Toko faha 7

1 Melkizedeka zany, mpanjakan'i Salema, mpisoron'Andriamanitra Avo ndrindra, ze nifanena tam'i Abrahama daôly niverigna avy nandresy reo mpanjaka ary nitahy an'azy. 2 Izy no namen'i Abrahama ny ampafolon'ny ra daôly. Ny agnarany hoe: "Melkizedeka" de midika hoe "mpanjakan'ny famarinana." Ny agnarany hafa de "mpanjakan'i Salema," zany de: "mpanjakan'ny fiadanana." 3 Izy de tsy manan-dray, sy tsy manan-dreny, tsy managna razambe, ary tsy managna fetombohan'reo andro sady tsy managna fefaran'ny fiaignana. Fa kosany, mitovy amin'ny Zanak'Andriamanitra izy, satria mijanona ho mpisorogna mandrakizay. 4 Jereo ny haleben'io leilà io. Ny razambentsika Abrahama de nagnome ny ampafolon'reo ra ze azony tam'ady. 5 Am'lafigny raika, reo zanaka lahin'i Levy ze mandray ny fisorognana de managna baiko avy am'lalàna mba hagnangona ny ampafolon-karena avy aigny am'reo ôla, zany de avy am'reo rahalan'jareo, na zany aza zareo, iany kô, de avy am'vatan'i Abrahama. 6 Fa am'lafiny tokana, Melkizedeka, ze tsy vôsoritra avy am'jareo ny taranany, de nandray ampafolon-karena avy am'i Abrahama, ary nagnome tsodrano an'azy, le tokana ze nagnana reo fampanantenana. 7 Tsisy fandavana fa ny ôla ambany ndrindraka de amen'ôla agnambo ndrindraka tso-drano. 8 Am-zany tranga zany, ny ôla mety maty de mandray ampafolon-karena, fa am'ty tranga ty de vôporofo fa mbola velona izy. 9 Ary am'fomba firesaka, Levy ze nandray ampafolon-karena, de nandô ampafolon-karena tam'alalan'i Abrahama iany kô, 10 satria Levy de takao agnatin'ny tegnan'ny razambeny rafa nihaogna tam'i Abrahama i Melkizedeka. 11 Am-zao raha azo atao am'alalan'ny fisorognana levitika ny fatanterahana (fa takao ambanin'zany ny ôla no nandray ny lalàna), de filàna bebe kokô ino no mety nisy ho an'ny mpisorogna hafa mba hitsanganana araka ny fomban'i Melkizedeka, ary tsy raisina araka ny fomban'i Arona? 12 Fa rafa novàna ny fisorognana, de tsy maintsy ovàna iany kô ny lalàna. 13 Fa le raika ze nilazana ny momban'reo ra reo de an'ny foko hafa, ze tsisy ôla manompo akeo am'alitara miintsy. 14 Fa mazava am-zao, fa avy am'i Joda no naterahan'ny Tompontsika, foko ze tsy nolazain'i Mosesy miintsy ny makasika reo mpisorogna. 15 Ze lazaintsika d'efa mazava kokô raha misy mpisorogna hafa mitsangana amin'ny endrik'i Melkizedeka. 16 Tsy avy tam'fototry ny lalànan'ny taranaky ny nofo no hatonga an'azy ho mpisorogna, fa kosany avy tam'fototry ny herin'ny fiaignana tsy mety levona. 17 Fa ny Soratra Masina de mitsangana momba an'azy hoe: Enao de mpisorogna mandrakizay araka ny fomban'i Melkizedeka. 18 Fa nisy fagnafoanana ny didy teo alô satria nalemy sy tsisy dikany zany. 19 Fa tsisy ra nataon'ny lalàna tonga lafatra. Kanefa misy ny fampidirana fahatokiana tsara kokô ho an'ny ho avy ze hagnatonantsika an'Andriamanitra. 20 Tsy nitranga zany raha tsisy ny fandraisana fianianana. Am'lafiny raika, reo hafa reo de tonga mpisorogna tsy nila fianianana. 21 Fa am'lafiny raika hafa, ty raika ty, Jesosy de tonga mpisorogna tam'alalan'ny fianianana nataon'le nilaza taminazy hoe: "Ny Tompo de nianiana ary tsy hiova amin'ny heviny hoe: 'Enao de mpisorogna mandrakizay."' 22 Tam'alalan-zany iany kô Jesosy no nagnome antoka ny fanekem-pihavanana tsara kokô. 23 Am'lafigny raika, maro no tonga mpisorogna satria ny fafatesana no magnakana an'jareo hanohy. 24 Am'lafigny raika hafa, satria Jesosy mipetraka mandrakizay, de managna fisorognana mandrakizay izy. 25 No zany izy iany kô de afaka mamonjy tanteraka reo ze magnatona an'Andriamanitra am'alalany, satria izy de miaigna fôgna mba hagnelagnelagna ho an'azy reo. 26 Fa ny mpisorognabe salan'zany de mety ho antsika. Izy de tsy manam-pahotana, tsy manan-tsiny, madio, nosarahana tam'reo mpagnota, ary tonga agnambo no reo lagnitra. 27 Tsy mila izy, tsy salan'reo mpisorognabe, hanolotra sorogna isan'andro, ny vôlôny ho an'reo fahotany manokana, ary avy akeo ho an'reo fahotan'ny ôla. Efa nagnano an'zany ndray mande ho an'ny daôly izy, rafa nanolotra ny tegnany. 28 Fa ny lalàna manondro ny ôla ze managna falemena ho mpisorognabe. Fa ny tenin'ny fianianana, ze tonga tafaran'ny lalàna, de nanendry Zanaka là, ze natao tonga lafatra mandrakizay.