Toko faha 10

1 Nantsovin'i Jesosy niaraka reo mpianany roambefolo ary nagnome an'azy reo fahefana am'reo fagnahy maloto, mba handroasana anjareo, sy hagnasitrana reo karazagn'aretina sy karazagna fararena maro. 2 Ary reto avy ny agnaran'reo Apôstôly roambefolo. Ny voalôny, Simona (ze antsovina iany kô hoe : Petera ) ary Andrea rahalany; Jakoba zanaka lahin'i Zebede, sy Jaona rahalany. 3 Filipo sy Barteleomy; Tomasy, sy Matio le mpagnangona hetra; Jakoba zanaka lahin'i Alfeosy, ary Tadeosy; 4 Simona le Zelota, ary Jodasy Iskariota, le hamadika an'Azy. 5 Nasain'i Jesosy izy roambefolo. Nanoro an'jareo Izy ary niteny hoe: "Aza mande aigny amin'ny toerana ze hitoeran'ny Jentilisa anareo, ary aza miditra amin'ny renivotran'ny Samaritana. 6 Fa mandiana aigny am'reo ondry very amin'ny taranak'Israely; 7 ka rafa mande anareo, de mitoria ary lazao hoe: "Efa ankeky ny fitongavan'ny Fanjakan'ny lagnitra." 8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovo reo boka, ary roaso reo demonia. Araka ny nazahônareo maimaimpôgna, de magnomeza fôgna kô maimaimpôgna. 9 Aza mitondra volamena, volafotsy, na varagna akao amin'ny kitapom-bolanareo. 10 Aza mitondra kitapom-batsy am'ze ombanareo, na fitafy hafa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa de mendrika ahazo ny ahaniny. 11 Na ino na ino tanàna geda na tanàna kely hidiranareo, karao ze mendrika akao, ary mipetra akao mandra-pialanareo. 12 Raha vô miditra akao am'le tragno anareo de arahabao ny akao. Raha mendrika le tragno de ôka ny fiadananareo ho tonga akao. 13 Fa raha tsy mendrika kosa zany, de ôka ny fiadananareo hiverigne aminareo. 14 Ho an'reo ze tsy mandray an'nareo na tsy mihaino ny teninareo, de ahintsagno ny jofo alin'ny tongotrareo, rafa miala am'zany tragno na tanana zany anareo. 15 Lazaiko marina aminareo, fa ho moramora kokoa ny an'ny Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho zany tanana geda be zany. 16 Indro, handefa an'nareo salan'ny ondry akeo ampovôn'ny ambôdia Za, ka hendre ôtran'ny menaragna ary tsy manan-tsigny ôtran'ny voromelala. 17 Mitandrema ny amin'ny ôla! Hanolotra an'nareo akeo amin'ny filan-kevitra zareo, ary hitaroka an'nareo akao amin'ny synagogan-jareo. 18 Avy akeo de ho entina magnoloana ny governora sy ny mpanjaka anareo nohon'ny Amina, mba ho vavolombelona ho an'jareo sy ho an'reo Jentilisa. 19 Rafa manolotra an'nareo zareo, de aza magnana ahiahy ny amin'ny hoe manakôry na ino no ho lazainareo, fa amena an'nareo amin'io ora io ze tokony ho lazaina. 20 Fa tsy anareo no hiteny, fa ny Fanahin'le Rainareo no hiteny akao aminareo. 21 Ny rahala de hanolotra ny rahala amin'ny fahafatesana, ary ny ray de ny zanagny. Ny zanaka de hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahatonga ny fahafatesan-jareo. 22 Ho halan'ny ôla daôly anareo nohon'ny amin'y agnarako. Fa na iza na iza miharitra hatramin'ny farany, de ho voavonjy zany ôla zany. 23 Rafa magnenjika an'nareo akao amin'io tanana gedabe io zareo, de milefasa aigny amin'ny hafa, fa lazaiko marina aminareo, fa tsy hahatapitra reo tananan'Israely mialôhan'ny hatongavan'ny Zanak'Ôla anareo. 24 Ny mpianatra de tsy geda nohon'ny mpampianatra, na ny mpanompo ho ambony nohon'ny tompony. 25 Ampy ho an'ny mpianatra raha tonga ho ôtran'ny mpampiany izy, ary ny mpanompo ôtran'ny tompony. Raha nantsovin'jareo hoe Belzeboka ny tompon'ny tragno, dia ho ratsy lavitra salan'ny magnakôry reo agnarana hiantsovan'jareo ny isam-iankohinana! 26 Noho zany aza matatra an'jareo, fa tsy hisy takona ze tsy hibôna, ary zava-miafina ze tsy ho fantatra. 27 Ze lazaiko an'nareo akao amin'ny maizina, de tineno amin'ny andro mazava, ary ze bitsibitsika regninareo amin'ny sofinareo, de torio aigny ambony tafon-tragno. 28 Aza matatra an'reo ze mamony ny vatana kanefa tsy afaka mamono ny fagnahy. Fa kosa, matahôra an'ze afaka mamôtika ny fagnahy sy ny vatana aigny amin'ny helo. 29 Tsy vola madinika kely ma no hamarotana fody roa? Fa tsy mbôla misy na raika amin'jareo aza potraka amin'ny tany rafa tsisy ny fahalalan'ny Rainareo. 30 Fa na ny vôlon-dônareo aza voaisa daôly. 31 Aza matatra. Manan-danja bebe kokoa noho ny fody maro anareo. 32 Noho zany ze daôly manaiky Anà akeo agnatrehan'ny ôla, de ho ekeko iany kô akeo agnatrehan'ny Raiko ze aignyan-dagnitra. 33 Fa ze mandà Anà akeo agnatrehan'ny ôla kosa, de ho laviko iany kô akeo agnatrehan'ny Raiko ze aigny an-dagnitra. 34 Aza mieritreritra fa Za de tonga hitondra fiadanana aketo an-tagny. Tsy tonga mba hitondra fiadanana Za, fa sabatra. 35 Fa tonga Za hanasaraka ny zanaka la amin'ny rainy, sy ny zanaka vavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozam-baviny. 36 Ireo ze akao an-tokantragnony fôna no ho lasana favalon'ny ôla. 37 Ze te kokoa ny ray na ny reny mihôtra Anà de tsy mendrika Anà; ary ze te kokoa ny zanaka là na zanaka vavy mihôtra Anà de tsy mendrika Anà. 38 Ze tsy mandray ny hazofijaliany ka magnaraka Anà de tsy mendrika Anà. 39 Ze mamonjy ny aignany de havery zany. Fa ze mahavery ny aignany noho ny amina de hahita zany. 40 Ze mandray an'nareo de mandray Anà, ary ze mandray Anà de mandray le naniraka Anà fôna kô. 41 Ze mandray ny mpamignany satria mpaminagny izy de hahazo ny valisôn'ny mpaminagny, ary ze mandray ny ôlo-marina satria ôlo-marina izy de hahazo ny valisôn'ny ôlo-marina. 42 N'iza n'iza magnome ny raika am'reny madinika ndrindra regny, na de rano mangatseka raiky tasy ho sotroina aza, satria izy mpianatra, de lazaiko marina aminareo fa, tsy ho very ny valisôny. "