Toko faha 10

1 Fa ny lalàna de alok'reo ra tsara ho avy fogna, fa tsy tegna endrik'reo ra reo. Reo ze magnatogna an'Andriamanita de tsy afaka ny ho lafatra amin'ny alalan'ny sorogna mitovy an'zany entin'reo mpisorogna isan-taona. 2 Raha zany de tsy efa nijanona ny nanolotra an'regny sorogna regny ma zareo? Am'zany ra zany, raha efa nodovina indraika fogna izy reo, de tsy mba hafantatra ny ota mitsy reo mpivavaka. 3 Fa am'reo sorogna reo de misy fampatsahivina reo ota isan-taona. 4 Satria ny ràn'ny omby là sy osy là de tsy mavita magnala reo ota. 5 Rafa tonga teto am'zao tontolo zao Kristy, de niteny Izy hoe: "Tsy sorogna na fagnatitra no nilainareo. Fa kosany, vatagna ze efa nomaninareo ho Anà. 6 Ny fagnatitra dorôna na sorogna ho an'ny ota de tsy nafaly an'nao. 7 Ary ozy za hoe: "Zahao, ty Za, araka ze vôsoratra momba Anà akao amin'ny Soratra Masina, mba hagnano ny sitrakareo." 8 Vôlôny niteny izy hoe: "Tsy sorogna, na fagnatitra, na fagnatitra nodorana, na sorogna ho an'ny ota no nirinareo. Ary Enao tsy nifaly tao am'izy regny." 9 Regny de sorogna ze atolotra araka ny lalàna. Ary niteny izy hoe: "Zahao, ty Za hagnano ny sitrakareo." Izy de nagnala ny fampiharana vôlôny mba hametrana ny fampiharana faroa. 10 Tam'zany sitraka zany, tsika de nohamasinina tamin'ny alalan'ny fagnatitry ny vatan'i Jesosy Kristy indraika monja. 11 Amin'ny lafiny raika, ny mpisorogna daôly de mijoro isan'andro manompo an'Andriamanitra. Izy de magnolotra sorogna mitovy hatraigny, na zany aza zareo de tsy afaka magnala an'reo ota miintsy. 12 Amin'ny lafiny raika hafa, Kristy de nagnolotra sorogna raika ho an'ny ota mandrakizay, nipetraka teo an-tagnan'ankavanan'Andriamanitra Izy. 13 Izy de miandry mandra-pagnôvana an'reo favalony ho fipetran-tongotra ho an'ny tongony. 14 Fa tamin'ny fagnatitra raika izy de nalavorary mandrakizay reo ze nohamasinina. 15 Ny Fanahy Masina kô de mijoro vavolombelona ho antsika. Fa tamin'ny vôlôny Izy niteny hoe: 16 "Ty no fanekena ze atôko miaraka am'jareo afaran'reo andro reo, ozy ny Tompo. Hapetrako akao am-pon'jareo ny lalàko, ary hanoratra an'zany akao an-tsain'jareo Za. 17 Tsy hatsaro ny ota sy reo helok'izy reo intsony Za. 18 Ary na aiza misy famelana an'zany, de tsisy sorogna ho an'ny ota mitsy. 19 No zany, ry rahalà, tsika de managna fatokena ny hiditra akao amin'ny toerana masina indrindra tamin'ny ràn'i Jesosy. 20 Zany no lalana vaovao sady velona ze nosokafany ho antsika tamin'ny alalan'ny lamba, zany hoe, tamin'ny alalan'ny nofony. 21 satria tsika de managna mpisorogna be mitandrina ny tranon'Andriamanitra, 22 aoka tsika hagnatogna amin'ny fo madio amin'ny finôna feno fatokena, mba hanagnantsika fo vôdio amin'ny fieritreretana ratsy ary hanagnantsika vatagna vôdio tamin'ny rano madio. 23 Aoka tsika hitana mafy ny fanekena ny fiandrandrana matokintsika, tsy miozongozogna, satria Andriamanitra, ze nampagnantegna, de matoky. 24 Aoka tsika handinika ny fomba hamporisina ny tsiraikaraika amin'ny fitiavana ny reo asa tsara. 25 Aoka tsika hanohy ny fiarana miangona, salan'ny nataon'ny sasagny. Fa kosany, mifankaherezana hatraigny hatraigny, ary indrindra ka fa hitanareo fa magnankeky ny andro. 26 Fa raha tô tsika minia manota rafa avy nandray ny falalana ny marina, de tsisy fagnatitra ho an'ny ota intsony. 27 Fa kosany, tokana fogna ny fandignesana matatran'ny fitsarana, ary fatezerana mafy ze hamotika an'reo favalon'Andriamanitra. 28 Na iza na iza nandà ny lalàn'i Mosesy de no faty tsisy indrafo amin'ny fijorona vavolombelon'reo roey na telo ze nagnatri-maso. 29 Fagnasazena tegna mafy manakôry no eritreretinareo fa mendrika an'reo ze nagnitsaka ny zanak'Andriamanitra, ze nagnano ny ràn'ny fanekena ho tsy masina— Le rà ze nagnamasinana an'Azy— ary naniratsira ny Fagnan'ny fasoavana? 30 Fa tsika mafantatra le raika ze niteny hoe: "Anà ny valifaty; Za no hamaly." Ary ko: "Ny Tompo de hitsara ny ôla." 31 Ra mampataotra no hilatsaka akeo antagnan'Andriamanitra velona! 32 Fa tadidio reo andro talô, rafa nazavaina an'nareo ny fomba niaretanareo ny ady mafy tamin'ny fijalena. 33 Anareo de nalana baraka ampabemaso tamin'ny fagnaratsena, sy tamin'y fagnenjena, ary nareo de niaraka nizara tam'reo ze nandalo fijalena salan'zany. 34 Satria nareo de nagnana fangoram-po tam'reo ze nigadra, ary nareo de nagneky tamin-pifalena ny fangalana ny fanagnanareo. De nafantatra an'nareo fa ny tegnanareo de managna fanagnana tsara koko sy maharitra mandrakizay. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talô de tsy hahitana ny fehezanteny hoe: "Fa nareo de nagnana fangoram-po tamin'ny gadrako."] 35 No zany de aza arena ny fatokisanareo, ze managna valisoa gedabe. 36 Fa nareo de mila miaritra, mba azahônareo ze nampagnantenain'Andriamanitra, rafa nagnano ny sitrapony nareo. 37 Fa tsy ho ela, le raika ze ho avy de ho avy tokôtrany ary tsy ho tara. 38 Ny ôloko marina de hivelona amin'ny finôna. Raha mihemotra izy, Za de tsy ho faly amin'azy. 39 Fa tsika de tsy naman'ze miemotra ho amin'ny faravana. Fa kosany, tsika de agnisan'reo ze managna finôna ho amin'ny fitanana ny fagnahintsika.