Toko faha 11

1 Ary ny finona no antoka am'reo ra nandrasana tamim-patokisana. Io no porofon'reo ra mitranga ze mbola tsy hita. 2 Fa no zany reo razambe de nankatoavina non'ny finon'jareo. 3 Amin'ny finona no hafantarantsika fa ny didin'Andriamanitra namoronana an'zao tontolo zao, da ze taza-maso de tsy natao tamin'ny ra ze hita maso. 4 Tamin'ny finona no nanoloran'i Abela fagnatitra tsara kokô ho an'Andriamanitra nony an'i Kaina, tamin'ny alalan'zany no nagnambarany an'azy ho marina, ary Andriamanitra nitare tsara an'azy non'reo fagnatiny, ary amin'ny finona no mbola hitaravan'i Abela, na de efa maty aza izy. 5 Tamin'ny finona no namindrana an'i Enoka mba tsy aitany fafatesana. "Tsy hita izy, satria nilain'Andriamanitra." 6 Fa talôn'ny nangalàna an'azy, de nijorôna vavolombelona fa nankasitran'Andriamanitra izy. Ary rafa tsisy finona de tsy mety ankasitrahany. Satria ilaina hoe ze magnatogna an'Andiamanitra de tsy maintsy mino fa misy Izy ary Izy no mamaly soa an'reo ze mikaroka an'Azy. 7 Tamin'ny finona Noa, no namena hafatra avy amin'Andriamanitra momba an'reo ra ze tsy mbola hita, niaraka tamin'ny fagnajana an'Andriamanitra no nagnamboarany ny sambo ze namonjeny ny ankohonany. Fa tamin'ny fagnanôvana an'zany, no nagnamelôhan'zao tontolo zao sy natongavany ho mpandova ny fahamarinana, araka ny finona. 8 Tamin'ny finona Abrahama, raha nantsovina no nankato sy nande nankaigny amin'ny le tôrana ze hazaôna ho lova. Nande izy, tsy nafantatra ze tany nombany. 9 Tamin'ny finona no niaignany taigny am'le tany nampagnantenana ôtran'ny vahiny. Niaigna tao agnaty tragno le izy niaraka tamin'i Isaka sy Jakoba, reo mpiara-mandova am'le fampagnantenana mitovy. 10 Fa izy nikaroka le tanàna ze managna an'reo fagnorenana, le tanàna ze Andriamanitra no mpamari-tragno sy mpagnorin-tragno. 11 Tamin'ny finona, na de Saraha izy tegnany ze momba aza, no nazaôn'i Abrahama ny fahafana ho ray. Nitranga zany na de efa tegna antitra aza izy, satria neverina ho ôtran'ny le matoky namena le fampagnantenana izy. [Fagnamarihana: Misy fagnontanena momban'ny hoe ny finoan'i Abrahama sa ny finoan'i Saraha no nasongadiagna. "Tamin'ny finona i Saraha, na de efa antitra aza izy, no nazaôny hery hanagn'anaka, na de efa tegna antitra aza izy hitondra zaza, satria nihevitra le nagnome le fampagnatenana an'azy ho matoky."] 12 No zany avy am'zany leila zany, ze efa ho foaty, no nahateran'reo ze ôtran'reo kintana aigny an-dagnitra ny habetsahany sy ôtran'ny fasika magnamorona ny ranomasina, ze tsy vôisa. 13 Tao amin'ny finona iregny dahôly regny no maty tsy nandry an're fampagnatenana. Fa kosa, tafaran'ny nahitana sy niarabana an'azy reo avy aigny alavitra, de nagneky zareo fa vahiny sy sesi-tany aty an-tany. 14 Ho an'reo ze mitare ôtran'zany ra zany de mazava fa mikaroka tanindrazana zareo. 15 Raha nieritreritra ny firenena ze nialany zareo, de mety nanagna fahafahana hiverina. 16 Fa salan'zany, nagniry firenena tsaratsara kokô zareo, ka zany le aigny an-dagnitra. No zany tsy mamegnatra an'Andriamanitra ny vôantso hoe Andriamanitr'izy reo, ka nanomagna, tanàna ho an'jareo Izy. 17 Tamin'ny finona'i Abrahama, rafa notsapaina, de nanolotra an'i Isaka. Io no razagny là tokana ze natolony, izy le nahazo an'reo fampagnantenana. 18 Tamin'i Abrahama no nilazana hoe: "Amin'ny alalan'Isaka no hanondroana an'reo taranakao." 