Toko faha 9

1 Ary na de ny fanekena vôlôny aza de nanagna fitsipi-pivavahana sy fitôrana masina aketo an-tany. 2 Fa nisy tabernakely ze nomanina. Ny efitra vôlôny, ze nisy ny fitôran-jiro, ny latabatra, ary ny mofon'ny fanatrehana, de nantsôvina hoe fitôrana masina. 3 Akao ambadiky ny lamba faharôy de nisy efitra raika hafa, antsôvina hoe tôrana masina ndrindra. 4 Nisy alitara volamena ho an'ny ditin-kazo magnitra zany. Nisy fiaran'ny fagnekena iany kô, ze rakotra volamena tanteraka. Takao agnatin'zany de nisy siny volamena ze nisy ny mana, ny tehin'i Arona ze nagniry, ary reo vato fisaky ny fanekena. 5 Aigny agnambon'ny fiaran'ny fanekena, de kerobima be voninatra betsaka no magnaloka ny sarona fagnaronana, ze tsy afaka taravinay amin'ny antsipiriny am'zao fotôna zao. 6 Rafa vôomagna reo ra reo, de niditra takao amin'ny efitra ivelan'ny tabernakely fôgna reo mpisorogna mbô hagnano ny fanompon-jareo. 7 Fa ny mpisoronabe iany no niditra ndray mande isan-taona takao amin'ny efitra faharôy, ary niaraka tamin'ny rà ze natolony ho an'ny tegnany sy ho an'reo fahotana tsy ninian'reo ôla. 8 Nabôgnan'ny Fanahy Masina fa ny lalana mankao amin'ny tôrana masina ndrindra de mbôla tsy nabôgna raha mbôla mitsangana ny tabernakely vôlôny. 9 Zany de fagnoharana ho an'zao fotôna ankehitriny zao. Reo fagnomezana sy reo sorogna ze atolotra am'zao fotôna zao de samy tsy afaka hatanteraka ny fieritreretan'ny mpivavaka raika. 10 Mifantoka amin'ny sakafo sy ny zava-pisotro sy karazam-pomba fidiovana betsaka fotsiny reo. Reo daôly reo de fitsipika ho an'ny nofo avokoa ze namena mandra-pagnamboarana ny fandaminana vaovao. 11 Kristy de niavy salan'ny mpisorognaben'reo ra tsara ze tonga. Nande tamin'ny alalan'ny tabernakely geda kokoa sy lafatra kokoa ze tsy nataon'ny tagnan'ôlombelona Izy, ze tsy an'zao tontolo vôary zao. [Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny de mivaky ôtran'zao: "Jesosy de tonga ôtran'ny mpisorognaben'reo ra tsara ze ho avy."] 12 Tsy tamin'ny ràn'reo osy lahy sy vantotr'omby vavy zany, fa tamin'ny ràny manokana ze niditra takao amin'ny tôrana masina ndrindra ndre mande monja ho an'ny daôly ary nitambatra tamin'ny famonjena antsika mandrakizay. 13 Fa raha ny ràn'reo osy sy reo omby lahy ary ny famafazagna ny lavenon'ny vantotr'omby vavy akeo am'reo ze lasa maloto no manokana an-jareo akeo amin'Andriamanitra ho fagnadiovana ny nofon-jareo, 14 ôtran'ny akôry ny fihoaran'ny ràn'i Kristy, ze nagnolotra ny Tegnany tsisy kilema ho an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny Fagnahy mandrakizay, hagnadio ny fieritreretantsika hiala amin'ny asa maty mbô hanompôna an'le Andriamanitra velona? 15 Noho zany antony zany, de Izy no mpanalalana ny fanekena vaovao. Zany de, satria nisy fafatesana raika nibôgna mbô hagnafaka an'reo ze ambanin'ny fanekena vôlôny amin'ny fahotan-jareo, de handray ny fampagnantenan'ny lova mandrakizay reo ze vôantso. 16 Fa raha misy didim-panagnana, ny fafatesan'le ôla ze nagnano an'zany de tsy maintsy vôporofo. 17 Fa rafa misy fafatesana fôgna vô manan-kery ny didim-panagnana, satria tsy manan-kery zany raha ôtra ka mbôla velona le ôla ze nagnano an'zany. 18 Ka na de ny fanekena vôlôny aza tsy natao raha tsisy rà. 19 Fa rafa nagnome ny didy daôly takao amin'ny lalàna tam'reo ôla daôly Mosesy, de naka ny ran'reo omby sy reo osy, niaraka tamin'ny rano, volon'ondry jaky mena, sy hysopa izy, ary namafy takeo amin'ny boky sy ny ôla daôly. 20 Ary izy nitare hoe: "Ty no ràn'ny fanekena ze nandiden'Andriamanitra ho an'nareo." 21 Ôtran'zany kô, de namafy rà takeo amin'ny tabernakely sy reo fitôran-javatra daôly ampiasaina amin'ny fanompôna izy. 22 Araka ny lalàna, de saika ny ra daôly no vôdio tamin'ny rà. Raha tsisy fandatsahan-drà de tsisy famelan-keloka. 23 Noho zany de nilaina ny alok'reo ra aigny an-dagnitra mbô ho vôdion'ny soron'reo biby reo. Na zany aza, reo ran'ny lagnitra mitsy no nila nodiovina tamin'ny sorogna tsara kokoa. 24 Fa Kristy de tsy niditra takao amin'ny tôrana masina ndrindra ze nataon'ny tagnana, ze tandindon'le raika ze tegna izy fôgnany iany. Fa kosa niditra taigny an-dagnitra mitsy Izy, mbô hibôgna akeo amin'ny fagnatrehan'Andriamanitra ho antsika am'zao fotôna zao. 25 Tsy nande takao mbô hagnolotra ny tegnany imbetsaka Izy, salan'ny fagnanon'ny mpisoronabe, ze miditra akao amin'ny tôrana masina ndrindra isan-taona niaraka tamin'ny ràn'ny hafa. 26 Fa raha zany no ra nitranga, de nila nijaly imbetsaka nanomboka tamin'ny fagnorenana an'zao tontolo zao Izy. Fa am'zao fotôna zao de ndray mande monja no nampisehoana an'Azy mbô hagnala ny fahotana amin'ny alalan'ny soron'ny tegnany iany. 27 Efa natao ho foaty ndray mande ny ôla daôly, ary afaran'zany no ho avy ny fitsarana. 28 Salan'zany iany kô, Kristy, ze natolotra ndray mande mbô hagnala reo fahotan'ny maro, de hibôgna fanindrôny, tsy handraraha ny ota, fa ho an'ny famonjena reo ze miandry an'Azy amim-paharetana.