Toko faha 111

1 MiderĂ  an'i Yaveh. Hanolotsa fisaorana ho an'i Yaveh amin'ny foko manotolo aho ao amin'ny fiangona-dreo. 2 Lihibe reo asan'Andriamagnitsa, nandrazan'ny ze nagniry ananazy reo tamim-paharisihana. 3 Malaza sy be voninahitsa ny asany, sady ny fahamarinany maharitsa mandrakizay. 4 Manao raha soa ze hotsaroana I; mpamindra fo sy miantra Yaveh. 5 Magnome hanina ho an'ze mpagnaraka Anazy I. Hampatsiahy ny fagnekeny mandrakariva I. 6 Nagnatoro tamin'y onany reo asa maheriny tamin'ny fagnomezany an-dreo ny lovan'ny firenena reo. 7 Mendri-pitokiana sy mahintsy reo asan'ny tagnany; azo antoka aby reo fampianarany aby manotolo. 8 Mitoatsa mandrakizay zey, mba hitandremana amim-pitokiana sy amin'ny tokony ho i. 9 Nagnome fandresena ho an'ny onany I; nampisy ny fagnekeny mandrakizay; masina sy mahazendagna ny agnarany. 10 Ny fagnomezam-boninahitsa an'i Yaveh ro fiadagnam-pahindrena; reo ze magnatanteraka ny fitsipiny ro managna ny fahazavan-tsaigna soa. Maharitsa mandrakizay ny fiderana Anazy.