Toko faha 13

1 Tohizo hatraigny ny fifankatiavan'ny mpirahalà. 2 Aza magnadino ny fampentranom-bahiny. Fa tamin'zany de nampentragno anjely ny sasagny nefa tsy fantany. 3 Tsarôvo reo vôgadra, de hevero ho salan'ny niara-nigadra tamin-jareo kô anareo. Tsarôvo reo ze ampahorena, hevero ho salan'ny hoe: zareo ihany kô anareo amin'ny vatagna. 4 Ôka hagnaja ny fanambadena ny tsiraikaraika, ôka tsy hifagnitsakitsaka ny mpivady fa ataovo madio ny fandreny, fa Andriamanitra de hitsara an'reo mpangalabadin'ôla sy reo mpijangajanga. 5 Aza avela hahazo laka amin'ny fitondran-tegnanareo ny fitiavam-bola. Mifalia am'reo ra ze hanagnanareo, satria Izy Andriamanitra de nitare hoe: "Za de tsy handao an'nareo miitsy, na hahafoy an'nareo velively kô." 6 Alao mba ho faly ntsika ka ho sahy hitare hoe: 'Ny Tompo no Mpamonjiko; ka tsy hatahotra za. Ino no azon'ny ôla atao aminà?" 7 Hevero reo mpitarika an'nareo, ze nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo, hevero ny fiafaran'ny fiaignan'jareo. Alao tahaka ny finon-jareo. 8 Jesosy Kristy de tsy miova nomaly, sy nigniany, ary mandrakizay. 9 Azy magneiky tômina amin'reo karazagna fampenarana hafahafa. Fa tsara raha hamafisina amin'ny fasoavan'Andriamanitra ny fo, fa tsy amin'ny hanina ze tsy mahasoa reo mahavatra an'azy. 10 Tsika de managna alitara ze tsy anagnan'reo mpagnano fanompoam-pivavahana akao amin'ny tabernakely fahefana hihinana. 11 Ny ràn'reo biby novonoina natao fagnatitra ho an'ny ota de nentin'ny mpisorognabe takao amin'ny tôrana masina, nandritra an'zany ny vatan-jareo de nidorôna taigny avelagny ny toby. 12 Izany no antony nijalen'i Jesosy sy ny nahafatesany taigny avelagny ny vavahadin'ny tanàna, mba hagnamasina ny vahôka amin'ny ràny manokana. 13 Andao tsika ho aigny amin'Azy aigny avelagnin'ny toby, ka hiara-hitondra ny fafambarakany. 14 Fa tsika de tsy managna tanàna maharitra aty. Fa kosa, tsika de mandigny le raika ze ho avy. 15 Ary de andao tsika hagnatitra fagnati-piderana ho an'Andriamanitra hatrany, de fiderana vokatry ny molotra ze magneiky ny agnarany. 16 Fa mba aza magnadino ny magnano ny tsara sy magnampy ny tsiraikaraika tsika, fa amin'ny fagnatitra ôtran'zany indrindra no tegna sitrak'Andriamanitra. 17 De mankatoava sy magnikesa, an'reo mpitondra an'nareo, fa zareo no miaro ny fagnahinareo, salan'reo ze hagnano tatitra. Mba magnike hagnano an'zany am-pifalina reo mpitondra anareo, fa tsy atao ampisentôna zany. ka lasa tsisy dikany ho anareo. 18 Mivavaha ho anay, fa zahay de nino fa managna feon'ny fieritreretana madio ary magniry hiaigna ampamarinana ny ra daôly. 19 Tegna mamporisika an'nareo miitsy za mba hagnano an'zany, ka mba hiverigna malaky aty aminareo za. 20 Ary le Andriamanitry ny fiadanana, ze manangana an'i Jesosy Tompontsika, le mpiambina ondry leibe, tamin'ny maty ze nitondra ny ràn'ny fanekena mandrakizay, 21 de hagnatsara anareo amin'ny asa tsara daôly mba hagnanôvana ny sitrapony. Izy ane hiasa akao agnatintsika ze tegna ankasitrahana akeo agnatrehany amin'alalan'i Jesosy Kristy, ze hamena ny voninahitra mandrakizay. Amena. 22 Ary mankahery anareo za, ry rahala, mba hizaka ny tenin'ny fampaherezana ze nosoratako foika ho anareo. 23 Ôka ho fantatrareo fa Timoty rahalantsika de efa afaka, zay iaraka aminà hizaha anareo raha tonga alô izy. 24 Ataovo veloma daôly reo mpitarika anareo sy reo mpino daôly. Reo ze avy aigny Italia de magnano veloma anareo. 25 Ho aminareo daôly anie ny fahasoavana.