Toko 1

1 Nisafa tamin'i Mosesy teo ami-gny tragno lay fihaogna tagny an-tany liomonton'Sinay i Yaveh.Niseho zay tamin'ny gnandro voalohany tami-gny vola faharoe tami-gny tao faharoe tafaran'ny niboahan'ny vahoakin'Israely baka Egypta tagny.Hoy i Yaveh :" 2 Mitariha fagnisaha olo amy reo joharin'Israely iaby isan-tokony,ami-gny havorohontan'ny baba-drozy.Isaho amin'ny agnarany rozy.Isaho gny johary iaby,johary kiraikiraiky iaby. 3 Ze roapolo tao miakatsy.Isaho iaby ze afaky mialy ho miaramila ho gnan'i Israely.Aoky hosoratanao voho Arona gnisan'ireo johary ami-gny vondron-drozy mitam-pialia. 4 Johary raiky isakin'ny foko kiraikiraiky iaby,lohan'ny gny toko raiky,ro aoky hanompo misondry agnaminao ho mpitariky gny fokony.Gny mpitariky kiraikiraiky iaby la tsy maintsy mitariky reo johary ze hialy ho gnan'ny gny fokony. 5 Reto gnagnaran'ireo mpitariky zay tsy mialy misondry agnaminao:Bakamin'ny fokon'i Robena,Elizora anak'i Sedeora, 6 bakamin'i fokon'i Simona,Selomiela anak'i Zorisaday; 7 Bakamin'ny fokon'i Joda,Nasona anak'i Aminadaba; 8 bakamin'ny fokon'i Isakara,Netanela zanak'i Zoara; 9 bakamin'ny fokon'i Zebolona,Eliaba anak'i Helona; 10 bakamin'ny fokon'i Efraima zanak'i Josefa,Elisama anak'i Ahimoda;bakamin'i fokon'i Manase,Gamaliela zanak'i Pedazora; 11 bakamin'ny fokon'i Bejamina,Abidana anak'i Gideony; 12 bakamin'ny fokon'i Dana,Ahiezera anak'i Amisaday,13 bakamin'ny fokon'i Asera,Fagiela anak'i Okrana; 14 bakamin'ny fokon'i Gada,Eliasafa anak'i Dolela; 15 bakamin'ny fokon'i Naftaly, Ahira anak'i Enana." 16 Reo ro johary voatondro teo ami-gn'olo.Nitariky gny fokon'ny razambeny rozy.Rozy reo ro mpitariky reo toko tao Israely. 17 Nalan'i Mosesy voho Arona reo jahary reo,zay nisoratin-drozy gnagnarany, 18 sady nisomdry tamy reo johary reo la navorin-drozy gny johary iaby tamin'i Israely tamy gn'andro volohany tamy gny vola faharoe.Voho gny johary roapolo tao miakatsy kiraikiraiky iaby la namantatsy gny razambeny.Tsy maintsy magnome agnara reo toko voho gny hasaveregna havorohota bakamin'ny razambeny ie. 19 La nisoratin'i Mosesy gnisan-drozy tagny an-tany liomonton'i Sinay,manahaky gny nandidian'i Yaveh hataony. 20 Nihisahy gny agnaran'ny gny johary iaby ze ropolo tao miakatsy ze afaky mandeha agn'aly bakamin'ny havorohotan'i Robena,talagnolon'i Israely,bakami-gny fitanjaha an-tsoratsy gny tokony reo razambeny voho gny hasaveregnan-drozy. 21 Miisaky 46500 johary rozy bakamin'ny fokon'i Robena. 22 Nihisahy gny agnaran'ny gny johary iaby ze ropolo tao miakatsy afaky mandeha a gn'aly agny bakamin'ny havorohotan'i Simeona,bakamin'ny fitanjaha an-tsoratsy gny tokon'ireo razambeny voho gny hasaveregnan-drozy. 23 Niisaky 59 300 johary rozy bakamin'ny fokon'i Simeona. 24 Nisahy gny agnaran'ny gny johary iaby ze ropolo tao miakatsy ze afaky mandeha a gn'aly agny bakamin'ny havorohotan'i Gada,bakamin'ny fitanjaha an-tsoratsy gny tokon'ireo razambeny voho gny hasaveregnan-drozy. 25 Niisaky 45650 johary rozy bakamin'ny fokon'i Gada. 26 Nihisahy gny agnaran'ny gny johary iaby ze ropolo tao miakatsy ze afaky mandeha a gn'aly agny bakamin'ny havorohotan'i Joda ,bakamin'ny fitanjaha an-tsoratsy gny tokon'ireo. 27 Niisaky 78.600 johary rozy bakamin'ny fokon'i Joda. 28 Nihisahy gny agnaran'ny johary iaby ze ropolo tao miakatsy ze afaky mandeha a gn'aly agny bakamin'ny havorohotan'i Isakara,bakamin'ny fitanjaha an-tsoratsy gny tokon'ireo razambeny voho gny hasaveregnan-drozy. 