan'reo poti-tsakafo ka nafeno rombefolo harona. 21 Teo amin'ny dimy arivo lahy teo reo nihinana, ankôtran'reo zaza amam-bevavy. 22 Avy hatraigny de nasainy nankao amin'ny sambokely ary nande hialô an'Azy ho aigny ampita reo mpianany, raha mbôla nandefa reo vahôka Izy. 23 Tafaran'ny nandefasany an'reo vahôka, de nande niakatra taigny an-tanety rerika Izy mbô hivavaka. Rafa tonga ny hariva, de rerika teo Izy. 24 Ary ny sambo de efa lasa lavitra ny tanety, natopatopan'ny onja, satria nitsoka nanohitra an-jareo ny rivotra. 25 Tamin'ny fembenana faefatry ny alina de nagnatona an-jareo Jesosy, nande taigny ambony ranomasina. 26 Rafa natazagna an'Azy nande tambony ragnomasina reo mpianatra, de raiki-tatra ka niteny hoe: "Matotoa io," ary de nikikika natatra zareo. 27 Fa Jesosy nitare tamin-jareo avy hatraigny hoe: "Mahereza! Za ty! Aza matatra." 28 Namaly an'Azy Petera ka nagnano hoe: "Tompo, raha Anao io, de asaivo magnatona An'nao aigny ambonin'ny rano za." 29 Ozy Jesosy hoe: "Magnatona" ka de niala avy takao amin'ny sambokely Petera ary nande teo ambony rano mbô hagnatona an'i Jesosy. 30 Fa rafa natazagna ny rivotra Petera, de lasa natatra. Raha igny izy nagnomboka nilentika igny, de nikikika mafy izy sady nitare hoe: "Tompo, vonjeo za!" 31 Avy hatraigny Jesosy de naninjitra ny tànany, nitana an'i Petera, ary nitare tamin'azy hoe: "Anao ry kely finoana, fa magnino anao no magnahiahy?" 32 Avekeo Jesosy sy Petera nande nihazo ny sambokely, nitsatra nitsoka ny rivotra. 33 Avy akeo reo mpianatra tao agnaty sambokely nidera an'i Jesosy ary nitare hoe: "Anao marina no Zanak'Andriamanitra." 34 Rafa avy nempita zareo, de tonga taigny an-tanety takao Genesareta. 35 Rafa nafantatra an'i Jesosy reo leila takao am'zany tôrana zany, de nandefa hafatra taigny amin'ny faritra magnodidina daôly, ary nentin-jareo takeo amin'Azy ze ôla narary daôly. 36 Nitalaho tamin'Azy zareo mbô hafahan-jareo mikasika ny oron'ankanjony fotsiny iany, ary betsaka reo nikasika an'zany ka sitrana.