19 Abrahama de nihevitra fa Andriamanitra de havita hanangana an'Isaka amin'ny maty, ary amin'ny heviny amin'ny ôtra, avy tam-jareo no hazaôna an'azy ndre. 20 Tamin'ny finona momban'reo ra ho avy kô no nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao. 21 Tamin'ny finona Jakoba, tam'ze efa ho foaty, no nitso-drano reo zanak'i Josefa tsiraikaraika avy. Nivavaka Jakoba, nitehina tamin'ny lohan'ny tehiny. 22 Tamin'ny finona Josefa, rafa nagnakeky ny fefarany, no niresaka ny fengan'ny zanak'Israely avy aigny Egypta ary nagnafarany ny amin'ny tôlany. 23 Tamin'ny finona Mosesy, rafa teraka izy de nasitrik'reo ray aman-dreniny nandritry ny telo volana satria hitan'jareo fa zaza tsara izy. Tsy natatra ny didin'ny mpanjaka zareo. 24 Tamin'ny finona Mosesy, tafaran'ny naleibe an'azy, no nandà ny hentsovana an'azy ho zanaka làhin'ny zanaka vavin'i Farao. 25 Fa kosa, nisafidy ny hijaly niaraka tamin'ny vahôkan'Andriamanitra izy, ôtran'ze hankafy an'reo fafinaretan'ny fahotana mandritry ny fotôna foika. 26 Nilaza izy hoe ny fafam-baraka amin'ny fagnarahana an'i Kristy de harena ngaza no reo haren'i Egypta. Satria nampifatoka an'reo masony tamin'ny valisoany izy. 27 Tamin'ny finona no nelan'i Mosesy taigny Egypta. Tsy nataotra ny fasosen'ny mpanjaka izy, fa niaritra an'zany ôtran'ny le nahitany le tsy hita maso. 28 Tamin'ny finona no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, mba tsy hikasika ny zanaka lahimatoan'reo Isrelita ny mpandringana ny zanaka lahimatoa. 29 Tamin'ny finona no nitsakan-jareo ny Ranomasina Mena ôtran'ny mande maigna. Rafa nagnandrana nagnano an'zany reo Egyptiana, de vôteligna zareo. 30 Tamin'ny finona no nirodagnan'ny mandan'i Jeriko, rafa avy nagnodidigna nandritra ny fito andro izy reo. 31 Tamin'ny finona no tsy nafaty an'i Rahaba le mpivarotegna miaraka tam'reo mpaniasia, satria nandray reo mpisafo tany tamin'ny fiadanana izy. 32 Ino ihany kô no afaka lazaiko? Fa ho lany ny fotônako raha mikoragna momban'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, ary momban'reo mpaminagny za. 33 Tamin'ny alalan'ny finona no nazaôn'jareo ny fanjakana, niasa ara-drariny, ary nandry an'reo fampagnatenana. Nagnakombogna ny vavan'reo liona zareo, 34 namono ny herin'ny afo, nilefa ny lelan'ny sabatra, sitrana tam'reo aretina, lasana nahery agn'ady ary nandresy an'reo tafika vahiny. 35 Nitsangana tamin'ny maty tamin'ny fananganan-ko velona reo vevavy. Reo hafa de nampijalena tamin'ny tsy fanekena ny famotsorana mba hazaôn'jareo fitsanganana tsara kokô. 36 Ny hafa de notsapaina tamin'ny fagnesôna sy re fitarôna, iôny fa na de ny fatotra sy ny fagnagadra aza. 37 Notoram-bato izy reo. Notsofaina hizara roa izy reo. Novonona tamin'ny sabatra izy reo. Nirenireny tamin'ny hoditr'ondry sy hoditr'osy izy reo. Nahantra zareo, nampihorohorona, nampahorena. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny sasagny talô de mivaky hoe: "Notoram-bato izy reo. Notsofaina hizara roa. Nampandalovina fitsapana. Novonona tamin'ny sabatra."] 38 Zao tontolo zao de tsy mendrika an'azy reo. Nirenireny taigny an'efitra, tany am'reo tanety, tany am'reo lava-bato, ary tany am'reo lavaka ambanin'ny tany izy reo. 39 Kanefa regny ôla daôly regny de neken'Andriamanitra non'ny finon'jareo, tsy nandry ny fampagnantenana zareo. 40 Nagnomana ra tsara kokô ho antsika Andriamanitra, mba tsy ho lavorary izy reo raha tsisy an'tsika.