29 Niisaky 54.400 johary rozy bakamin'ny fokon'i Isakara. 32 Nihisahy gny agnaran'ny gny johary ze ropolo tao miakatsy ze afaky mandeha a gn'aly agny bakamin'ny havorohotan'i Efraima,bakamin'ny fitanjaha an-tsoratsy gny hasaveregnamben'ireo razambeny voho gny hasaveregnan-drozy. 33 Niisaky 40.500 johary rozy bakamin'ny fokon'i Efraima. 34 Nihisahy gny agnaran'ny gny johary iaby ze ropolo tao miakatsy ze afaky mandeha a gn'aly agny bakamin'ny havorohotan'iManase,bakamin'ny fitanjaha an-tsoratsy gny tokon'reo razambeny voho gny hasaveregnan-drozy. 35 Niisaky 32.200 johary bakamin'ny fokon'i Manase. 38 Nihisahy gny agnaran'ny gny johary iaby ze ropolo tao miakatsy ze afaky mandeha a gn'aly agny bakamin'ny havorohotan'i Dana,bakamin'ny fitanjaha an-tsoratsy gny tokon'ireo razabeny voho gny hasaveregnan-drozy. 62 .700 johary rozy bakamin'ny fokon'i Dana. 40 Nihisahy gny agnaran'ny gny johary iaby ze ropolo tao miakatsy ze afaky mandeha a gn'aly agny iaby bakamin'ny havorohotan'i Asera,bakamin'ny fitanjaha an-tsoratsy gny tokon'ireo razambeny voho gny hasaveregnan-drozy. 41 Niisaky 41.500 johary rozy bakamin'ny fokon'i Asera. 42 Nihisahy gny agnaran'ny gny johary iaby ze ropolo tao miakatsy ze afaky mandeha a gn'aly agny iaby bakamin'ny havorohotan'i Naftaly,bakamin'ny fitanjaha an-tsoratsy gny tokon'ireo razambeny voho gny hasaveregnan-drozy. 43 Niisaky 53.400 johary rozy bakamin'ny fokon'i Naftaly. Niaraky nagnisa reo johary iaby reo,nisondry tami-gny johary folo roaamby ze nitariky gny foko folo roaambin'i Israely i Mosesy voho i Arona. 45 Ka reo joharin'i Israely ropolo tao miakatsy iaby,reo iaby ze afaky mandeha a gn'aly agny,la nihisahy kiraikiraiky tami-gny havorohotan-drozy. 46 Niisaky 603.550 johary rozy. 47 Fa tsy nihisahy reo johary ze havorohotan'i Levy, 48 fotony novola tamin'i Mposesy i Yaveh hoe:" 49 Tsy mahazo magnisa gny fokon'i Levy iha ndra mampilitsy gnazy ami-gny tamba-ben'ny vahoakin'i Israely. 50 Fa koa,tondro gny Levita hiamby gny tabernakelin'ny didim-pagnekea,voho hikarakara gny fanaky iaby ao ami-gny tabernakeky voho gny raha iaby ao.Aoky hilanja gny tabernakely gny Levita,ka aoky handay reo fanaky gny tabernakely rozy.Aoky hikarakara gny tabernakely vo hivory magnodidy gnazy rozy. 51 Lafa mila hafindra ho ami-gny toera hafa gny tabernakely,la aoky hangalaky gnazy gny Levita.Lafa tokony hapetraky gny tabernakely,la aoky hametraky gnazy gny Levita.Ze olo hafa mamonjy gny tabernakely la tsy maintsy ho maty. 52 Lafa mametraky reo lainy gny vahoak'Israely,la aoky iha zany ho agnilan'ny faneva zay gnan'ny gny vondrony mitam-pialia gny johary kiraikiraiky iaby. 53 Ndra zay aza,la aoky hametraky gny lainy magnodidy gny taberinakelin'ny didim-pagnekea gny Levita mba tsy ho avy amin'ny vahoakin'i Israely gny fihelofako.Aoky tsy hikarakara gny tabernakelin'ny lalan'ny fagnekeam-pilongoa gny Levita." 54 Nanao zay raha zay gny vahoakin'i Israely.Nataon-drozy ze raha nandidian'i Yaveh an-drozy iaby tamin'ny alalan'i Mosesy.