Toko faha 8

1 Ary ny fototry ny ra lazainay de zao: Tsiaka de managna mpisorognabe ze nipetraka teo antanan-kavanan'Andriamanitra ny seza fendrianan'le be voninahitra aigny an-dagnitra. 2 Izy no mpagnano ny fanompoam-pivavahana akao amin'ny tôrana masina, de le taberinakely marina ze naorin'ny Tompo ho an'azy, fa tsy an'ôla. 3 Fa ny mpisorognabe daôly de notendrena hagnatitra fagnomezana sy sorogna. Am'zany de tsy maintsy managna ra aterina kô. 4 Ary raha takeo ambon'ny tany Kristy, de tsy mba mpisorogna miitsy Izy, satria misy rahateo reo ze magnatitra ny fagnomezana araka ny lalàna. 5 Zareo de magnano ny fanompoam-pivavahana akao amin'ny tabernakely ze tandindogna sy aloky ny ra aigny an-dagnitra. Zany de ôtran'ny nampitandreman'Andriamanitra an'i Mosesy raha igny izy hande hagnambôtra ny tabernakely igny. Ozy Andriamanitra hoe: "Tandremo mba hataono ôtran'ny endrika ze nabognako an'nao taigny an-tanety ny ra daôly." 6 Fa am'zao Kristy de efa nahazo asa fanompoana tsara lavitra noho an'ireny. zany de noho izy mpagnelagnelagna amin'ny fanekena tsara indrindra, ze mifototra amin'ny fampagnantegnana tsara. 7 Fa raha tsy nanan-tsigny le fanekena vôlôny, de tsisy antony nilàna an'le fanekena faharoa. 8 Fa rafa natazagna tsigny tamin'ny ôla Andriamanitra, de ozy Izy hoe: "Ndre ho avy ny andro— ozy ny Tompo— za de hagnana fanekena vaovao amin'ny taranak'Israely sy ny olon'i Joda za. 9 De tsy nitandrina ny fanekena nataoko tamin'ny razan-jareo tamin'ny andro ze nitondrako an'azy reo niala avy taigny amin'ny tany Egypta. Fa zareo de tsy niaigna tao amin'ny fanekena, ary Za de tsy niraharaha an'azy reo— ozy ny Tompo. 10 Fa izao no fanekena ze ho ataoko amin'ny ôlon'Israely am'zany andro zany — ozy ny Tompo. De ataoko akao antsaignan-jareo ny lalàko, ary hosoratako akao am-pon-jareo kô izany. Ary Za ho Andriamaniny, ary izy reo ho oloko. 11 Ary de tsy hampianatra ny mpiara-monina sy ny rahalany avy zareo, ka hitare hoe: "Fantaro ny Tompo." Fa hahafantatra Anà daôly ry razeo, manomboka amin'reo kely indrindra ka hatramin'ny geda indrindra. 12 Fa Za de hamindra fo amin'ny tsy fahamarinan-jareo, ary tsy hahatsiaro reo fahotany ntsony." 13 Amin'ny fitaravana hoe: 'vaovao," de nagnano ny fanekena vôlôny ho talô izy, ary izay efa lany andro sy antitra de efa ankeiky ho levona.