Tôko faha 20

1 Fô ny fanjakan'ny lanitry de karaha tômpon-tany izay nandeha vô nandraina bé hapikarama mpiasa ho an'ny tanim-boalobokany. 2 Kôfa avy nifagnaraka tamin'ré mpiasa izy fô ho denaria raika isan-andro ny karamanjaré ré, de nalefagny tagny amin'ny tanim-boalobokany zaré. 3 Niboaka ndriky izy tamin'ny ora fahatelo ké nahita mpiasa hafa takô abazary. 4 Aozy taminjaré ré hoe: 'Anaré koá mandihana agny amin'ny tanim-boaloboka, ké izay an-keviny marigna de hamiko anaré.' Ké nénga niasa zaré. 5 Mbôla niboaka ndraiky izy erantaké amin'ny ora fahenigny ary koá tamin'ny ora fahasivy, ké nagnano kara izegny koà. 6 Tamin'ny ora faharaika ambin'ny fôlo de niboaka ndray mandeha koá izy ké nahita mpiasa hafa nijorojoro. Aoziny taminjaré ré hoe: 'Magnino anaré no mijoro aketo mandritry ny tontôlo andro?' 7 Aozinjaré ré taminanjy hoe: 'Tsy misy ôlogno mampikarama zahey.' Aoziny taminjaré ré hoe: 'Anaré foagna koá mandihana agny amin'ny tanim-boaloboka.' 8 Kôfa tônga ny hariva, de nivôlagna tamin'ny mpitandrin-draharahany ny tômpon'ilay tanim-boaloboka hoe: 'Antsovy iré mpiasa ké iféo ny karamanjaré ré, manômboko avy amparany ménga amin'ny vôalôhany.' 9 Kôfa tônga iré mpiasa izay nalaigna tamin'ny ora fahiraika ambiny fôlo, de raika tsiraikaraika avy zaré ré. 10 Kôfa tônga iré mpiasa vôlôhany, de nieritreritra fô ahazo mihoatra zaré ré kanéfa zaré ré de nahazo denaria raika tsiraikaraika foagna koà. 11 Kôfa nahavoaray ny karamany zaré ré, de nitaraigna mômba ilay tômpon-tany zaré. 12 Aozinjaré ré hoe: ' Iré mpiasa farany iré de niasa adin'iraika foagna, kanéfa de nampitovinà taminay zaré ré, zahéy izay nizaka ny vesatry ny tontôlo andro sy niharitra haignandro.' 13 Fô namaly ilay tômpon-tany ké nivôlagna tamin'ny raika taminjaré ré hoe: 'Ry sakaiza, tsy magnano izay tsy mety aminà zaho. Tsy denaria raika vô no nifanarahanà taminahy? 14 Iraiso izay anà ké zory ny lalananà. Zaho de nifidy ny hagnamià ho an'iré mpiasa nampikaramaina faragny karaha ny anà koà. 15 Tsy manan-jo hagnano araka izay tiáko amin'izay anahy mo zaho?' Sé mialona mô anaré satria malala-tanana zaho?' 16 Ké ny farany de ho vôlôhany, ary ny vôlôhany, ho farany.'' [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talôha tsara indraika de mangala ny hoe: ''Maro no nantsoigna fô vitsy ny voafidy.''] 17 Kô hiainga ho any Jerosalema Jesosy, de nalaka iré roa ambin'ny fôlo takeo ankilany Izy, ary teny an-dalana Izy nivôlagna taminjaré ré hoe: 18 ''Indro, hiakatra ho any Jerosalema antsika, ké ny zanak'ôlogna de hatolotra aké amin'ny lohan'ny mpisorona sy iré mpanôra-dalàna. Zaré ré de hagnameloka Ananjy ho faty 19 ké hanolotra Ananjy amin'iré Jentilisa mbô himohézana, ho lamohina, ary hanombohana Ananjy amin'ny hazofijaliagna. Fô amin'ny andro fahatelo de hatsangana ndraika Izy.'' 20 Avy akè ny maman'iré zanaka lalahin'i Zebedio nagnantona an'i Jesosy niaraka tamin'iré zanakany lalahy. Niankohoka také agnatrehany izy ké nangataka raha avy aminanjy. 21 Aozin'i Jesosy taminanjy hoe: ''Ino no irianà?'' Ahozy taminy hoe: "Mandidia mbô hipetrahan'ireto zanako roa lalahy ireto, ny araika akeo an-tanana ankavana ary ny araiky ake an-tanana ankavià, akô amin'ny fanjakanà." 22 Fô Jesosy namaly kè nivôlagna hoe: "Tsy hainaré ny raha angatahinaré. Afaka ny hisotro ny kapoaka izay ho hisoako mô ianaré?" Namaly zareré hoe: "Afaka zahay." 23 Ahoziny taminjaré ré hoe: "Hisotro ny kapoaka tokoa naré fô nipetraka an-tanana ankavananahy sy ankaviako de tsy anjarako no magnamià, Fô ani'ré izay efa namian'ny Babako." 24 Kôfa naharegny izegny iré mpianatra fôlo lahy hafa, de vignitra mafy tamin'iré mpirahalahy aroe. 25 Fô Jesosy nagnantso anjaré ré hakeo aminanjy kè nivôlagna hoe: "Fantatraré fô zaré mpanapak'iré Jentilisa de amehy ananjy iré, ary iré lalahy manan-danjan-jaré de hampianatra ny fahefany akô aminjaré. 26 Fô tsy tôkony karaha izegny ny aminaré. Mifanôhitra amin'izègny, na zôvy na zôvy magniry ny holasa maventy aminaré de tsy maintsy ho mpanomponjaré, 27 ary na zôvy na zôvy ny ho voalôhany aké aminaré de tsy maintsy ho mpanomponjare, 28 karaha ny Zanak'ôlogno tsy tonga ho tompigna, fô hanompo, kè agnamia ny aignany mbô ho vidim-panavôtagna ho an'ny maro." 29 Kô nimboaka avy tagny Jeriko zaré ré, de fokonolo fontry no nagnaraka ananjy. 30 Nisy lalahy jamba roa nipetraka takeo amôron-dalagna. Kôfa naharegny fô nandalo Jesosy, de ihaiky mafy zaré ré hoe: "Tompo, zanak'i Davida, mamindra fô aminay" 31 Nisiahin'iré fokon'ôlo, nivôlagnanjaré ré mbô hangina, nakèfa vao maika zaré ré nagnantso mafy hoe: Tompo, zanak'i Davida, mamindrà fô aminay." 32 Avy aké Jesosy nidôko kè nagnantso anjaré ré kè nivolagna hoe: "Ino no fagnirianaré ho ataoko aminaré?" 33 Ahozinjaré ré taminanjy hoe: ''Tompo, mbô hahiratra ny masonay" 34 Avy také Jesosy, nahinakinaka, kè nikitika ny masonjaré ré. Tonga de nahiratra zaré ré kè nagnaraka Anajy.