Tôko faha 3

1 Ampaherezo zaré ré hagnaiky iré mpanapaka sy iré manam-pahefagna, hagneky ananjy iré, ho vonogna amin'ny asa tsara jiaby. 2 Ampatsiahivo zaré ré tsy hagneso na zôvy na zôvy, hiala amin'ny adihevitra, hamela ny hafa hagnaraka ny lalany, ké hampiseho fagnetre-tagna amin'ny ôlogno jiaby. 3 Fô také alôha ny tegnantsika de tsy nanan-tsaigna ké tsy nankàtoa. Voatarika tamin'ny lalan-diso atsika ké nandevozin'ny filàgna sy ny fahafinaretagna samihafa. Niaigna takô amin'ny faharatsiagna ndraiky fialognagna atsika. Nankahalaigna zahay ké nifankahala atsika. 4 Fô rehefa niseho ny hatsaram-pagnahin'Andriamanitra mpamonjy antsika sy ny fitiavany ny ôlombelogno, 5 de tsy tamin'ny asan'ny fahamarinagna natôntsika izégny, fô tamin'ny famindram-pôny no namonjeny antsika. Izy de namonjy antsika tamin'ny alalan'ny fagnadiovan'ny fahateraham-bôvô ndraiky fagnavaozagna tamin'ny Fanahy Masina. 6 Andriamanitra nandrotsaka betsaka tamintsika ny Fanahy Masina tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. 7 Natôny izégny mbô, ho voamarigna tamin'ny fahasoavagna, de ho tônga mpandôva atsika amin'ny alalan'ny fahatokisagna ny fiainagna mandrakizay. 8 Izégny hafatra izégny de mendri-pitokisagna. Tiako hivôlagna momba izégny raha izégny am-pahatokisagna anaré, mbô iré zay mahatoky an'Andriamanitra de hikasa hagnano iré asa tsara zay efa napetrany také alôhanjaré ré. izégny raha izégny de sady tsara no mahasoa ho an'ny ôlogno jiaby. 9 Fô ialà ny adihevitra adala sy ny tantaram-pirazanagna ké ny fifandiragna sy ny ady momban'ny lalàgna. Iré raha iré de raha foagna sy tsy mampanjary. 10 Mandà zay ôlogno jiaby miteraka fizarazaragna aké agnivonarè, afaran'ny fampitandremagna indraiky na indroy, 11 ké fantaro fô ny ôlogno ohatr'izègny de niala tamin'ny lalagna marigna ké manota sy magnameloka ny tegnany. 12 Rehefa nagniraka an'i Artema na Tykiko agny aminaré zaho, de faingàna kè mandihagna agny aminahy agny Nikopolia, zay nagnapahako hevitra andaniagna ny ririnina. 13 Faingàna ké alifaso Zena, lay mpahay lalâgna, sy Apolosy, mbô tsy hanan-jaha-mahory zaré ré. 14 Ny ôlontsika de tsy maintsy mianatra magnano asa tsara zay ilaigna maika mbô tsy ahatônga ananjy irè tsy hamôkatra. 15 Iré jiaby miaraka aminahy de magnano velôma anaré. Magnanaova velôma iré zay tia antsika amin'ny finoagna. Ho aminaré jiaby anie ny fahasoavagna.