Tôko faha 21

1 Raha nagnantogna an'i Jerosalema Jesosy sy ny pianany kè nandeha Betifaga, akagny an-tampontanetin'Oliva, de nagnandefa mpianatra aroe Jesosy, 2 nivôlagna taminjaré ré hoe: "Mandihana akô aminin'izay tanety fagnaraka ako, fô akeo akeo anareo de hahita boriky mifehy avaké zana-boriky raika miaraka aminanjy. Vahao zaré ké indôsy aty aminahy. 3 Kô misy mikoragna aminaré mômba izégny, de volagno hoe: 'Misy ilan'ny Tompo anjaré ré,' ké aké aké izégny ôlogno izégny de handefa an'iré miaraka aminaré.'' 4 Ké nitrandra izégny mbô hahatantéraka izay nambara tamin'ny alalan'ny mpaminany. Aoziny hoe: 5 ''Ivolagno ny zanaka viavin'i Ziona hoe: 'Egy, ny mpanjakanà magnantona anà, magnetry tegna ké mitikina boriky-zana-boriky lahy.''' 6 Avy také de lasa iré mpianatra ké nagnano karaha izay nandidiàn'i Jesosy anjaré ré. 7 Nindôsinjaré ré ilay apondra sy ilay zana-boriky ké namétraka ny lambanjaré ré také aminanjy, ké nipétraka také amin'ilay lamba Jesosy. 8 Ny ankamaroàn'ny fôkon'ôlo de namélatra ny lambany tamin'ny tany, ary iré hafa nanapaka sampan-kakazo ké nanaparitaka izégny tamin'ny lalana. 9 Avy aké iré fokon'ôlo nialôha an'i Jesosy sy iré izay nagnaraka ananjy nitabataba hoe: "Hosana ho an'ny zanak'i Davida! Isaoragna ilay Tonga avy amin'ny anaran'ny Tompo! Hosana agny amin'ny avo indrindra!" 10 Kofa niditry takô Jerosalema Jesosy, de nihaiky ny ray tanàna kè nagnano hoe: "Izovy mô io? 11 Ny fokon'ôlo namaly hoe: "Izy no Jesosy ilay mpaminany avy agny Nazareta akagny Galilia." 12 Avy také niditry takô an-tempoly Jesosy. Niroasigny aby iré mpividy sy mpivarotre takô an-tempoly, avaké navadiny ny latabatr'iré panakalo vôla sy ny fipitrahanjaré mpivarotra pizina. 13 Aozy taminjareré hoe: "Efa voasôratra hoe: 'Ny tranoko de antsovigna hoe trano fivavahana,' kanèfa ataonaré zohy fivonian-jolahy." 14 Nony avy také de nisy jamba sy kotrila nagnantona ananjy takô an-tempoly, kè nositraniny zaré ré. 15 Fô kôfa nahita ny raha mahagaga natôny ny lehiben'ny mpisorona sy ny mpanôra-dalàna, ary kôfa regninjaré ré ny zamadinika niheikèky takô an-tempoly hoe: "Hosana ho an'ny zanak'i Davida" de vignitra mafy zaré ré. 16 Aozinjaré ré taminanjy hoe: "Regninaré mô izègny volagnin'iré ôlogno iré?" Namaly ananjy iré jesosy hoe: "Ia! Fô tsy mbôla nivakinaré foagna mô ny hoe: 'Avy amin'ny vavan-jamadinika sy ny zaza minono no nampanajarigna ny fiderana?" 17 Avy také nandao ananjy iré Jesosy kè nandeha tagny amin'ny tanànan'i betania ary nidôko tako ny alina. 18 Ary kôfa nandraigna kô niherigna tagny an-tanàna izy, 19 de tehinana. Nahita kakazon'aviavy také an-tsisin-dalana, de nagnantona tegny izy kè tsy nahita ns inona na inona také izy kô tsy raviny. Aoziny taminy hoe: "Anö tsy hisy voa intsony avy aminà mandrakizay," kè niaraka taminjany de maina ilay aviavy. 20 Kôfa nahita izègny iré mpianatra, de variagna kè nivôlagna hoe: "Karakory no tônga de nahamaina itô aviavy itô?" 21 Namaly Jesosy kè ny vôlagna ananjy iré hoe:"Volagniko marigna aminaré, kô manam-pinoagna sy tsy misy fisalasalagna anaré, de tsy izay natao tamin'io aviavy io foagna no ataonaré, fô na de hivôlagna amin'tô tampon-tanety itô aza hoe: 'mivota kè mivarigna agny an-dranomasina', de ho atao izègny. 22 Na ino na ino angatahinaré ambavaka, am-pinoagna, de ho azonaré." 23 Kôfa niditry takö an-tempoly Jesosy, de nagnatona ananjy ny lehiben'ny mpisorona sy ny zokiôlogno kôfa nampianatra Izy kè nivôlagna hoe: "Fahefagna avy akaiza mô no anaovanà iregny raha iregny, ary izôvy no nagnamia anà izegny fahefagna izegny?" 24 Namaly Jesosy kè nivôlagna taminjaré ré hoe: "Amitrahako fagnotaniagna araiky koà anaré. Kô volagninaré aminahy, de ho volagniko aminaré ny fahefagna agnanovako iregny reha iregny. 