Toko faha 4

1 Farany, ry ralay, mampahery sy magnanatra nareo zay ao amy Tompo Jesosy. Raha nahazo reo fampianarana avy aminay nareo momban'ny fomba tsy maintsy handehanareo sy hamalifalianareo an`i Zagnahary, gny amin'io lalàgna andehanana io avao koa, da mba agnamboaranareo mihoatra zany. 2 Fa nareo da mahafantatra reo fampianarana zay nomenay anareo tamin'ny gnalalan'i Jesosy Tompo. 3 Fa zao no sitrapon'i Zagnahary, da gny hanamasinana nareo, mba hialanareo amy gny fijangajangana, 4 zay ahafantaran`ny tsirairaiky avy aminareo gny fomba ahazoana gny fanaky gny tenany ao amy gny fagnamasinana sy voninahitra, tsy 5 amin`ny filan-dratsy (tahaka reo Jentilisa zay tsy mahafantatra an`i Zagnahary). 6 Aoka tsy hisy olo handika na hanaratsy gny ralainy amin`zay. Fa gny Ragnandria no mamaly amin`ireny zava-drehetra reny, tahaka gny nampitandremany mialoha sy nijoroanay vavolombelogna taminareo. 7 Fa Zagnahary tsy niantso anay ho amy gny fahalotona, fa amy gny fahamasinana. 8 Noho zany, izy zay mandà zany da tsy mandà olona, fa Zagnahary,izay magnome gny Fagnahy Masina ho nareo 9 Momba gny fifankatiavan'ny mpirahalay,tsy mila olo hafa nareo hanoratra ho anareo, fa nareo vatanareo da nampenarin`i Zagnahary mba hifankatia. 10 Ataonareo mihitsy zany, ho an`ireo rahalay rehetra zay eran`i Makedonia. Fa zahay da mananatra anareo, ry rahalay, mba hanao mihotra. 11 Magnanatra nareo ihany koa zahay mba hagnandragna hiaigna am-pilaminana, hisaigna gny rahalainareo manokana, ka hiasa amy gny tananareo, araka gny nandidinay anareo, 12 ka hanananareo fitondran-tena tsara eo anatrehan`ireo tsy mino ary tsy hanan-java-mahory. 13 Fa tsy fa alanay tsy ho fantatrareo, ry rahalay, gny momba reo zay maty, ka tsy hahavelomanareo tahaka reo ambiny zay tsy manana antoka gny amy gny ho avy. 14 Fa raha mino sika fa Jesosy da da maty ary nitsangana koa, da akôra an'izany avao koa hendesin`I Zagnahary miaraka amin`i Jesosy reo zay efa maty tao aminy. 15 Fa zao no zakainay aminareo tamin`ny zakan`ny Tompo, fa sika zay velona, zay sisa tavela amy gny fiavian`ny Tompo, da tsy hialoka tokoa reo zay maty. 16 Fa gny tegnan'i Tompo gny hidigna avy agny an-danitra. Ho avy miaraky amin`ny feo avo Izy, miaraky amy gny feon'ny Arkanjely, ary miaraky amy gny trompetran` i Zagnahary ary gny maty ao amin`i Kristy no hitsangana volohany. 17 Avy eo sika zay velogna, zay sisa tavela, hiray hiakatry amin`ny Ragnandria eny amy gny habakabaka. Amin`zay da hiaraky amy gny Ragnandria mandrakariva isika. 18 Noho zany, mifankahereza amin`ireo zaka reo.