Toko faha 2

1 Ry rahalaiko, aza magnavaka gny fagnekea an'tompotsika Jesosy Kristy, tompon'ny voninahitra amin'ny fiangarana amign'olo sasany. 2 Ataovy misy olo miditra ao amy gny fivorianareo magnano peratra Volamena sy lamba-tsara, ary misy lehilhy sahiragna ka miditra magnano lamba maloto. 3 Laha mitaragna gn'olo mitafy lamba tsara anao ka mijaka hoe: " Azafady mipetraha eo amigny fipetrana tsara." Ka hizaka amigny lehilahy sairagna hoe: " Mitsangana anao erihy" ndre hoe: " Midomboha amy gny tongotrako." 4 kaiky tsy mitsara tegnanareo anareo? kaiky tsy mpitsara amigny hevi-dratsy anareo? 5 Mienoha rahalahy, tsy efa nifidin-Jagnahary gny sahiragnan'izao tontolo zao mba hanakaregna amigny finoagna sy mba ho mpandova gny fanjakana zay nampagnantegnainy zay tia an' Azy? 6 Fa anareo da nangalabaraka gny sahiragna! Kaiky tsy gny mpanan-karegna no maha sairagna anareo? Kaiky tsy indreo kaik gny mindahy anareo hoagny amigny fitsarana? 7 Kaiky tsy indreo gny magnaratsy gny agnarana tsara zay agnaranareo? 8 Ndre da izany aza raha magnatateraka gny lalàgna gny Mpanjaka anareo, araka gny soratramasigny hoe " Tiavo gny namanao akôra gny tegnanao", da agnisany magnano tsara anareo. 9 ka la misitraka gn' olo sasany koja anareo da manota, ka vaoheloka akôra gny mpandika lalàgna. 10 Ndre iza ndre iza nagneky lalàgna rehetra ka lavo amy gny lalagna raika avao da meloka amy lalàgna manotolo. 11 Fa gny nizaka hoe " Aza mijangajanga". da mbola nizaka koa hoe: "Aza mamano". Ka raha tsy mijangajanga anareo ka nefa mamon' olo, da lasa mpandika lalàgna. 12 Ka mizakà sy magnamboara akorà tsaraina amy gny lalàgna fahafahana. 13 Fa gny fitsarana da hoavy tsisy indra- fo amin-dreo tsy mampibaribary gnindra-fo. Ary gnindranfo da maharesy gny fitsarana. 14 Ino gny tsara, ralahy, raha mirogn' olo raika fa manam-pinoana izy ka nefa tsisy asa? Havoavonjy anazy ve zany finoany zany? 15 Raha misy ralahy na anakavy ratsy lamba sady tsy ampy isan' andro. 16 ka misy raiky aminareo nizaka amin-dreo hoe: "Mandeana ampiadagna, magnamboara mafana ary mivokisa". Raha tsy magnome andreo gny raha teny hoan' ny vatagna anareo,da ino gny raha mahatsara zany? 17 Da akôra zany avakoa gny finoana, Raha tsisy asa , da maty. 18 Kanefa misy olo nizaka hoe: "Anagnanaony finoana, fa iao managn' asa". Aboay ana finoa anao tsisy asa, da amboiko anao koja gny finoako aminy alalany gn' asa. 19 Anao nagneky fa raika avao Jagnahary,tsara raha amboarinao zany. Fa ndre gny devoly aza da nagneky zany, ka da mangorohoro idreo . 20 Tenao ho lala ve ralahy mola, fa tsy manjary gny finoana tsy asin' asa?[Fagnamarina gny dikany zaka taloha da mamaly hoe: "Tenareo ho lala ve rahalay mola, nagnino finoana tsy asin' asa da maty?"]. 21 Tsy taminy gn' asa ve nagnamarina an' I Abrahama iabatsika, raha nagnatitra an' Isaka zanany lahy tamin'gny alitara izy? 22 Hitanao fa gny finoana da niara-niasa taminy gn' asa,ary taminy gn'asa da nampivotra tanteraka gny finoany. 23 Da tanteraka gny soratra masina magnano hoe: "Abrahama nagneky an' Jagnahary, ka nisaina taminy ho fahahamarinana zany", ary izy natsovana sakezan' I Jagnahary. 24 Hitanareo fa hamarinina aminy gn' asany gn' olo, fa tsy amin' ny finoana avao. 25 Akoran' izany avakoa I Rahaba mpivaro- tegna tsy hamarinina taminy gn' asa ve izy, raha nandray sy nandefan-dreo tamin' ny lalan-kafa? 26 Ka maty gny gnaigna koa finoana tsisy asa da maty.