Toko Voalohany

1 Paoly, apostolin'i kristy Jesosy tame alalan'e sitrapon'Andriamanitry, arak'e fampagnantegnan'e fiainagny izay ao amin'i Kristy Jesosy, 2 an'i Timoty, zanaky tiagny : Fahasoavagny, fiantragny, da fiadanagny avy amin'Andriamanitry, gne Ray izy ami'i Kristy Jesosy Tompontsika 3 Misaotry an'Andriamanitry iao, izay tompoiko avy ame razambeko, miaraky ame feon'e fieritreretagny madio, ako e hahatsiarovako anao mandrakariva ame fivavahako andro aman'aligny. 4 Ako e hahatsiarovako e ranomasonao, magniry mafy gne hahita anao iao, ka mety ho feno hafaliagny iao. 5 Nampatsiahivigny taminà e finoanao marina, izay niaigny tao am'i endribenao Loisa izy am'i endrinao Eonisa, da resy lahatry iao izao fa miaigny ao aminao avakoa izany. 6 Izany gn'antony ampatsiahivako anao mba hampiasanao indraiky e fagnomezan'Andriamanitry ao aminao ame alalan'e fametrahako tagna. 7 Fa Andriamanitry tsy nagnome fagnahin'e tahotry antsika, fa gne hery da gne fitiavagny da e fifehezan-tegna. 8 Ka megnatry ame fijoroagny vavolombelo momba gne Tompontsika, na aminà, Paoly, gne gadrany. F'izy, mizara ame fahoriagny gne filazantsara arak'e herin'Andriamanitry. 9 Fa Andriamanitry gne namonjy antsika sady nangaiky antsika tame antso masigny. Nagnano izany Izy, tsy nohon'e drafitry izay efa naniny sady gne fahasoavany. Ndre da mbola tsy nanomboky gne fotoagny da efa nagnome antsika an'io raha io tao am'i Kristy Jesosy Izy. 10 Fa amin'izao fotoagny izao gne famonjen'Andriamanitry da nambara tame alalan'e fisehoan'i Kristy Jesosy Mpagnavotry atsika. Kristy izay nagnafoagny gne fahafatesagny sady nitondra fiainagny izay tsy ho tapitry mandrakizay mba hagnazava ame alalan'e filazantsara. 11 Noho izany, da voatondro ho mpitory teny iao, ho apostoly, sady ho mpampianatry. [Fagnamarihagny: Gne dikan-teny taloha sasany da magnampy hoe: "Ho an'e Jentilisa."] 12 Fa noho izany antony izany da mijaly amin'io raha io avakoa iao. Fa tsy megnatry iao, satria fantako Izy gne ninoako. Resy lahatry iao fa afaky mitazogny izay efa nankiniko tamin'azy Izy mandrapahavin'izany andro izany. 13 Tano gne ohatry mikasiky gne hafatr'e finoagny izay renareo tamina, miaraky ame finoagny izy ame fitiavagny izay ao amin'i Kristy Jesosy. 14 Gne raha tsara izay namboarin'Andriamanitry taminao, embeno ame alalan'e Fagnahy Masigny izany, izay miaigny ao amintsika. 15 Fantatrareo izany, fa izay nipetraky tagny Azia da nivadiky taminà. Ao amin'io fikambanagny io gne Fizelio izy ame Hermozena. 16 Enga anie gne Tompo hagnome famindram-po ame tokantragnon'i Onesiforo, satria namelombelogny anà matetiky izy sady tsy megnatry tame gadrako. 17 F'izy, refa tagny Roma izy, da nitady mafy anà, da hitany iao. 18 Gne Tompo anie hagnaboaky anazy ka hahitany famindram-po lat'amin'azy amin'izany andro izany. Gne fomba agnaby nagnampiany ana tao Efesosy, da fantatrareo tsara.