Toko faha 12

1 Tamin-zany fotôna zany Jesosy nande namakivaky ny tanimbary tamin'ny andro Sabata. Refogna reo mpianany ka nanomboka nisagotra salohim-bary de nignana zareo. 2 Nefa nony tazagn'reo Fariseo zany, de ozy izy reo tamin'i Jesosy hoe: "Jereo, reo mpianatra ze tsy mara-dalàna ny magnano asa amin'ny andro Sabata." 3 Fa Jesosy nitare an'azy reo hoe: "Mbola tsy novakinareo mihitsy ma ny ra nataon'i Davida, rafa refogna izy, sy reo leila daôly niaraka taminy? 4 Niditra takao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ary ninana ny mofon'ny fanatrena, ze tsy ara-dalàna ho an'azy raha hanina ary tsy ara-dalàna ho an'reo ze niaraka taminy, nefa ara-dalàna ho an'ny lôn'ny mpisorona rerika fôgna. 5 Tsy mbola novakinareo ma ny akao amin'ny lalàna, fa amin'ny Sabata reo mpisorona akao an-tempoly de manota ny Sabata nefa tsy magnan-tsiny? 6 Kanefa lazaiko aminareo fa aketo ny raika geda nony tempoly. 7 Raha fantatrareo ny hevitry ny hoe: "Famindram-po no iriko fa tsy sorogna, de tsy nagnameloka ny tsy magnan-tsiny anareo. 8 Fa ny Zanak'Ôla no Tompon'ny Sabata." 9 Avy akeo Jesosy niala niditra takao amin'ny synagogan-jareo. 10 Indro, nisy leila ze malemy tagnana takeo. Nagnontany an'i Jesosy reo Fariseo, nagnao hoe: "Ara-dalàna ma ny magnasitrana amin'ny Sabata?" mba hiampangan-jareo an'Azy amin'ny fahotana. 11 Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Ôla iza akeo aminareo, iza, raha ôndry raika fôgna no anagnany, ka raha latsaka agnaty lavaka laligna le ôndry amin'Sabata, no tsy hisambotra an'azy ary tsy hampakatra an'azy? 12 Tsy magnan-danja miôtra lavitra ma ny ôla nony ôndry! ka noho zany de ara-dalàna ny magnano soa amin'ny andro Sabata." 13 Avy akeo ozy Jesosy tamin-daleila hoe: "Ahinjiro ny tagnanao." De nahinjiny zany, ka niverigna ny fasalamany, ôtran'ny tagnany ilany. 14 Fa nivôka reo Fariseo ka nitetika ny hamono an'Azy. Nitady hevitra ny amin'ny fomba mety hamonona an'Azy zareo. 15 Rafa nalalan-zany Jesosy, de niala takeo Izy. Ôla betsaka no nagnaraka an'Azy, ary nositraniny izy daôly. 16 De nandidy an'azy reo Izy mba tsy hampafantatra an'Azy amin'ny hafa, 17 mba hahatanteraka, ze efa nambara tamin'ny alalan'Isaia mpamignany, magnano hoe: 18 "Jereo, ny mpanompoko ze nofidiko; ry le malalako, ze sitrakin'ny fagnako indrindra. Hapetrako akao aminy ny fagnako, ary hagnambara ny fitsaràna amin'ny Jentilisa izy." 19 Tsy hifanditra na hiantso mafy izy: ary tsy hisy ôla areigny ny feony egny an-dalàna. 20 Tsy hanapaka ny volotara torotoro izy; tsy hamono ze lan-jiro magnetroka, mandra-pagnaony ny rariny ho fandresena, 21 ary amin'ny agnarany no hanagnan'ireo Jentilisa fagnantenana." 22 Avy akeo nisy ôla jamba sy môgna, nipetran'ny demonia, nindesina takeo amin'ny Jesosy. Nositragniny izy, vokatry zany de nitare sy nahita le môgna. 23 Gaga reo vahôka daôly ka nitare hoe: "Ngamba io leila io ma no Zanak'i Davida?" 24 Kanefa rafa nareigny zany fahagagana zany reo Fariseo, de ozy zareo hoe: "Io leila io de tsy mamôka demonia raha-tsy amin'ny alalan'i Belzeboba, lehiben'ny demonia." 25 Kanefa fantatr'i Jesosy ny eritreritr'izy reo ka nitare an-jareo izy hoe: "Ny fanjakana ze miady an-tragno de tsy haharitra, ary ny tanàna na trano ze miady an-tragno de ho rava." 26 Raha mamôka satana ny satana,de miady an-tragno izy. Ahôgna no zany no hijoroan'ny fanjakany? 