25 Ny batisan'i Jaona - avy takaiza no niaviany? avy takagny an-dagnitra sa avy tamin'ny ôlombelogno?" Niady hevitra zaré ré, nagnano hoe: "Kô mivôlagna antsika hoe, 'Avy tany an-danitra,'Izy nivôlagna amintsika hoe: 'Kè magnino anaré no tsy nino ananjy?' 26 Kôfa mivôlagna isika hoe: 'Avy tamin'ny olombelogna', mataotra ny fôkon'ôlo isika, satria izy zaré jiaby de misaigna an'i Jaona karaha ny mpaminany." Kè namaly an'i Jesosy zaré ré kè nivôlagna hoe: "Tsy fantanay." 27 Ary aozy koa de tsy hivôlagna aminaré hoe avy takaiza ny fahefagna agnanaovako iregny raha iregny. 28 Fô ahoana ny hevitranaré? Nisy lalahy araiky nanagna zanaka lahy roa. Nandeha akagny amin'ilay voalohany izy ary nagnano hoe: 'Anaka, mandehàna miasa agny amin'ny tanim-boaloboka niany.' 29 Ilay zanany lahy namaly ananjy hoe: ''Tsy ho agny zaho,'' fô avitaké niôva hevitry izy dé lasagna. 30 Avitaké dé nandeha takagny amin'ilay faharao izy ary nivôlagna karanjegny kôa. Namaly izy ké nivôlagna hoe: ''Ho agny izaho, tompoko,' kanefa tsy nakany izy. 31 Izovy taminjaré zanany roa ireo no nagnano ny sitrapon'ny rainy?" Avaké aozinjaré hoe:"Izay voalôhany." Jesosy nivôlagna ananjy iré hoe: "Volagniko marigna aminaré, iré mpamory hetra sy iré mpivaro-tegna de hiditra ny Fanjakan'Andriamanitra alôhanaré. 32 Kè Jaona nagnantona anaré tamin'ny fahamarinana, kè tsy nino ananjy anaré. Fô iré mpamory hetra sy mpivaro-tena nino ananjy. Fa anaré, na de nahita izaigny aza, de tsy nibebaka sy tsy nino ananjy. 33 Tandrigneso ity fanoharagna araiky hafa ity. Nisy lalahy araiky, tompon'tany. Nagnano tanim-boaloboka izy, nofefeny izany, nandavahany famiazana tao anatiny, nananganany tilikambo, ké nampifondroany tamin'iré mpamboly voaloboka. Avitaké dé nandéha tagny amin'ny tagna hafa izy. 34 Nony nahariny ny taom-pahavokarana, dé nagniraka ny sasany tamin'iré mpanompo izy ho agny amin'iré mpamboly voaloboka hangalaka ny vokatrany. 35 Fô nisamborin'iré mpamboly voaloboka iré mpanompony, nilamohiny ny araiky, nivoniny ny hafa, dé mbôla nivalavalana vato ny hafa. 36 Fô mbôla, nagnandefa mpanompony hafa indraiky ilay tompon-tany, fontry noho ny tamin'ny voalôhany, fô natônjaré ré karaha izegny koà. 37 Tafaran'izegny, de nagnasa ny zanany lahitôkagna tagny aminjaré ny tompon-tany, nivôlagna hoe: 'hagnaja ny zanakanahy zaré ré.' 38 Fô kôfa nahita ilay zanakany lalahy iré mpamboly voaloboka, de nifampizaka zaré ré hoe: 'Itô ny mpandôva. Indaha, ho vonointsika izy ké ho alaintsika ny lôva.' 39 Noho izegny de nosamborinjaré ré izy, natsipy takô anatin'ny tanim-boaloboka ké novonoina. 40 Ary kôfa tônga ny tompon'ny tanim-boaloboka, ino raha ataony amin'iré mpamboly voaloboka?''. 41 Aozinjaré ré taminanjy hoe: ''Ho ringanina amin'izay fômba mafy indrindra iré ôlon-doza, ary avaké afondrony amin'iré mpamboly voaloboka hafa ny tanim-boaloboka, ôlogna hagnomia ananjy ny anjara voliananjy amin'ny fotoam-pahavokaragna.'' 42 Jesosy nivolagna tamin'izy iré hoe: ''Tsy mbôla namaky ny sôratra mihitsy va anaré hoe: 'Ny vatotsy nikeny mpanangan-trano ké natô vato fehizoro. Avy tamin'ny tompo izegny, ké nahatalanjogna eo amasontsika'? 43 Noho izegny volagniko aminaré, halagna aminaré ny fanjakan'Andriamanitra ké hatolotra ny firenena izay mamokatra iré vihiny. 44 Na izôvy na izôvy ho lavon'io vato io de hopotipotika. Fô izay ilavoàny kosa de ho torotoro.'' 45 Rehefa nandré iré fanoharany irè ny lehiben'ny mpisorona sy iré Fariseo, de azon'izy iré fô ahakasika azi iré no novolagniny. 46 Nikasa ny hanambotra azy, saingy natahotra ny vahoàka izy iré, satria nataon'ny ologna ho mpaminany izy.