27 Ary raha mamôka reo demonia amin'ny alalan'i belzeboba Za, de amin'ny alalan'iza no adroasan'ny zanakareo an'azy reo? No zany antony zany de ho mpitsaranao izy reo. 28 Kanefa raha mamôka reo demonia amin'ny alalan'ny Fagnan'Andriamanitra Za, de efa tonga aminareo ny Fanjakan'Andriamanitra. 29 Amin'ny fomba akôry no afan'ny ôla miditra akao an-tranon'ny leila mahery ary maka reo fanagnany raha tsy hafatotra aloa le leila mahery? Avy akeo haka reo fanagnany akao an-dragnony izy. 30 Ze tsy momba an'Azy de manotra an'Ana, ary ze tsy mitambatra miaraka Aminà de misaraka. 31 No zany lazaiko aminareo fa ho vôvela heloka ny ôla amin'ny fahotana sy fitenenan-dratsy daôly, fa ny fitenenan-dratsy amin'ny Fagna Masina de tsy hahazôna famelan-keloka. 32 Na iza na iza mitare manoitra ny Zanak'Ôla, de ho vôvela izy. Fa na iza mitare manoitra ny Fagna Masina, de tsy ho vôvela izy, na amin'zao fiaignana zao, na amin'ze ho avy. 33 Karakarao tsara ny hazo de hamoa tsara zany, na atôvy ratsy ny fikarakarana ny hazo de hamoa ratsy zany, fa fantatra amin'ny vôgny ny hazo. 34 Anareo taranaky ny menarena, satria ratsy fagna anareo, koa akôry no afanareo mitare ra tsara? Fa avy amin'ny haben'ny akao am-po no itenenan'ny vavany. 35 Ny ôla tsara avy amin'ny harena tsara akao am-pony de mamokatra ze tsara, ary ny olon-dratsy avy amin'ny harena ratsy akao am-pony de mamokatra ze ratsy. 36 Lazaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana de ho adinina amin'ny teny tsy vôhevitra nolazainy avy ny ôla. 37 Fa ny teninao no hagnamarinana anao , ary ny teninao ho hangamelohana anareo." 38 Avy akeo nisy mpanora-dalàna sy Fariseo sasantsasagny namaly an'i Jesosy ary nitare hoe: "Ry Mpampianatra, magniry ny ahita famatarana avy aminao zahay." 39 Fa namaly Jesosy ary nitare an'jareo hoe: "Misy taranaka ratsy fagna sy mpijangajanga mitady famantarana omena an'azy afa-tsy ny famataran'i Jaona mpaminany. 40 Fa ôtran'i Jona ze telo andro sy telo alina takao an-kibon'ny trondro geda, de ho salan'zany kô no hitoeran'ny zanak'ôla telo andro alina akao agnatin'ny tany. 41 Reo olon'i Ninive de hitsangana akeo amin'ny fitsarana miaraka amin'ity taranaka ity ary hanameloka izany. Fa nibebaka izy reo tamin'ny toritenin'i Jona, ary indro misy ôla geda noho Jona aketo. 42 Ny mpanjakavavin'ny atsimo de hiara-hitsangana amin'reo leilan'ity taranaka ty amin'ny andron'ny fitsarana ary hanameloka izany. Tonga avy aigny amin'ny faran'ny tany izy mba hareigny ny fahendren'i Salomona, ary indro, misy ôla geda noho Solomona aketo. 43 Rafa nisy fagna ratsy niala takao amin'ny leila raika, de mandalo tagny karakaina izy ary mitady fitsaharana, nefa tsy maitan'zany. 44 Zany de milaza hoe: "Hiverigna aigny amin'ny tranoko ze neviko za." Ary nony tonga, de naita fa vôfafa ny trano ary nilamina. 45 Avy akeo de nande ary nitondra fagna ratsy fito niaraka taminy ze ratsy miotra an'azy, ka niditra nipetraka takao izy daôly. Avy akeo niha-ratsy noho ny vôlôny ny fiafaran'zany leila zany. Ary ho salan-zany kô ny amin'ity taranaka ratsy fagna ity." 46 Raha mbola nitare tamin'reo vahôka Jesosy, de indreo, ny reniny sy reo rahalàny nijoro taigny ivelany, nitady hiresaka aminy. 47 Nisy ôla raika nitare taminy hoe: "Jereo, ny reninao sy reo rahalànao mijoro akao ivelany, mitady iresaka aminao." 48 Fa namaly Jesosy ary nitare tamin'le nitare an'Azy hoe, "Iza no reniko ary iza reo rahalàko?" 49 Avy akeo nahijiny tamin'reo mpianagny ny tanany ary nitare hoe: "Jereo, fa ireto ny reniko sy reo rahalàko! 50 Fa ze magnano ny sitrapon'ny Raiko ze aigny an-dagnitra, de zany ôla zany no rahalàko, sy ny agnabaviko, ary reniko."